F&V Miaraka Amin'i Michel Kilo: Fanantenana Kely Hisian'ny Vahaolana Ao Syria

Ho toy ny ampahany amin'ny fiarahanay miasa amin'ny Syria Deeply dia miara-mamoaka andian-dahatsoratra hakàna ny feon'ireo sivily tratra afovoan'ny fifampitifirana izahay, miaraka amin'ny fomba fijery ny fifanolànana avy amin'ireo mpanoratra manerana izao tontolo izao.

Iray amin'ireo Siriana mpanohitra manana ny lazany i Michel Kilo, mpanohitra ara-politika ny Filoha Bashar Al Assad. Niakatra ho amin'ny toeram-boninahiny izy tao anatin'ilay Lohataonan'i Damaskaosy, famirapiratan'ny fahalalahana maneho hevitra sy ara-politika nandritra ny fotoana fohy tamin'ny 2000.

Nandao an'i Syria valo volana i Kilo tao anatin'ilay revolisiona ary monina miaraka amin'ny fianakaviany any Parisy ankehitriny. Namaly ireo fanontanian'ny Syria Deeply tamin'ny alàlan'ny Skype izy. Hahalalàna bebe kokoa momba ny tantarany dia nasianay rohy mankany aminà lahatsarin-tafatafa iray mikasika ny fotoana laniny tany am-ponja, nigadràny noho ny maha-mpanohitra malaza azy.

SD: Manohana amin'ny fomba ofisialy ny Fiaraha-mientam-pirenena Siriana ve ianao? Inona ireo hitanao ho tanjaka na halemen-dry zareo?

Kilo: Tsy mpikambana amin'ny Fiaraha-mientam-pirenena Siriana aho, satria hitako ho halemen'izy io ny fanindrahindràna tafahoatra ny hetsika Islamika. Tsy misolo tena ireo fironana samihafa avy amin'ny hery mpanohitra izy, indrindra fa ny demaokrasia sy ny laika.

SD: Rehefa mijery ny toerana misy ny ady ao Syria ianao, inona no hitanao?

Michael Kilo

Kilo: Mahita fivoarana kely eo amin'ny fifandraisan'ny mpanohitra sy ny fitondràna aho, miaraka amin'ny mety hisian'ny fahagagana maro tsy ampoizina. Hita anatin'izany ny hetsika very fanantenana [avy amin'ny fitondrana Assad], toy ny fampiasana ireo fitaovam-piadiana izay voararan'ny sehatra iraisampirenena, satria votsotra eo aminy ny fifehezana faritra Siriana maro. Tonga ao Damaskaosy ihany koa ny fifandonana, manao fahirano ireo foiben'ny fahefana.

SD: Manana fanantenana hisian'ny vahaolana iray ifanarahana ve ianao? Inona no mety ho endrika tsara indrindra?

Kilo: Eny, manana fanantenana voafetra ihany aho amin'ny hisian'ny vahaolana ifanarahana. Nisaraka tamin'ny fitondrana Assad ny mpikambana sasantsasany tao amin'ny rafitra ary nanitatra ny fifanatonany amin'ny mpanohitra, amin'ny fanekena tetezamita iray mankany amin'ny rafitra demaokratika.

SD: Ahoana no hisorohanao ny tsy hifandonan'ny Sionita sy ny Alaoita? Misy hevitra ve? misy fanantenana?

Kilo: Tsy fantatro ny fomba hahafahantsika hisoroka ny fifandonan'ireo sekta raha tsy misy fandaharan'asa iantsoana ny lafin-kery rehetra. Tsy mbola misy amin'izao fotoana io fandaharan'asa iraisana io, satria tsy nahay nanararaotra ny fotoana mba handrafetana sy hampiharana azy io ny mpanohitra [tany ampiandohana]. Androany aho mihevitra fa ilaintsika ny karazana fandaharan'asa toy izany, izay handrisika ny tsirairay hiara-hiasa ao anatinà tetikasam-pirenena iraisana, mba hahafahana manapaka ny làlana mankany amin'ny fifandonan'ny sekta na farafaharatsiny mampihena ny mety hisiany [fipoahany].

SD: Misy amin'ireo mpikambana ao anatin'ny rafitra ankehitriny ve heverinao fa afaka na tokony hijanona ho ao anatin'ny Syria ho avy?

