Ny Fahasarotan'ny Fitadiavana Fandriampahalemana Miaraka amin'ny M23 any RDC

M23 rebels on a truck in the streets of Goma

Mpioko M23 ambonina fiara eny an'araben'i Goma (29 Novambra 2012) VOA amin'ny alalan'ny Wikimedia Commons (Valam-bahoaka)

Ahiana hiitatra na dia eo aza ny ezaka iraisampirenena hampisy ny fiatoan'ady eo amin'ny mpioko M23 sy ny governemanta Kôngôley ny fifanandrinana misy ankehitriny any amin'ny faritra Kivu ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo (DRC). Sarotra ny manadihady ity kinovan'ny taona 2012 amin'ity fifandirana ity, indrindra moa fa hetsika mitam-piadiana mora miova, toerana [itobiana] sy politika, ny M23. Mifandimbindimby mitarika ny lehibe ao aminy, ary eo ambany ambaindain'ny hery vahiny mitsiriritra ny loharanon-karena ao amin'ny faritra ny hetsika.

Ny Fivoaran'ny Fiokoana M23

Iza marina moa ireo mpiokon'ny M23 ireo? Izany ny fanontaniana tian'ny Tetikasan'ny Umasala ao amin'ny Rift Valley Institute hovahàna ao amin'ny tatitra nataony “Hatramin'ny CNDP mandra-pahatongan'ny M23: ny fivoaran'ny hetsika mitam-piadiana ao Kôngô atsinanana” (PDF). Raha mora faritana ny sampana mitam-piadianan'ny mpioko dia sarotra azo kosa ny fitarihana politika eo aminy. Manazava ihany koa ny tatitra :

The M23 political leadership was made up mostly of former CNDP [National Congress for the Defence of the People] loyalists, with Jean-Marie Runiga Lugerero, the CNDP’s representative in Kinshasa, as political coordinator. However, there were also some new names, allegedly appointed after pressure by Rwanda (…) Between May and August 2012 the M23 also began to beef up its political wing. It named several new local chiefs, set up a tax collection network, and established a formal liaison office for humanitarians working in the area––structures reminiscent to those of the CNDP era. They also established two websites (www.soleildugraben.com and congodrcnews.com), a Facebook fan page and several Twitter accounts run by them or people close to them. On 20 October, in a move to further boost their legitimacy, they renamed their armed wing the Armée Révolutionaire du Congo (ARC, Congolese Revolutionary Army).

Ireo mpitarika ara-politika mandrafitra ny M23 dia saiky ireo mpanohana ny ex-CNDP [Congrès National pour la Défense du Peuple] avokoa izay ahitana an'i Jean-Marie Runiga Lugerero, solontenan'ny CNDP miorina any Kinshasa amin'ny maha-mpandrindra politika azy. Saingy misy ihany koa ny anarana vaovao notendrena noho ny faneren'i Rwanda (…) tanelanelan'ny volana mey sy aogositra 2012 , nanamafy ny elatra politikany ihany koa ny M23. Nanendry sefo vaovao isam-paritra ry zareo, nametraka tambajotram-panangonan-ketra ary nametraka biraom-pifandraisana ho an'ireo fikambanana mpanao fanampiana miasa any amin'ny faritra – rafitra nitovy tamin'ny napetraka nandritra ny andron'ny CNDP. Namolavola habaka aterineto roa ihany koa ry zareo (www.soleildugraben.com sy congodrcnews.com), nisy koa ny pejy Facebook ho an'ny mpankasitraka sy ny kaonty Twitter tantanin'izy ireo na ny havany. Ny 20 oktobra, mba hahazoana fankatoavana kokoa dia nanova ny anaran'ny sampana mpita-piadiana ao aminy ho Armée Révolutionnaire du Congo (ARC) ry zareo [Tafika Revolisioneran'i Kongo].

Raha mbola kitoatoa tamin'ny voalohany ny paikam-pifandraisan'ny mpioko M23 amin'ny vahoaka, nihatsara sy nihamandroso fatratra izany ka nanjary nahazoany ny fanohanan'ny vahoaka. Ao amin'ny Jeune Afrique i Trésor Kibungula no mandravaka ny fivoaran'ny M23 ao amin'ny Facebook [fr], tahaka ny mbola menamenatra kely tamin'ny voalohany tamin'ny volana jolay, mandra-pahatonga azy ho sehatra mampiady hevitra loatra ka nahatery ny Facebook hanakatona azy

Ny tafatafa nifanaovana tamin'i Bertrand Bisimwa avy ao amin'ny M23 hita ao amin'ny bilaogy Congo Siaisa no manampy hanazavana ny fiandohan'ny hetsika sy ny lazainy ho tanjona hotratrariny :

The M23 is made up of armed groups that signed the March 23 agreement. We started by asking for the implementation of that deal. The government fought us, saying we didn’t have the right to demand that [..] Today, in addition to the March 23 agreement we want good governance in the country and a legitimate government. You have to realize that not all ex-CNDP joined the M23. In fact, most didn’t. It was these others, those who didn’t join, who helped rig the elections in [Jospeh] Kabila’s favor in Masisi.

