Mampitandrina i Shina: “Tsy Ambonin'ny Lalàna ny Aterineto”

Ny 18 Desambra 2012, namoaka lahatsoratra eo amin'ny pejy voalohany mitondra ny lohateny hoe “Tsy ambonin'ny lalàna ny Aterineto” ny gazety mpanohana ny governemanta Shinoa People's Daily [gazety mivoaka isan'androm-bahoaka] . Hoy ny lahatsoratra :

the internet is as much a tool of rumor and misinformation as a platform for information sharing, and everyone must be as responsible and law-abiding online as they are offline.

Ny aterineto dia sady fitaovan'ny honohono sy ny fandisoam-baovao no sehatry ny fifampizaram-baovao, ary tokony ho tompon'andraikitra amin'ny fankatoavan-dalàna ivelany sy anatin'ny serasera ny tsirairay

Vetivety dia naelin'ny televizionam-panjakana Shinoa CCTV io tsangan'asa io. Ny andro manaraka dia mbola nohitrikitrihan'ny People's Daily tamin'ny tsangan'asa hafa [zh] ny heviny : “Ny fanaraha-maso ny aterineto mifanaraka amin'ny fanao iraisampirenena.”

Screen grab from CCTV news broadcast.

Hitan'ny mpiserasera Shinoa ho fampitandremana ireo lahatsoratra roa ireo. Mahatsiaro ho diso fanantenana noho ny fampitandremana ny ankamaroan'ny mpiserasera ary manahy fa ho bebe kokoa ny sivana rahatrizay. Maro ireo manindrotsindrona ny governemanta tamin'ireo lahatsoratra ireo. Eto ambany eto ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitry ny bilaogera ao amin'ny Weibo, Twitter Shinoa, sy mpilaza ny heviny fanta-daza.

Fanantenana nanjavona

韩志国:蜜月期已经结束《人民日报》连续发表评论,矛头直指微博反腐。在一片期待和欢呼声中,我们又听到了磨刀霍霍。对微博上的各种声音,本可根据文责自负原则通过法律途径解决,而不必采取传统思维和传统方式。尽管社科院报告认为微博的可信度高于新闻联播,但微博的发展空间十分有限,不必过度意淫。

韩志国: Nifarana hatreo ny volan-tantely, Notondroin'ny People's Daily mivantana tao amin'ny Weibo ny ady amin'ny kolikoly. Ao anivon'ny fanantenana sy horakora-pifaliana no ahenoana hakevohana. Azo jerena amin'ny alalan'ny lalàna ny feo isan-karazany ao amin'ny famahanam-bilaogy bitika fa tsy voatery jerena amin'ny fomba mahazatra. Na dia eo aza ny tatitra nataon'ny Akademia Shinoan'ny Siansa Sosialy fa ny sehatry ny famahanam-bilaogy fohy no itokisana kokoa noho ny vaovaon'ny CCTV, dia voafefifefy ny fivelarana sy ny kianjan'ny famahanam-bilaogy fohy, noho izany aza dia manantena be loatra aminy.

大兵看世界:改革只是开始,还是即将结束!当我们寄托希望的时候,我们就要想到失望,只是希望失望不要来的那么快,微博不是法外之地,但希望不要将微博也变成只能歌功 颂德的平台!网络是新生的社会力量,它寄托了太多太多的希望,如果有一天,所有的希望都破灭了,那么还有什么希望呢?

大兵看世界:Izao ve no fiandohan'ny fihavaozana, sa tonga any amin'ny farany sahady? Raha angonintsika ny fanantenantsika, ilaina ny ieritreretantsika ny fahadisoam-panantenantsika ary antenao tsy ho tonga haingana loatra ny fahadisoam-panantenana. Tsy ivelan'ny lalàna ny Weibo is not outside the law, saingy manantena aho fa tsy ho lasa fihiram-piderana io! Herin-tsosialy vaovao izay nametrahana fanantenana be loatra ny aterineto. Ho raraka avokoa ireo fanantenana rehetra ireo. Manan-javatra hafa antenaina ve isika?

