Mpampanoa Lalàna Mikaroka Izay Hikaravasiana Mafy Ireo Vehivavy Saodiana Manao Hetsi-panoherana

Ny Asabotsy 05 Janoary lasa teo, ny fianakavian'ireo voafonja tsy mbola voaheloka dia nahavita nikarakara hetsi-panoherana kely tao an-tananan'i Buraida, Arabia Saodita ho fangatahana ny famotsorana ireo gadra. Vetivety ihany ireo mpanao hetsi-panoherana, izay vehivavy sy ankizy ny ankabeazany, dia efa voahodidina polisy ary nosamborin'izy ireo, satria moa tena  voararan'ny lalàna mafy ny fanehoana hevitra ankalamanjàna. Na nisy aza anefa io fandràrana io, tsy nanakàna ireo fianakavian'ny voafonja hanao hetsi-panoherana am-polony maro sy fitorevahana nandritra izay roa taona lasa izay tany amin'ny faritra tsirairay manerana ny firenena, izay nilazan'ireo Mpiaro ny Zon'olombelona fa  misy gadra efa ho 30.000 tsy misy fiampangana, izay voasambotra tao anatin'ilay “ady mafonja hiadiana amin'ny fampihorohoroana” taorian'ny 9/11  ny ankamaroan'izy ireo.

Vondroa mafàna fo tsy mitonona anarana iray @e3teqal (izay adika hoe “Fanagadrana”) dia nanambara fa nisy ny fampiasana herisetra tamin'ny fotoana nisamborana ireo ankizy sy vehivavy ireo [ar] :

عاجل تم توثيق الاعتداء على النساء والأطفال أثناء النقل بالقوة من قبل أحد المارة الكرام

@e3teqal: Maika : Voarain'ny mpandeha an-tongotra iray an-tsary ny herisetra nianjady tamin'ireo vehivavy sy ankizy fony izy ireo voasambotra.

Ireo vehivavy nohodidinin'ireo polisy tamin'ny Asabotsy, avy amin'i  @ImaQh

Nialoha lalàna nandeha tany amin'ny fonja al-Safra akaikin'ny Buraida ny fianakavian'ireo vehivavy sy ankizy ireo tamin'ny fotoana nisamborana azy, izay nolazaina ho ho toerana hitazonana azy ireo. Nohodidin'ireo polisy io toerana io, kanefa dia nitohy nandritra ny alina ny fitorevahana. Tamin'ny maraina, ny  printsin'ny faritra Qassim, izay misy an'i Buraida, dia namoaka didy [ar] hamoahana ny ampahany amin'ireo vehivavy, sy hamindra ny sasany any Riyadh (nisy zaza iray raha kely indrindra) ary hitazona hatrany ireo sasany ao Buraida. Tamin'ny 2:06 tolakandro, ny iray amin'ireo mpandray anjara tamin'ilay ftrevahana no nandefa bitsika manao hoe :

نحن اﻵن محاصرون وعدد الرجال قرابة الخمسين والنساء عشر نساء..ﻻ تنسونا من الدعاء والمناصرة بالميادين

@m44au: Voahodidina izahay. Dimampolo ny lehilahy ary folo ireo vehivavy. Mivavaha ho anay, ary tongava manampy.

Nisy lahatsary nampiakarina ho an'ilay vehivavy antitra iray nitomany “dimy minitra talohan'ny nisamboràna azy ireo “.

Ny harivariva, navotsotra ny vitsvitsytamin'ireo mpanao hetsi-panoherana taorian'ny nanomezan'izy ireo toky fa tsy hanao hetsi-panoherana intsony. Nandefa bitsika ny iray tamin'izy ireo :

شيخ طاعن بالسن بكاء بكاءًا شديدًا لمّا قال له المحقق : ماذا تريد ؟ رد عليه : لا أريد أبنائي، فقط أريد بناتي !

@majeed06: Nitomany mafy mihitsy ilay lahy antitra iray, tamin'ny nanontanian'ilay mpanao famotorana azy hoe “Inona no tadiavinao?” Namaly izy hoe: “Tsy mitady ny zanako lahy aho, fa ny zanako vavy ihany no tadiaviko”

Vehivavy telo voasambotra tamin'ilay hetsi-panoherana no niakatra fampanoavana tao Buraida omaly maraina, 9 Janoary, tamin'ny fomba tsy mbola fahita. Tsy natao fantatra olona mihitsy ilay fitsarana, ary tena notsindrin'ilay mpitsara mafy mihitsy fa tokony ho lehilahy iray ihany no miaraka amin'ny vehivavy iray. Ireo mafana fo sy ireo fianakaviana dia navoakan'ny  [ar] mpitandro filaminan'ny fitsarana.

Nilaza ilay mpampanoa lalàna fa tokony ho karavasiana noho ny nanaovany hetsi-panoherana ireo vehivavy :

المدعي العام ابراهيم الدهيش طالب القاضي بسجن المعتقلات وجلدهن وكان حريصا على ذلك

@abdulllah1406: ny mpampanoa lalàna,  Ibrahim al-Dihish, dia nilaza tamin'ilay mpitsara mba hanagadra ireo voatazona ary hikaravasy azy ireo, notsindriany mafy mihitsy io resaka io.

طلب القاضي من النساء عدةمرات ان يعتذرن عن التظاهر فرفضن ذلك

@abdulllah1406: Nangataka tamin'ireo vehivavy ilay mpitsara mba hiala tsiny eo anatrehany noho ny fanaovan'izy ireo ilay hetsi-panoherana , kanefa nandà foana izy ireo.

قالت احدى المعتقلات والله لو تحكمون بخمس عشر سنه لن نعتذر فنحن نطالب بحق مشروع

@abdulllah1406: Hoy ny iray tamin'ireo voafonja: Mianiana eo anatrehan'Andriamanitra aho fa na dia andatsahanareo sazy dimy ambiny folo taona an-tranomaizina aza, dia tsy hiala tsiny mihitsy izahay . Mangataka ny zonay izahay.

Nilaza ilay mpitsara fa meloka ireo vehivavy ireo, kanefa ampy izay dimy andro nihazonana azy ireo izay. Ny sisa tamin'ireo vehivavy nanap hetsi-panoherana, anatin'izay ireo nafindra tany Riyadh, dia mbola voatazona an-tranomaizina tsy nandalo fitsarana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.