Fanomezan-Tsiny Ireo Niharan'ny Fanolanana Ao Kambodja

Raha misy ny fahatezerana sy ny fiihetsiketsehana mieli-patrana lehibe ao India ho fihetseham-po noho ny fahafatesan'ilay tovovavy niharan'ny fanolanana nataon'ireo jiolahimboto, mifanohitra amin'izany kosa ny toe-javatra ao Kambodja, satria vitsy ny hetsi-bahoaka manoloana ny tranga fanolanana.

Tsy dia omen-danja ny tranga fanolanana na dia eo aza ny tatitra nataon'ny Fikambanana fampandrosoana sy ny Zon'olombelona Kambodjiana (ADHOC) izay naharay tranga fanolanana 467 tamin'ny taona 2011 ary 320 tamin'ny taona 2012. Mety mbola hiakatra izany tarehimarika izany raha mbola atao an-kilabao hatrany ny fanolanana ao amin'ny firenena.

Araka ny filazan'ny vondrona, matetika tsy tonga eny amin'ny fitsarana ny raharaha fanolanana satria mahavita mandoa onitra ho an'ny nihara n'ny fanolanana ilay mpanolana. Ny Foiben'ny Zon'olombelona Kambodjiana (CCHR) nandray izany tamin'ny zava-misy fa olona ao amin'ny fianakaviana no fantatra fa nahavita fanolanana 53 tamin'ireo tranga fanolanana 250 izay narakitr'izy ireo teo anelanelan'ny volana Mey 2010 hatramin'ny volana Mey 2011.

Saritany nisian'ireo tranga fanolanana tao Kambodja. Sary avy amin'i sithi

Ny tena ratsy indrindra, manome tsiny ireo izay niharan'ny fanolanana ireo manampahefana tompon'andraikitra amin'ny fampiharana ny lalàna. Raha namaly momba anà raharaha vao haingana mahakasika tovovavy sembana iray 19 taona izay voaolana tao anatin'ny sahan'akondro tao amin'ny distrikan'i Kien Svay faritanin'i Kandal, ny lehiben'ny polisy ao amin'ny distrika, Pam Sam Eth dia hoy izy:

Efa tamin'ny 9 hariva izy no voaolana. Tsy tokony ho tratra alina tahaka izany izy.

Mampiseho ny fihetsik'ireo manampahefana sasany izany fanamarihana izany rehefa sendran'ny tranga fanolanana tahaka izany izy ireo; manakana ireo niharan'ny fanolanana tsy hitady vonjy eny anivon'ny manapahefan'ny governemanta izany. Mampalahelo, tsy amin'ny distrika tokana ihany no hitrangan'izany fihetsika izany fa marobe ireo tranga ahitana manampahefana  manao tahaka izany ihany koa. Ohatra, Sekreteram-panjakana ao amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-behivavy no voalaza fa nanohana famoriam-bahoaka teo amin'ny olona maherin'ny 100 teo, nidina hatreny an-dalambe izy mba handrisika ireo vehivavy khmère mba hanao fitafiana maotina:

Mahatonga ny fanolanana ny fitafiana zipo fohy sy “sexy”, satria ny lehilahy rehetra, raha vao mahita hoditra fotsy, dia mahatsiaro ho toy ny manao firaisana avy hatrany.

Sary avy amin'ny lahatsarin'ny equitycam miresaka momba ny  ‘Fanolanana sy ny Lalàm-Panasaziana any Kambodja’

Nanoratra tao amin'ny gazety Kambodjiana mpivoaka isan'andro i Mech Dara sy i Denise Hruby nilaza tatitra tamin'ny 2010 avy amin'ny Amnesty International izay nandefa fanairana manoloana ny fitomboan'ny tranga fanolanana ao Kambodja

Manoloana ny kolontsainan'ny tsimatimanota sy ny fihanaky ny kolikoly, matetika ireo niharan'ny fanolanana no tsy mahazo rariny; mitolona mba handoavana sara tsy ara-dalàna hitsaboan-tena; ary mamikipikitra vao mahazo fikarakarana sy fanohanana. Efa mahazatra ny mahita mpampihatra ny lalàna, ahitana polisy sy mpiasan'ny fitsarana, no manao fandaminana fandoavam-bola tsy ara-dalàna ivelan'ny tokotanim-pitsarana eo amin'ny nihara-pahavoazana sy ny nanao fanolanana (na ny fianakaviany)

Manimba ny niharam-pahavoazana, izay matetika miaina ao anatin'ny tahotra ireo mpanitsakitsa-dalàna afaka mamely azy ireo indray, ny tsy fisian'ny famotorana sy fanasaziana matotra, ary tsy adinoina amin'izany ny fangirifiriana ara-tzaina sy ny fahatsapana ho very haja. Mandeha tsy misy fanontanitaniana ny tsy fandraisana andraikitry ny manampahefana, ahitana ny rafi-pitsarana ady heloka bevava ka manjary lasa mampiitatra ny fanitsakitsahana tamin'ny voalohany

Fanambara-panavakavahana hafa voarakitra ihany koa ny tolo-kevitry ny governoran'i Phnom Penh tamin'ny 2009 handrara ny zazavavy latsaky ny 16 taona tsy mahazo mivoaka irery aorian'ny amin'ny sivy ora alina. Ny fiheviny manko dia mety hamonjy boaty na karaoke bar na toera-pilanonana hafa natao ho an'ny lehibe irery ihany ireo zazavavy ireo. Ny fandresen-dahatra nataony moa dia hoe hikendrena hampiroboroboana ny maoraly tsara ao amin'ny fiarah-monina. Saingy notsikerain'olona maro moa izany tsy fahazoan'ny zazavavy mivoaka min'ny alina izany fa ny tadiavin'ny olona dia ny hampiharan'ny manampahefana ny lalana fa tsy ny hibedibedy indray ny nihara-pahavoazana.

Ny fihetsika manome tsiny ny vehivavy (tsy naharay tranga hoe ny lehilahy no voaolana ary vehivavy ny mpanolana ny komitin'ny Zon'olombelona nandritra ny fanangona-kevitra) no mbola mametraka vehivavy maro kokoa mety ho trà-pahavoazana. Mifanohitra amin'ny fanambaran'ny governemanta milaza fa ‘ny vehivavy no hazon-damosin'ny firenena’ izany zava-misy izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.