Mamono Syriana Milahatra Mofo Ny Hery an'habakabak'i Assad

Nanatanteraka tifi-danitra namono olona ny governemantan'i Syria – tamin'ireo Syriana nilahatra mofo tany amin'ny trano fivarotana mofo tany Halfaya, any Hama. Eo amin'ny 90 ka hatramin'ny 300 eo ireo olona maty tamin'io fanafihana tany amin'ny tanàna io raha ny vinavina, izay lazain'ireo mpikomy fa navotsotr'izy ireo avy amin'ireo tafik'i Assad. Ao anaty aterineto, tezitra ny mafana fo noho ny fanohizan'izao tontolo izao mijery ny famonoana ireo tsy manan-tsiny.

Mandehandeha ao anaty aterineto ny sary miharihary mampiseho ireo vatana tapatapaka, sy ireo lahatsary taorian'ireo fanafihana, ; mampiseho ny faharavàna. [mitoraka bitsika an'ireo rohy mankany amin'ireo lahatsary ny mpanao gazety Erin Cunningham ato.]

Manoratra i Leila Nachawati Rego :

@leila_na: Ny fanapoahana ireo trano mpivarotra mofomamy indray no paikady vaovaon'ny fitondrana Syriana. 200 ireo olona maty androany tany Hama. Fandringanana sivily. Mandrava. #Syria

Mitoraka bitsika ny hatezerany ilay Syriana Rafif Jouejati:

@RafifJ: Miandry ny fahitàn'ireo mpitondra an'izao tontolo izao zavatra avo kokoa no ho ny “Miampanga anatin'ireo fetra matanjaka indrindra izahay..” #Halfaya_Massacre #Syria

ary nanampy izy:

@RafifJ: Avelao ny bokin'ny tantara hampiseho fa namono olona marobe i #Assad raha nijery azy izao tontolo izao, tsy afa-nihetsika, ary tsy nahavita inona afatsy ny teny mavesatra. #Syria

Ary mitoraka bilaogy i Razan Ghazzawi, tezitra :

Jereo ny mason'ireo maritioran'i Halfaya ary sahia milaza amiko fa manahy ny amin'ireo “Islamista” any Syria ianao. Sahia milaza amiko, le tay ‘ty, fa manahy ny amin'ny “fanitsakitsahana ny zon'olombelona FSA,” manahy ny “ady sivily,” any Qatar sy Arabia Saodita, ary izany no tsy hanohananao ny fikomian'ny vahoaka.

Hay miahiahy ianao. Hay ve. Manazava zavatra maro izany. Mazava ho azy.

Vaovao tselatra: hatramin'ny minitra nandaozanao ny vahoakan'i Syria, nandao anao sy ny zavatra mampanahy anao ihany koa ny vahoaka Syriana ry habibi: tsy misy amin'izao fotoananay sy amin'izao toerana misy anay izao ianao sy ny sivilizasiônanao. Ampy izay, tsy mitovy intsony ny sokajy misy ahy sy anao.

Ary koa, tonga tany Syria ny iraka manokana ho an'ny fandriampahalemana Lakhdar Brahimi hanatanterahany ny iraka nampitondraina azy amin'ny maha-“mpanelanelana amin'ny ady” misy ao amin'ny firenena azy.

Manamarika i Hassan Hassan:


@hhassan140
: ilay famonoana goavana tany Halfaya, ho fankalazana ny fahatongavan'i Brahimi any Damaskosy, dia manala baraka ireo rehetra mbola mino fa mahatakatra zavatra ankoatra ny hery i Assad.

ary manampy izy:


@hhassan140
: Tantara: amin'izao andro izao, mitsidika an'i Damaskosy i Lakhdar Brahimi mba hiresaka amin'i Assad izay nampiaka-peo tany Halfaya tamin'ny namonoany olona 300 nilahatra mofo.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.