Malazan'ny Media Sosialy: Taorian'ny Kabarin'i Assad

Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply no iarahanay mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana, ka ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady

An'arivoarivony ny Syriana mampiasa ny fitaovan'ny media sosialy tahaka ny Facebook, Twitter, YouTube ary ny Skype hampielezan-dresaka sy iadian-kevitra momba ny gidragidra. Isan-kerinandro i Mohammed Sergie no manara-maso ny resadresaka an-tserasera amin'ny teny anglisy sy arabika, manatsoaka ny misongadina ao amin'izay miavaka antsoina hoe Malazan'ny Media Sosialy.

Nanao kabary tsy fandre firy ny filoha Bashar Al Assad tamin'ny alahady, voalohany hatramin'ny volana Jona, nandrehitra ny adi-hevitra amin'ny Facebook sy ny Twitter izay nampihontsakotsana na ny mpanohana na ny mpanohitra azy. Nohitrikitrihan'i Assad ny fandresen-dahatra ao aminy fa tsy misy revolisiona any Syria fa ireo mitady ny hanonganana azy dia jiolahy sy mpampihorohoro miasa ho an'ny firenena fahavalo. Nanolotra ny drafi-pandriampahalemana manamafy ny efa nijoroany tao anatin'ny 21 volana lasa izy ary mandà ny hampiditra ao ny mpioko mitam-piadiana sy mikiry ny hipetraka eo amin'ny fahefana.

Araka izay efa novinavinaina ny adi-hevitra nanaraka izany. Nitsipaka ny kabary ny mpanohitra an'i Assad, nnavoitra fa tsy nisy zava-baovao nolazaina, raha nahazo aina kosa ny mpanohana an'i Assad, faly tsy miraharaha ny fahirano mahazo ny filohany. 

Noraisin'ny vahoaka Syriana ny Kabarin'i Assad fa ankahalain'ny mpampihorohoro

Na dia ny momba ny nitondran'i Assad sy ny fianakaviany nandritra ny ampolony taona aza no fitakiana fototra anivon'ny gidragidra Syriana, dia lasa nivelatra tamina lohahevitra hafa ny karajia — tsy misy mora manohina sy mety mahafaty tahaka ny fielezan'ny fifankahalana eo amin'ny antokom-pivavahana samihafa ao amin'ny firenena. Namoaka fifanakaloza-kevitra nampirintona tamin'ity herinandro ity i Subhi Hadidi, mpanoratra Syriana malaza monina ao London miasa ho an'ny gazety mivoaka isan'andro Alquds Alarabi.

Nanomboka izany rehefa niteny i Hadidi fa tokony hamakafaka ny fototry ny fihetsika mahery setra ataon'ny sasany ao amin'ny antokom-pivavahana misy azy ny Alaoita, fanehoan-kevitra natao tamin'ny heverina ho lahatsary tahaka ny tsy ho vita mampiseho miaramila Syriana manao fihantsiana sy mamono gadra tsy manam-piadiana.

Tena ilaina, indrindra ho an'ny zanaka lahy sy zanaka vavin'ny antokom-pivavahana Alaoitany mandinika ny fitaizana nanome alalana izao fihetsika tsimifaditrovana izao, mialoha ny hanamelohana ny fitondrana.

Maro ny nandray io fanambarana io ho fanimbazimbana, ka ao anatin'izany i Samar Yazbek, mpanoratra Alaoita manohana ny revolisiona, ka mametraka azy ho mpanavakavaka ara-pivavahana. Nanontany i Yazbek hoe nahoana no mangina ny olona rehefa fantatra fa Sonita ny iray amin'ireo lazaina ho miaramila. Miezaka manazava io teboka io ny valinteniny saingy tahaka ny tsy nahomby ny firodorodony.

 

Ny olom-pirenena rehetra, sonita na Druze, dia avela hanadihady ny fototry ny fihetsika mahery setra ataon'ny mpiara-mivavaka aminy na ny hafa. Koa nahoana no mahamenatra (sy manavakavaka ara-pivavahana!) ho an'ny Alaoita ny manao toy izany?

 

Asaad Abu Khalil, mpanoratra ao amin'ny bilaogin'ny Arabo Tezitra sy mpanohitra tsy azo akifika ny revolisiona Syriana, mandrohy ny siokan'i Hadidi ka manaitra ny mpamaky azy amin'ny “kalitaon'ny antokom-pivavahany.”

Mitohy ao Aleppo ny fampisehona marika mihariharin'ny Islamisma. Ny sary eto ambany mampiseho ny mpioko mandraraka rano amin'ny tavoahangi-toaka ao amin'ny tatatra iray, sary izay miteraka ahiahy ho an'ireo mpanohana liberaly ao amin'ny revolisiona fa mety tsy ho afa-misotro alikola izy ireo rehefa tsy entin'i Assad intsony i Syria.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.