Mitagataga & Depardieu any Rosia

Tamin'ny 3 Janoary 2013 i Vladimir Putin no nanasonia [ru] sombin-dalàna sivy vaovao (mifandraika amin'ny fifindra-monina ny ankamaroany) sy ny iray fanasoniavana ny didy fampiharana ny fanomezana zom-pirenena [ru] Rosiana ilay mpilalao sarimihetsika frantsay Gérard Depardieu. Tsy manaitra loatra raha ity zava-nisy farany ity no tena noresahan'ny bilaogera sy ny mpanao gazety, na dia ekena tokoa fa toa hafahafa aza ilay izy. Ahitan'ny rehetra zavatra mampirehareha ny tantaran'i Depardieu: fitiava-tenan'olo-malaza, fanindrahindrana olona ary fanasarotan-draharaha eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Eo amin'ny toe-draharaha politika anatiny, takela-boninahi-pitiava-tanindrazana ilay nomena ny zo maha-olo-pirenena Rosiana farany indrindra, fihemoran-daharana amin'izay rehetra entina anoherana sy ampifandraisina amin'i Vladimir Putin (izay nandray tanana manokana an'i Depardieu tamin'ny nanomezana azy ny pasipaoro tao Sochi andro vitsy monja taorian'izany).

Setroka sy fitaratra

Gérard Depardieu sy Vladimir Putin, tao Sochi, Rosia, 6 Janoary 2013, saripikan'ny Biraon'ny Seraseran'ny Prezidansa, CC 3.0.

Raha miherongerona sy mandrorarora any amin'ny kintan'ny Kara-Maitso ny ankamaroan'ny RuNet, nisy bilaogera sy mpanao gazety vitsy nijery akaiky ny iray amin'ireo antonta-kevitra sivy hafa nosoniavin'i Putin tamin'ny 3 Janoary — indrindra fa ny fanitsian-dalàna mikasika ny satan'ny vahiny monina any Rosia.

mametraka tahaka izao io lalàna vaovao [ru] io:

[…] Федеральным законом предоставляется право работодателям и заказчикам работ (услуг) привлекать и использовать для осуществления трудовой деятельности иностранных работников, временно проживающих в Российской Федерации, без наличия разрешения на привлечение и использование иностранных работников. Одновременно указанной категории иностранных граждан предоставляется право осуществлять трудовую деятельность без разрешения на работу.

[…] Manome alalana ny mpampiasa sy ny mpitady mpiasa haka sy hindrana mpiasa vahiny vonjimaika, tsy mila alalana manokana, monina ao amin'ny Federasiona Rosiana ny Lalàna Federaly. Mifanaraka amin'izany, manan-jò hiasa tsy mila fahazoan-dalana hiasa ireo vahiny ao an-toerana ireo.

Namehy teny ireo nahamarika io lalàna io fa nanokatra midanadana ny vavahady ho an'ny mpiasa mpifindra monina rehatra i Putin. Ny mpanao gazety [ru] Natalia Oss, ohatra, nankao amin'ny pejiny Facebook hanamelohany [ru] ny ao Kremlin ho manao izay hamenoana “gastarbaiters” (mpiasa mpifindra monina) mahatoky, an'i Rosia mba handraofana vato maro ho azy amin'ny fifidianana ho avy. Karazandrazany somary mankahala vahiny an-kolaka ihany ny teniny:

Да честные добрые гастарбайтеры честно проголосуют за кого угодно доброго без всяких подтасовок. Я бы на их месте голосовала за благодетеля – и работу дал, и паспорт, и 282-ую, и маму с папой позволил перевезти сюда и в поликлинику записать. Не понимаю, почему это не волнует демократическую общественность?

Eny hifidy amin-kitsipo, tsy mila setroka sy fitaratra, amin'ny rafitra mampihoraky ny hafaliana azy ireo gastarbaiters tsara ireo. Raha izaho no eo amin'ny toerany, hifidy ilay mpanome soa ahy aho, tahaka izany koa izay manome asa, pasipaoro, Fehezan-dalàna Ady heloka bevava faha-282 [sata manohitra ny tenim-pankahalàna], ary mamela ahy hitondra ny raiko sy ny reniko eto, ka afa-mitondra azy any amin'ny toera-pitsaboana. Tsy azoko: Nahoana izy io no tsy mampatahotra ny fiaraha-monina demokratika?

Namoaka indray [ru] io fanavaozan-tsatan'i Oss ao amin'ny Facebook io ilay mpanao tetikady politika Gleb Pavlovsky, amin'ny fanekena fa tantara natao hanafenana ity fanitsian-dalàna henjana ity fotsiny ilay fanomezana zom-pirenena an'i Depardieu.

Teoriam-pahakamoana

Heverina ho diso famaky tanteraka ny lalàna vaovao ihany naefa i Oss sy i Pavlovsky. Zavatra iray aloha, tsy misy fiantraikany amin'izay hoe iza no mahazo alalana hiditra ny faritra (ranomasina, habakabaka, an-tanety) rosiana hitady asa – fa navantana sy natao ho fampihenana ny fepetra sy antonta-taratasy ilain'ny mpampiasa. Ankoatra izay, mampiasa fehezanteny mampandrimpandry sofina ny lahatsoratra nefa hentitra no tena marina: “mpiasa vahiny monina vonjimaika any Rosia.” Eny an-kodimirana eny manko dia sata manokana [ru] ho an'ny mpiasa vahiny ny fahazoa-monina vonjimaika—iray amin'izay feran'ny fitondrana federaly mafy ny isan'ny mahazo.

