Voatafika ny Diaben'ny Fiainana Faharoa Tao Yemen

Na dia nahahongana ny filoha tsy refesi-mandidy Ali Abdullah Saleh teo amin'ny fitondrana aza ny revolisiona Yemenita ary nanantena fa ho afaka amin'ny herisetrany ireo  mpanao fihetsiketsehana milamina, mbola naparitaky ny polisin'ny filoha Abd Rabbuh misahana ny rotaka tamin-kery indray ny Diaben'ny Fiainana Faharoa tamin'ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaso sy kibay ka vokatr'izany naratra ireo mpanao fihetsiketsehana sasany, araka ny tatitra sy ny  fanadihadiana.

Nikarakara sit-in teo anoloan'ny lapam-panjakana ireo mpanao fihetsiketsehna nandray anjara tamin'ny diabe, nangataka ny filoha Abdu Rabbo Mansour Hadi mba hamoaka didim-panjakana sy hanala tsotra izao an'i Ahmed Saleh, zanaka lahin'ny filoha teo aloha, sy ny Jeneraly Ali Mohsen al-Ahmar, manamboninahitra teo aloha tao amin'ny Andian-tafika voalohany mampiasa fiara mifono vy, ary koa ny Jeneraly Major Ghalib Al-Qamish, lehiben'ny Fiarovana ny Politika Anatiny.

Nalefan'ny Youthstand47 tao amin'ny Youtube ny lahatsary misy ny fanafihana :

Benjamin Wiacek nisioka tamim-pahadisoam-panantenana:

@Nefermaat: Peaceful #Youth protesters attacked in #Sanaa: tear gas, beating up, shots, cars, etc… “new” govt, “new” security, same results! #Yemen : (

#Tanora mpanao fihetsiketsehana milamina notafihana tao #Sanaa: baomba mandatsa-dranomaso, daroka, bala, fiara,sns…governemanta “vaovao”, fiarovana “vaovao”, mitovy ny vokany #!Yemen 🙁

Baraa Shabaan, iray tamin'ireo tanora namonjy ny Diaben'ny Fiainana tao Sanaa nisioka andiana sioka manazava izay zava-nitranga teo amin'ny fihetsiketsehan'ireo tanora tao amin'ny lapam-panjakana

‏@BaraaShiban: 1. Since 4 pm, no food or water was allowed in, with a heavy presence of riot police … #Yemen

1. Nanomboka tamin'ny 4 ora hariva, tsy misy sakafo sy rano navela hiditra, niandry tao ireo polisy misahana ny rotaka marobe #Yemen

@BaraaShiban: 2. At 6pm, riot police started attacking the youth who came to support the protesters … #Yemen

2. Tamin'ny 6 ora hariva, nanomboka nanafika ireo tanora tonga hanohana ireo mpanao fihetsiketsehana ny polisy misahana ny rotaka

@BaraaShiban: 3. 8 ppl were injured due to the heavy beating & the others were affected by the tear gas … #Yemen

3. olona 8 no naratra noho ny daroka mahery vaika & ny hafa kosa tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso…#Yemen

‏@BaraaShiban: 4. The riot police started attacking the protesters at the presidential palace at 7:30 pm … #Yemen

4. Nanomboka nanafika ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny lampam-panjakana ny polisy misahana ny rotaka tamin'ny 7 sasany hariva… #Yemen

@BaraaShiban: 5. Most of the youth got heavily injured due to the severe beating, & 7 fainted due to the tear gas … #Yemen

5. Naratra mafy ny ankamaroan'ireo tanora noho ny daroka mahery vaika, ary torana ny 7 noho ny baomba mandatsa-dranomaso… #Yemen

@BaraaShiban 8. (actually .6) Fahmi, one of the youth protesting at the presidential palace got ran over by the riot police car & got blocked out immediately.. #Yemen

8. (ny tena marina .6) Fahmi, iray amin'ireo tanora manao fihetsiketsehan ao amin'ny lapam-panjakana no nohitsahan'ny fiaran'ny polisy misahana ny rotaka ary nihitsoka tao avy hatrany…#Yemen

‏@BaraaShiban: 7. We lost contact with the protesters & we realized that some if them were detained & released an hour later … #Yemen

7. Tsy afa-nifampiresaka tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana izahay & fantatray fa notànana ny sasany tamin'izy ireo & noafahana adiny iray taty aoriana … #Yemen

 ‏@BaraaShiban: 8. Fahmi, got transferred to Aljomhoori hospital & still in a dangerous condition… #Yemen

8. Fahmi, nafindra tany amin'ny hopitaly Aljomhoori & ary mbola ahiana mafy ny toe-pahasalamany… #Yemen

‏@BaraaShiban: 9. The youth started gathering in front of Hadi's home with a heavy presence of soldiers … #Yemen

9. Nanomboka nitangorona teo anoloan'ny trano fonenan'i Hadi ireo tanora, maro dia maro koa ny miaramila

Nikarakara valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny tanora mba hanazava tsara izay zava-nitranga tamin'io hariva io. Notanterahana tao amin'ny sendikan'ny mpanao gazety Yemenita ny valan-dresaka ary natrehin'ireo mpikatroka, mpanao gazety sy fatsom-pahalalam-baovao.
Nandefa sary tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tao amin'ny pejy Facebook-ny ny Foiben'ny Fampahalalam-baovao ho amin'ny Kianjan'ny Fanovana.

Valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tao amin'ny sendikan'ny mpanao gazety ao Yemen manome fanazavana amin'ny antsipirahiany mikasika ny fanafihana ireo tanora nandritra ny Diaben'ny Fiainana Faharoa

Nalefan'i mohmmed alyemeni tao amin'ny Youtube ny lahatsary ahitana ireo fanambarana izay novakiana nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety

Sarah Jamal, nanatrika ilay valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, nisioka hoe:

@Sarah_Sanaa: Life March protesters: we will not stop until president Hadi issues a clear decree 2 sack Ahmed Ali, Ali Mohsen, Al qamish fm army #Yemen

Mpanao fihetsiketsehana amin'ny Diaben'ny Fiainana: tsy hijanona izahay raha tsy mamoaka didim-panjakana mazava manala an'i Ahmed ami, Ali Mohsen, Al qamish ao amin'ny tafika ny filoha Hadi #Yemen

@Sarah_Sanaa:Life march protesters: The organizational committee does not represent us or the revolution, it only represents JMP #Yemen

Mpanao fihetsiketsehana amin'ny Diaben'ny Fiaianana: Tsy misolotena anay na ny revolisiona ny komity mpikarakara, misolotena ny JMP fotsiny izy ireo #Yemen

@Sarah_Sanaa: 2nd. Life March demands a fair immediate investigation in what the protesters faced at the presidency #Yemen

Mitaky fanadihadiana mangarahara tsy misy hatak'andro mikasika ny zava-nihatra tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny lapam-panjakana ny Diaben'ny Fiainana Faharoa #Yemen

Baraa Shiban nisioka tamim-pahagagana:

@BaraaShiban: I think the Interior Ministry haven’ t realized yet …. the date is 12/2012 not 2010 … #Yemen

Mino aho fa mbola tsy mahatsapa ny Minisitry ny Atitany…ny daty dia 12/2012 fa tsy 2010…#Yemen

Mampalahelo, mbola mitohy ny zava efa-nitranga mitovy tao Yemen – mbola nanakana ny fihetsiketsehan'ireo tanora milamina ny mpitandro ny filaminana mpanao famoretana, maharitra ary vonona hanatratra ny tanjon'ny revolisiona ireo tanora.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.