Hamehana Noho Ny Ranomandry Ao Okraina Andrefana

Ny Alahady 16 Desambra, anjatony ireo fiara no voageja teny an-dalamben'i Okraina Andrefana noho ny tafiotran-dranomandry mavesatra nisy. Araka ny nambaran'ireo mpampita vaovao mahazatra isan-karazany sy ny tatitr'ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, enjana be ny zava-nisy, satria marobe tamin'ireo tavela tany anatin'ny fiarany no nanomboka lany vatsy, rano sy solika, nefa ny toetrandro tsy nihatsara mihitsy.

Boris Pelekh, izay tavela niharitra hatsiaka ora maro tanaty fiarabe fitaterana tsy lavitra an'i Lviv ny fianakaviany, dia nandefa filazàna tselatra mikasika ny toe-draharaha tao amin'ny Facebook. To anatin'ny fanavaozam-baovaony voalohany sy faharoa [ru], nakariny ny marainan'ny Alahady, nanentana ireo mpamaky azy izy mba hizara vaovao mikasika ny hamehana – ary maherin'ny 3.000 ire mpampiasa Facebook no nanao izany. Ity sary mikasika ranomandry mivangongo be eny an'arabe ity [ru], nalefan'ny reniny ho an'i Pelekh, dia nifampizaràn'ireo olona 1.150 mpampiasa FB :

[…] Niantso i Mama, misy ronomandry mivangongo be manapaka ny arabe izay avo be noho izy… ao anatinà fiara iray izay mbola tazana…misy ray aman-dreny tafaraka amin'ireo zanany… nitsahatra tsy nihodina intsony ny milin'ny fiara!!!!!! Voabahan'ny ranomandry daholo ny varavarana!!!! Tsy vitan'izy ireo intsony ny mamoha ny varavarana avy any anatiny!!!!!!!!!!!!!!! Tratr'izany trangan-javatra izany ihany koa ireo fiara hafa!!!!! Azo lazaina hoe izay na dia tsy ny rehetra aza….
O ry zareo a, mba zarao ity azafady…. Angamba mba misy olona afaka manao zavatra ihany!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
[…]
MATY NY OLONA !!!!!!!!!!!!!!!!!!!!

[…]

Ora folo teo ho eo taorian'ny fanomezam-baovao voalohany, Pelekh nanoratra fa [ru] tafavoaka tamin'ilay ranomandry ihany nony farany ilay fiarabe fitaterana sy ireo fiara akaikiny, ary efa an-dàlana hamonjy ny tanàna akaiky indrindra ireo fianakaviany. Ny renin'i Pelekh nilaza taminy [ru] hoe nalain'ireo mponina tao an-tanàna hiala ny fiara ny ankizy ary nentin'izy ireo hahazo hafanàna, raha niandry tety afara kosa ireo olon-dehibe; niafara tamin'ny faharariana noho ny hatsiaka nahazo ny sasany ary dia nisy nentina tany amin'ny hiopitaly.

Araka ny fanavaozam-baovao akaiky indrindra (ohatra, eto sy eto [uk, ru]) nakarina tao amin'ny hetsika  fàhana Facebook SOS!!! [uk, ru], izay napetraky ny  “Common Cause” Civic Movement [uk, ru], dia sahala amin'ny efa voafehy ny toe-draharaha amin'ny sasantsasany amin'ireo ampahan-dàlana voabahana ary efa avotra ireo olona voageja tany anatin'ny fiarany tany. Oleg Prots, mpampiasa Facebook, izay mahafantatrany iray amin'ireo mpirotsaka an-tsitrapo manao asa famonjena izay miasa indrindra amin'izao fotoana any aminà faritra iray tra-boina, dia mangataka an'ireo mpisera ety anaty aterineto [uk] mba tsy hanely saritaka:

[…] Raha mahafantatra olona voafaritra manokana ary mila fanampiana ianareo any aminà toerana iray voafaritra manokana – manoràta mikasika izany. Satria, leity e, feno kiaka mikasika ireo “fiara voagejan'ny ranomandry, lany solika, olona ngolin'ny hatsiaka” ny antsasaky ny Facebook,” saingy aotra ny vaovao manokana mikasika ny toerana tokony haleha sy ny hoe aiza no mila fanampiana.

Ao amin'ny fantsony ofisialy YouTube, ny Ministera misahana ny Hamehana dia nampakatra ity lahatsary ity avy amin'ny lalambe migodàna ao Kyiv-Chop, nanamarihany fa mpiasa 200 mpanao vonjy taitra sy fiara 40 no nampiasaina tamin'ny asa famonjena :

Yulia Borysko sy Roman Vybranovskyy nampakatra ity saripika ity misy fitohananà fiara mahatratra 7 km nateraky ny ranomandry avy ao Ternopil. Borysko nanoratra hoe :

Ny zava-dehibe amin'ny fotoana toy ireny dia ny firahalahian'ny samy olombelona sy ny fifanampiana .

Anaty fanehoan-kevitra iray, i Oksana Forostyna nanontany [uk] fanontaiana iray somary mivandravandra be ihany mikasika ny tsy fahombiazan'ireo manampahefana amin'ny fisorohana ny hamehana :

[…] Tsy takatro hoe ahoana, amin'izao androntsika izao, no tsy nahafahana nampiomana ny olona amin'ny tsy hamiliana fiara [aminà halaviran-dàlana lavitra] aminà toetrandro toy izao? Indrindra indrindra fa ho an'ireo mpamily fiarabe fitateram-bahoaka.

Mahatsikaiky, ny lahatsoratra farany nakariny tao amin'ny pejy Facebook-n'ny PM Mykola Azarov dia rohy iray mitondra mnkany aminà lahatsoratra iray [ru] manome fanantenana izay navoakany tao amin'ny tranonkalany tamin'ny Zoma 14 Desambra , ary nitondra ny lohateny ho “Vonona hiatrika ny Ririnina i Okraina”. :

Dika mitovin'ny pejy Facebook-n'ny PM Mykola Azarov, miaraka amin'ny rohy mankany amin'ny lahatsorany nitondra ny lohateny ho “Vonona hiatrika ny Ririnina i Okraina” – ary iray amin'ny fanehoankevitry ny mpampiasa FB : “Tena vonona marina tokoa hiatrika ririnina ve??? Miangavy mba ataovy izay zavatra rehetra azo atao hanavotana ireo olona voagejan'ny ranomandry!!!!”

Oleksandr Tsypnyak dia namela ity hafatra ity [uk] ho an'ny praiminisitra:

Niteny ianao ny amin'ny tokony hilanjàn'ny olona angady sy hanombohana ny asa. Amin'izao fotoana ny tsirairay no miteny aminao mba ho ianao mihitsy no hilanja angady  sy handeha hanaisotra ny ranomandry.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.