Ny Saikanosin'i Sinai”: “Far West” Ejipsiana”?

 

Tamin'ny volana Aprily, nosokajian'ny Praiminisitra Isiraeliana Benjamin Netanyahu ho karazana “Far West Baribariana” ny saikanosin'i Sinai ao Ejipta, izay ampiasaina hitifirana balafomanga ao amin'ny fari-dranomasina Eilat. Araka ny filazan'i Netanyahu, ampiasain'ny mpiady Islamista izay tohanan'i Iran ity saikanosy ity mba hampidiran'izy ireo fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna sy hanafihana an'i Isiraely. Tamin'ny volana Aogositra, mpiandry sisintany Ejipsiana 16 no nisy namono nandritra ny fanafihana nataon'ireo mpiady Islamista izay niampita ny sisitany avy eo. Ity no anisan'ireo andiana loza goavana indrindra hatramin'ny naha-voafidy an'i Mohamed Morsi, kandidàn'ny rahalahy Miozolomana ho filoham-pirenena ao Ejypta tamin'ny volana Jiona 2012.

Hatramin'ny nihonganan'ny fitondran'i Mubarak, tokony hijery indray ny fifandraisana amin'i Isiraely sy Palestina i Ejypta. Nampiseho ny fahamaivanan‘ny politikam-piarovana ao Ejypta ny fanafihana tamin'ny volana Aogositra. Namely ny firenena sahady ny fikomiana sy ny herisetra mihantsy ny filoha Morsi, ary nampisy mangarahara momba ny fanontaniana manindrona mikasika izay tena mifehy ny politikam-piarovana nasionaly ao amin'ny firenena ny loza tao amin'ny sisitany.

Ny Filoha miaraka amin'ny Ministry ny Raharaham-bahiny ve, sa ny sampam-pitsikilovana, sa ny miaramila… sa izy rehetra ireo? Taloha, ny fitsabahana mavitriky ny filoha amin'ny raharaha aman'andraikitry ny tafika (SCAF) sy ny sampam-pitsikilovana no fitsipika nahazatra.

 
From the series "Sinai's most wanted militants", by Mosa'ab Elshamy. Image used with permission.

Sombiny tamin'ny fanafihana “Ireo mpiady tadiavina fatratra ao Sinai”, avy amin'i Mosa'ab Elshamy. Nahazoan-dalana ny sary.

Ho setrin'izany fanafihana tao Sinai izany, nakaton'i Ejipta nandritra ny fotoana maharitra ny sisitany ao Rafah, fihetsika izay nomelohin'ny Hamas ao Gaza ho toy ny “sazy iombonana ho an'ny Palestiniana rehetra…” Niantso ny amin'ny tokony handinihana indray ny Fifaneken'i Camp David ny Minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha Amr Moussa, maro ireo mpanara-baovao no naneho ny fanohanany ny fitomboan'ny fifandraisana miaraka amin'ireo foko “Bédouines” sy ny fandefasana miaramila ao amin'ny faritra Sinaï ihany koa. Toa ara-drariny tokoa izany fiheverana izany, satria anisan'ny fifanekena Ara-pilaminana nataon'i Isiraely-Ejipta ny fandefasana tafika ao Sinai.

Mampanontany koa amin'izay andraikitra lehibe tazonin'i Etazonia amin'ny fampavitrihana ity faritra ity na dia somary takotakona aza, ny fametrahana miaramila indray ao Sinai.

Taminà andiana sioka [Ar], nanazava ilay mpanadihady Ejipsiana Ezzedine Fishere ny filàna ny politikam-pangaraharana amin'izay tena ijoroana tokoa manoloana an'i Isiraely sy manoloana an'i Palestina.

Manoloana ny toe-draharaha sarotra sy ny antony manjavozavo momba ny fanafihana tao Sinaï tamin'ny volana Aogositra, “mandeha daholo ny sahoan-dresaka fiahiahiana karazana teti-drasy” araka ny nambaran'ilay bilaogera Ejipsiana The Arabist, izay nanohy hoe:

… Mila mandray fepetra i Ejipta mba haneho ny tanjany ao amin'ny faritra: amin'ny alalan'ny tsy fandeferana manoloana ireo vondrona mpamono olona mitam-piadiana Bedouin na vahiny, ary amin'ny alalan'ny politikam-pampandrosoana mazava, famoronana asa sy fampidirana an'i Sinai ao anatin'ny toekarena nasionaly. Tsy mora izany, ary efa nandrasana ela, ka mila atomboka haingana dia haingana na dia mety hiteraka korontana hafa mandritra ny fotoana fohy aza ny fampiasan-kery izay anisan'ny ilaina amin'izany tetik'ady izany.

Manasongadina sary-fanadihadiana navoakan'i Mosa’ab Elshamy vao haingana, nanamarika ny bilaogy ‘This Ongoing War’:

Tsy mila lazaina intsony, fa amin'ny fanakekezany ara-jeografika an'i Isiraely, tsy olan'ny Ejypsiana ihany i Sinai. Izany no mahatonga azy tsy dia mahasarika firy ireo fampahalalam-baovao .

Ny famoretana ny fahalalaham-pitenenana izay voatsikera mafy no nanamarika ny voalohan'ny volana nandraisan'i Morsi ny fitantanana ny firenena, ary ny fandroahana ireo tompon'andraikitra ambony ara-miaramila izay mbola matanjaka ankehitriny, ka nahatonga ny filoha ho voasokajy ho “mpanao didy jadona vaovao”. Misy antony ara-politika amin'ny anaran'ny “fifandanjana eo amin'ny fiarovana sy ny fahalalahan'ny olo-tsotra” ve ny fahanginan'ny fampahalalam-baovao? Raha tsy notantarain'ireo fampahalalam-baovao mihitsy ny zava-nitranga tao Sinai ary mbola marefo ny firafitry ny fahefana ao Ejipta, sarotra ny manombana hoe hatraiza ny maha-tsy azo fehezina ity “Far West” (atsinanan'i Ejipta) ity.

Mpakasary Ejypsiana Mosa'ab Elshamy nanatontosa andian-tsary tao Sinai, tsy mampiseho ireo mpiady ao Sinai ihany, fa mampiseho ny harena fahagola ao amin'ny faritra ihany koa

ISN logoVatsian'ny International Security Network (ISN) ity lahatsoratra (teny anglisy) ity sy ny dikantsorany amin'ny teny frantsay, arabo ary espaniola ho fiaraha-miasa amoahana ny feon'olo-tsotra eo amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny filaminana ankapobeny. Tao amin’ny  bilaogy ISN  no navoaka voalohany ny lahatsoratra ary azona jerena eto ireo tantara hafa mifandraika amin’izany.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.