Kilo: Eny, misy olona ao anatin'ny rafitra izay afaka hitàna toerana ao anatin'ny hoavin'i Syria… ny sasany amin'ireo ao anatin'ny fitondràna amin'izao fotoana, indrindra fa ireo izay niala an-daharana tamin'ny fitondrana sy ny fianakaviana Assad mba hiara-dia amin'ny vahoaka.

SD: What is holding up the Assad regime today?….SD: Qu'est-ce qui retarde le régime d'Assad aujourd'hui?

Kilo: Avy amin'ny fanohanan'ny Rosiana, Shinoa sy ny Iraniana no tanjaka sy fahatantesan'ny tafik'i Assad, ary ny tsy fisian'ny fomba fijery tandrefana manakiana azy ity. Izay ahafahan-dry zareo mitàna io andraikitra fanohanana io tsy dia misy sakantsakana loatra, miaraka amin'ny jiro maitso manome alàlana an'i Assad hamoritra ny vahoaka sy hamotika an'i Syria.

SD: Heverinao ve fa mety hampiasa fitaovam-piadiana simika tokoa ny fitondràna Assad mba hitohizan'ny fiainana ara-politikany?

Kilo: Eny, tsy isalasalàna fa mety hampiasa ny karazam-pitaovam-piadiana rehetra izy, tafiditra anatin'izany ny fitaovam-piadiana simika, satria izy tsy manaja aina sy zon'olombelona izany. Raha tsy izany tsy hanimba ny fireneny izy.

SD: Ahoana no eritreretinao ho fomba hialàn'i Assad ny sehatra?

Kilo: Ny tahotro dia ny hihetsehantsika hiala aminà krizy iray, hanongana ny fitondràna, ho aminà krizy iray vaovao, mitatra any amin'ny ady an-trano sy ny faharavàna, ara-politika sy mitam-piadiana. Fanampiny, tsy tokony hoadinointsika fa rava i Syria, ary betsaka amin'ny vahoaka Siriana no tsy manan-kialofana, noana, na nafindra toerana, ary mandrisika faharavàna ity rivotra iainana ity.

SD: Inona no tena tahotra mafy ho anao amin'izay hitranga eto Syria?

Kilo: Miketrika fandresena miezinezina manoloana ny vahoakany i Assad, io no tanjon'ny ady natao efa ho roa taona izao. Ahilik'io daholo izay karazana vahaolana politika rehetra naroson'ny avy amin'ny fanoherana. Mbola manonofy hatrany izy fa ho afaka handresy amin'ity ady ity.

SD: Inona no ilaina ataon'ny fianakaviambe iraisampirenena ho an'i Syria?

Kilo: Tokony hametraka fomba fijery mazava, mora sy azo ampiharina hampitsaharana ny vono olona any Syria ny fianakaviambe iraisampirenena ary hiasa tsy amin-pisalasalàna hikatsaka vahaolana politika amin'ny krizy. Noporofoin’ [ireo hery eran-tany] ny tsy nahavitan-dry zareo nanao na inona na inona, niala ny andraikitr'izy ireo tamin'ny filazana fa hoe marefo ny fanoherana ary misaratsaraka ny fiarahamonina  Siriana.

SD: Raha afaka miteny amin'i Obama, Filoha Amerikana, ianao mba hanao fanovàna amin'ny politika momba an'i Syria, mety ho inona izay?

Kilo: Holazaiko aminy mifanaraka amin'izay efa noteneniko imbetsaka, fa tsy maintsy mifototra amin'ny fanajàna ny zon'olombelona ho an'ireo vahoaka, na aiza na aiza, ny politika Amerikana.

SD: Tokony hampihatra ny faritra habakabaka tsy azo isidinana any avaratr'i Syria ve ny fianakaviambe iraisampirenena? Tokony hirotsaka an-tsehatra hanàla ny tafik'i Assad avy eny an'habakabaka ve izao tontolo izao?

Kilo: Nefa heveriko fa tsy ilaintsika izany. Noporofoin'ny vahoaka Siriana nandritra ireo roa taona lasa fa vitan-dry zareo ny [miaro] ny tranony tsy ilàna fitsabahan'ny avy any ivelany ary tohanan'ny faran'izay kely amin'ny fitaovam-piadiana ilaina ho amin'ny fandresena. Tsy miankina intsony amin'ny firenena ivelany ry zareo mba hahazoany ny fahalalahany. Mino ry zareo fa tsy fanirian'ny firenena tandrefana mihitsy ny hialàn'i Assad, ary hijanona eo izy mandra-pamòtiny ny fiarahamonina iray manontolo sy izay mbola mihazona azy io hitambatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.