Aostralia : Fatwa Manohitra Ny Andro Noely

Hatezerana tamin'ny aterineto no setrin'ny  vaovao manohitra ny krismasy navoakan'ny fatwa heverina fa avy amin'ny imam avy amin'ny Mosquée Lakemba any Sydney. Fa vazivazy kosa ho an'ireo izay vizaky ny varotra fanao amin'ny fotoana tahaka izao. Nofafana  tao amin'ny pejin'ny Facebook-ny ilay hafatra voalohany :

Ny fatwa, izay manangana ady hevitra sy fanamelohana ao amin'ny fikambanana , dia mampitandrina fa ” manandrana misintona ny Silamo hiala amin'ny làla-mahitsy ireo tsy mpino ireo”.

Voalazany ihany koa fa ny andro Noely sy izay fankalazana miaraka aminy dia isan'ny ” lainga izay tsy maintsy ialàn'ny Silamo … noho izany, tsy mahazo mankalaza ny Noely ny Silamo ary tsy mahazo miarahaba ireo mankalaza ihany koa”.

Noraisin'ilay mpanao gazety Anthony Sharwood tamin'ny feo tsy taitra sy matotra ilay resaka  tao amin'ny bilaogin'i Punch :

Miteny ny fampidinana ny ding-dong omen'ny avy any ambony am-pifaliana ianao.

…Ny resaka momba ny Noely any Aostralia, tahaka ny ankamaroan'ny tatsinanana, dia mihoatra noho ny finoana.

Tsy Anthony irery no mino fa karazana ‘ fanambarana …’ ny fatwa ny marimarina kokoa dia foto-kevitra na fitsipi-pifehezana ara-pivavahana io. Ny sasany aza mino fa fanamelohana ho faty na jihad io.

Raha toa ka mamerina indray ireo fanadihadiana amin'ny haino aman-jery mahazatra ny sisa amin'ny tontolon'ny bilaogy, mihovotrovotra ny twitter.

Tsy nanafina ny hatezerany i m.m.:

‏@mar5mac: arakaraky ny hamakiako ity lahatsoratra ity no mampisamboaravoara ahy. >>MT @theage ny #fatwa Mosquée Lakemba mifanandriana amin'ny  #Christmas http://ow.ly/1QtVTO #auspol

Misy bitsika manao hoe ‘miverena any amin'izay nihavianareo’  tahaka ity iray avy amin'i  Jenko Schmidt ity:

@JenkoSchmidt: Nahoana no avelan'ity firenena ity hiaina ao aminy ireo miantsy ady amin'ny andro Noely #lakemba #fatwa #christmas

Mitondra hafatra mandratra manohitra ny kolontsaina maro ny sasany.  Ny karazam-pitenenana ratsy manodidina izany. Hitanareo ao amin'ny tenifototra #fatwa raha liana ianareo.

Niarahaba ny fanalàna ilay fatwa tao amin'ny Facebook Nick O'Brien :

‏@NickOBrien999: Fihetsika tsara avy amin'ny fiombonan'ny Silamo. Nofafan'ny Mosquée Lakemba ilay lahatsoratra ‘fatwa’-n'ny Noely : http://www.smh.com.au/nsw/lakemba-mosque-removes-christmas-fatwa-post-20121223-2btaj.htm

Mpampiasa twitter vitsivitsy no nihevitra fa ady amin'ny haino aman-jery io raharaha io, isan'izany  Andrew Zammit :

‏@Andrew_Zammit: Ny loha-teny “fatwa mifanandrina amin'ny Noely” dia tahaka ny hoe olana be nefa tsy izany.

Na inona na inona miseho, ny antso natao tamin'ireo mpitarika Silamo mba handavany ny fatwa dia nisy valiny haingana. Faly i Michael Byrnes :

‏@MichaelByrnes: Tsara ny mahita ny mpitarika Silamo  manameloka ny “fatwa” RT @smh namoaka fatwa manohitra ny noely ny Mosquée Lakemba  http://ow.ly/gjdMd

Angamba ny ABC News (Australian Broadcasting Corporation) no naharay ny fitenenana tsara indrindra.

Navoakan'ny mpanao gazety Lucy Carter tamin'ny twitter ity sary ity :

‏@lucethoughts: Naka ity  hafatry ny Noely voasoratra eo ambonin'ny Mosquée Lakemba ity i Grant Wignall mpaka sariko pic.twitter.com/IFDfFKo8

Response to Fatwa: Merry Xmas over Lakemba Mosque

Valinkafatra ho an'ny  Fatwa:  Merry Xmas eo ambonin'ny Mosquée  Lakemba  (Sary tamin'ny Twitter : Lucy Carter @lucethoughts)

Tarataratra fa ny ” Fikambanan'ny Silamo Libaney, izay mitantana ny mosquée, no niteny fa mivoana amin'ny zavamisy ny resaka ary tsy mandrisika ny tsy fankasitrahana ny Noely ny fikambanana ” araka ny tatitry ny ABC News. Nosoloin-dry zareo hafatra firariantsoa izany.

Heverina fa tsy mbola manara-dia an'i Salman Rushdie ny dadabe Noely aloha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.