Ny M23 dia ny ivondronan'ireo vondro-tafika nanao ny soniam-pifaneken'ny 23 Marsa. Nanomboka tamin'ny fitakiana ny fampiharana io fifanarahana io izahay. Niady taminay ny governemanta sady nilaza fa tsy manan-jò hitaky izany izahay [..] Ankehitriny, ankoatra ny fifanarahan'ny 23 marsa, mitaky fitantanana tsara sy fitondrana ara-dalàna ihany koa izahay. Tokony ho azonareo fa niditra tao amin'ny M23 avokoa ny CNDP teo aloha rehetra. Ny marina, tsy nanao izany ny ankamaroany. Ireo hafa izay tsy niditra no nangala-bato ho an'i [Joseph] Kabila tany Masisi

Efa nifampitafatafa tamin'ny mpanao gazety ihany koa ny Jeneraly Sultani Makenga, mpitarika ara-miaramilan'ny M23 izay niresahany ny fiovaovan'ny mpitarika ny hetsika M23 [fr], izay nilazana ny satan'ny mpitarika ny CNDP teo aloha Laurent Nkunda sy ilay jeneraly voasambotra Bosco Ntaganda ao anatin'ny hetsika.

Ankilan'ny fitarihana mikorotandrotana, Melanie Gouby ao amin'ny gazety-boky Newsweek manazava fa tsy manana foto-kevitra politika voafaritra mazava ny hetsika ary sintonin'ny tombontsoa ara-politika sy toe-karen'ny firenena manodidina.

Mampandray anjara ny rehetra hitady ny fandriampahalemana

Ny firenena roa manana tombontsoa politika sy toekarena indrindra dia i Rwanda sy Ogandà. Araka ny Firenena Mikambana, efa hatry ny ela i Rwanda tafiditra amin'ny ady any Kivu, na dia eo aza ny fandavan'ny fitondran'ny Filoha Paul Kagame. Nefa kely dia kely ny fisalasalana amin'izany fanohanan'ny Rwanda araka ny fanazavan'ny tetikasa Usamala :

Rwandan support for M23 has now been well documented, in particular by the UN Group of Experts. Their conclusions have been confirmed by Human Rights Watch, by MONUSCO, and by at least three embassies in Kigali through internal investigations [..]

Betsaka ny tahirin-kevitra, indrindra ny avy amin'ny vondrona manampahaizana manokan'ny Firenena Mikambana, milaza ny fanohanan'ny rwandey ny M23. Nohamarinin'ny Human Rights Watch, ny MONUSCO, ary ny ambasady telo farafahakeliny amin'ny alalan'ny fanadihadiana avy ao anatiny ny fehin-kevitry ry zareo manampahaizana.

Momba ny anjara toeran'i Rwanda momba ity krizy ity, tsy azon'ny mpanara-baovao maro ny politikan'i Etazonia manamaivana ny sazy ampiharina amin'ny fitondrana Kagame.

Ahiahiana ho nampitao tamin'ny fahafihan'ny M23 farany teo ihany koa ny governemanta Ogandey. Ao amin'ity video manaraka ity, mangataka fanazavana momba ny fifandraisana amin'ny M23 amin'ny filoha ny depiote ogandey :

Mbola tsy mazava tsara ny toe-draharaha noho ny fisian'ny mpandray anjara maro amin'ity krizy ity. Niala tanteraka an'i Goma ve ny M23? Misy ny sasantsasany amin'ny M23 tahaka ny mino tanteraka fa hiverina ao an-tanàna tsy ho ela ry zareo. Tsy dia manantena loatra amin'izay fifanaraham-pifanarahana momba fandriampahalemana ny mpanara-maso.

Gérard Prunier, Frantsay mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo sy mpanoratra, mandresy lahatra fa “zary milalao miandry fotoana fotsiny mandra-pivoaka mazava ny toe-draharaha” i Kôngô sy Rwanda. Mino izy fa mety hisy ny fiitaran'ny krizy :

If tomorrow you could have the secession of Katanga (ed’s note: a Congo region rich in minerals) back on the books, I wouldn’t be surprised

Tsy gaga aho rahampitso raha mety ho voasoratra anaty boky indray ny fisintahan'i Katanga (naotin'ny fanoratana: faritr'i Kongo manankarena harena an-kibon'ny tany)

Mandritra izany fotoana izany, ny mponina ao an-toerana no mizaka voalohany indrindra ny vokatr'ity ady tsy mana-pahataperana ity. Nitatitra ny Programme Alimentaire Mondial na ny World Food Programme fa rfarafahakeliny 80000 ny isan'ny olona nafindra toerana any amin'ny faritra :

http://youtu.be/mt2CMh0Gkww

ISN logoVatsian'ny International Security Network (ISN) ity lahatsoratra (teny anglisy) ity sy ny dikantsorany amin'ny teny frantsay, arabo ary espaniola ho fiaraha-miasa amoahana ny feon'olo-tsotra eo amin'ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny filaminana ankapobeny. Tao amin’ny bilaogy ISN,no navoaka voalohany ny lahatsoratra ary azona jerena eto ireo tantara hafa mifandraika amin’izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.