李庆松:这是要释放什么信号,监管,控制,还是封杀。难道这最后一条普通社会公民参与社会监督的阵线也要被政府无情抹杀。民主,这社会何谈民主,悲哀。

李庆松:Inona ny hafatra avoakany? Andrimaso, fanaraha-maso na sivana. [Ny aterineto] no sehatra farany ahafahan'ny olo-tsotra mandray anjara amin'ny andrimaso sosialy. Horaràn'ny governemanta tsy misy antra ve? Demokrasia? Ahoana ny fomba iresahantsika demokrasia amin'ity fiaraha-monina ity? Mampalahelo.

Aurora-trying_to_balance: 还如何言论自由?!刚有几个反腐案例 就有网络不是法外之地的声音!有几个人出来实话实说 新浪就立刻和谐!如此紧闭森严的新闻媒介和环境 中国人很难真正意义上的言论自由。

Aurora-trying_to_balance: Ahoana ny fomba iresahantsika fahalalaham-pitenenana? ! Nivoaka taorian'ny trangam-panenjehana kolikoly vitsivitsy an-tserasera ny lahatsoratra. Nisy olona vitsy nilaza ny marina, fa niezaka ny handrindra [hanivana] izany avy hatrany ny Sina! Sarotra ho an'ny vahoaka Shinoa ny hahazo ny tena dikan'izany fahalalaham-pitenenana izao ao anatin'izao fanaraha-maso henjana ny vaovao sy ny fitaovam-pampielezam-baovao izao.

Setriny ho an'ny Governemanta

许小年: Facebook和Twitter在各国是什么惯例?

许小年:[Raha manaraka ny fanao iraisampirenena], ahoana ny fanaon'ny Facebook sy Twitter?[Voasakana any Shina ny Facebook sy ny Twitter]

赵楚 :不错,按照普世的现代法治原则,没有任何地方应该成为法外之地,但是,我想在 这里告诉央视和《人民日报》:各级党政的办公楼以及各种戒备森严的官家秘密场所,连同你们两家以公帑运营的媒体,更不应该成为法外之地。

赵楚 :Eny, amin'ny fankatovana ny tany tan-dalàna, tsy misy toerana ambonin'ny lalàna. Saingy hiteny ny CCTV sy ny People's Daily aho eto: ny biraom-panjakana, sy ireo toerana maro an'ny manampahefana tazonina ho tsiambaratelo, ary ianareo roa tonta, fampielezam-baovaon'ny fanjakana, [koa] tsy tokony ho ambonin'ny lalàna.

贺江兵:对人民管治与国际接轨;对官员财产和非法行为讲中国特色;官媒这样如何取信于民?日报之后是不是会发表:《官员财产公开是各国惯例》《官场不是法外之地》。

贺江兵:Raha ny fanaraha-maso ny vahoaka, mampihatra ny lasitra iraisampirenena ry zareo; fa raha resaka fihetsika tsy mendrika sy fananan'ny manampahefana Shinoa dia lazainy fa mampiavaka ny Shinoa. Amin'izao fisiana lasitra roa samihafa izao, ahoana moa no ahazoan'ny gazety tantanin'ny fanjakana ny fitokisam-bahoaka? Hamoaka lahatsoratra roa hafa indray ve ianareo: “Mifanaraka amin'ny fanao iraisampirenena ny famoahana imasom-bahoaka ny haren'ny manampahefana” sy ny “Tsy ambonin'ny lalàna ny tany anjakan'ny sampan-draharaham-panjakana”?

Fomba hafa fandikana azy:

琢磨先生:最近新闻联播和人民日报都强调:网络不是法外之地。意思就是告诫微博小秘书,公民有言论自由,不要轻易删帖,否则必将被追究法律责任。

琢磨先生:Nasongadin'ny vaovaon'ny CCTV sy ny People's Daily fa tsy ambonin'ny lalàna ny aterineto, izay fampitandremana ny mpijery bilaogy fohy sy ny mpampihatra sivana: manana fahalalaham-pitenenanana ny olom-pirenena, miangavy tsy hamafa lahatsoratra, na tànana ho tompon'andraikitra ianareo.

Na dia fantatry ny mpiserasera tsara aza fa fanapahan-kevitry ny governemanta ny fanivanana ny bilaogy fohy, dia tohanan-dry zareo ny fomba fandraisana maneso, manoratra ny mpiserasera iray:

火星人草帽仔:这个理解真是乐翻天!苦中作乐

火星人草帽仔:Mampihomehy ny fahazoana azy. Mahita fahasambarana ao anaty fifanoheran-kevitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.