Natositosiky ny mpanao gazety namana Vasily Gatov, izay manazava fa mila dia mila mpifindra monina i Rosia ahafaha-mizàka ny rafitry ny retirety, i Oss ao amin'ny fanavaozam-baovaony Facebook. Taorian'ny fifanenjanana tsy misy dikany mikasika ny fidarabohan'i Rôma fahiny, Nanambara i Oss fa “herisetra ara-bakinteny atao amin'ny [Rosiana] ao an-toerana ny fanomezana zom-pirenena ny mpifindra monina.”

Eo amin'io dingan-dresaka io i Oss no nifanazava tamin'i Dmitri Bialik, mpanao gazety hafa efa mpanolotsaina ara-politika teo amin'ny tantara. (Efa malaza ratsy amin'ny fanaratsiratsiana an-tserasera ihany koa izy ao amin'ny LiveJournal amin'ny maha-“re3us.” azy) Voalohany, hazavain'i Bialik ny fandiasoa-pamakiana ataon'i Oss (sy Gatov mbamin-dry Pavlovsky, eto). Rehefa tsy mahay midify na miala sirika i Bialik dia ny zavatra hainy indrindra no ataony: manaratsy sy mameno takelaka amin'ny zavatra tsy misy dikany. Voalohany, izao no nosoratany [ru] ao amin'ny pejy Facebook an'i Oss:

К гастарбайтерам этот закон вообще никакого отношения не имеет. Журналисты, как обычно, качают деревья, чтобы устроить ветер.

Tsy misy ifandraisany velively amin'ny gastarbaiters io lalàna io. Manozongozona ny hazo araka ny mahazatra ny mpanao gazety dia milaza izany ho rivotra.

Minitra vitsivitsy taorian'izany, nimpidi-dresaka an'i Oss ao amin'ny pejy Facebook an'i Pavlovsky i Bialik, ary namely azy fanindroany indray, tamin'ny fanompana azy ho tsy ampy [ru] “fieritrereta maka sary an-tsaina” sy mahantra fanononan-teny [ru].

Ao amin'ny valinteny misy vaingany kokoa amin'ny fandresen-dahatry [ny olona] tahaka an-dry Bialik's (tahaka ny ataon'ny bilaogera tahaka an-dry Kovane [ru], Dmitri Khabliuk [ru] ary ny mpisera LJ arkhip [ru] eny rehetra eny, dia nanao famotorana ihany koa ny nasionalista rosiana Konstantin Krylov manodidina [ru] ny rafitra ara-dalàna momba ny “mpiasa vahiny miasa vonjimaika any Russia.” Resy lahatra i Krylov fa mbola feno lavadavaka ny momba ny rafi-pamerana ny [isan'ny olona afa-mizaka] ny satan'ny fahazoa-monina vonjimaika. Nandritra ny fanoratany tao amin'ny LJ, no nametrahany rohy momba ny sampan-draharaha manolotra fanampia-pikarakarana [ru]ireo vahiny te-hifindra monina any Rosia, ary nanamarka fa misy ny lisitry ny maningana [ru] amin'ny rafi-pamerana isa izay mety hahamora ny fahazoan-dalana amin'ny ankapobeny.

kiakiahan'i Oss ihany koa n fanamorana ny fidiran'ny vahiny ara-dalàna sy mandray fonenana an Rosia. Tamin'ny fifanakalozan-kevitra nifanaovany tamin'i Gatov, no nanamarihany ny volavolan-dalàna ho fanitsiana ny sata federalin'ny fizakana zom-pirenena (zakonoproekt 191469-6 [ru]), izay ilazàny fa mamela izay rehetra teraka tao amin'ny URSS fahiny hizaka ny zom-pirenena Rosiana. Ny tena marina dia manazavazava kokoa ny lalàna momba ny fizakàna zom-pirenena tamin'ny lalàna nivoaka tamin'ny 1991, miantoka hahazoan'ny olo-pirenena teraka tao amin'ny Federasionan'ny  Repoblika Sosialista Sovietika (tsy ny firaisana sovietika rehetra) ny zom-pirenena Rosiana. Tsy namaly mivantana ny tsanga-kevitr'i Oss (na ny fahadisoa-keviny) ny bilaogera Andrei Sporov raha namoaka ny fiarovana [ru] fohy momba ny lalàna 191469-6 ao amin'ny LiveJournal-ny nivoaka tamin'ny 4 Janoary — izay andro niteraka ny sahoan-dresaka be momba ny mpifindra-monina Frantsay sy Aziatika ity.

Mitagataga sy Misaritaka

Voasarika tany amin'i Gérard Depardieu tokoa i Rosia tamin'ity herinandro ity. Nahatalanjona tokoa ny nataony hany ka na ny mpiserasera sy ny mpanao gazety mpifantoka amin'ny lohahevitra hafa “manan-danja kokoa” aza dia ahitana fisehoan'aretim-paharerahana sy variana amin-javatra hafa. Koa raha fantatra ary ny an-dry Oss sy ny mpiara-miasa aminy, manontany tena ny tsirairay hoe inona koa taranjan-dresaka tsy hita na tsy voavaky tsara tao Rosia tao anatin'ny efatra andro farany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.