Singapore: Fametraham-Pialàn'ny Filohan'ny Parlemanta Noho Ny Resa-Betaveta

Michael Palmer, Filoha teo aloha tao amin'ny Parlemanta

Nametra-pialàna ny Alarobia teo ny solombavambahoaka mpikambana tao amin'ny Parlemanta, hany tokana avy amin'ny Punggol East SMC  sady Filohan'ny Parlemanta, Michael Palmer, rehefa avy niaiky ny fanànany raharaha maizina ivelan'ny tokantranony, niarahany taminà talen'ny Fikambanam-Bahoaka, mpikarakara seho an-tsehatra malaza, avy amin'ny fari-piadidian'ny Pasir Ris-Punggol, GRC (Group Representative Constituency)

Vara-datsaka ho an'i Singapore ilay fametraham-pialàna, nahatonga ny tontolon'ny fitorahana bilaogy hafanafanan'ny sahoan-dresaka samihafa.

“Alex Au” manontany ny dikan'ilay fametraham-pialàn'i Palmer :

Eny e, fantatro fa niaiky ho nanana raharaha taminà manampahefana iray avy amin'ny Fikambanam-Bahoaka izy, izay mifandray amin'ny fomba tsy mivantana amin'ny fari-piadidiany, saingy raha ny fanànana raharaha ivelan'ny tokantrano fotsiny no hanilihana olona iray amin'ny birao politika, dia heveriko fa midim-pidinana malama isika. Tsy voatery ho olo-masina ireo mpanao politika. Raha toa ny fepetra fahazoana mitàna birao ka ampidinintsika amin'ny resaka fenitra ara-maoraly toy izany, dia ny talenta/fahaiza-manao mihitsy no atositsika vohon-tànana.

Ampy tsara ireo antony tokony hametrahan'ny mpanao politika ny fialàny, ohatra, ny fiainam-pitiavana izay miteraka fifanoheran-tombontsoa, ny fanararaotam-pahefàna na fivadiham-pitokisana. Tonga tamin'ny iray amin'ireo teo-javatra ireo ve ny raharahan'i Palmer? Ny olana hatreto dia isika tsy misy mahafantatra .

Ny fametraham-pialàn'i Palmer koa dia mametraka ny Punggol East SMC tsy hanana intsony solontena ao amin'ny Parlemanta. Kanefa, ny fahefana hiantso fifidianana fanoloan-toerana dia miankina amin'ny Praiminisitra Lee Hsien Loong, izay tsy mazava ny valinteniny tamin'ny fanambaràna an-gazety nataony.

Mampiahatsiahy olana iray tany ampiandohan'ny taona ity ampahan-tantara ity, fony Yaw Shin Leong, mpikambana avy amin'ny Antokon'ny Mpiasa nahilika tsy ho ao amin'ny antokony intsony tao anatin'ireo sahoan-dresaka mikasika raharaha fanitsakitsahana tokantrano. Nisalasala ihany koa ny praiminisitra tamin'ny hiantsoana fifidianana fanoloan-toerana, na dia nisy ihany aza iray natao tamin'ny volana Mey nony farany.

Ao amin'ny matoan-dahatsorany, “The Online Citizen” dia manakiana ny praiminisitra noho ny tsy fampanantenany fifidianana fanoloan-toerana:

Kanefa, tsy tonga saina tanteraka na misafidy ny tsy hiraharaha, ny PAP izany nody fanina tamin'ireo fanontaniana fototra izay hita ho sarotra ho an'ny firaketan'ny andrim-panjakany ny hanadino azy: Rahoviana no hisy fiantsoana fifidianana fanoloan-toerana iray? Ho solon'izay, naleon'i Teo niala ilany tamin'ilay fanontaniana, namela azy io ho anjara fanapahan-kevitry ny PM na hisy na tsia ny fiantsoana fifidianana fanoloan-toerana. Notohanan'ny PM bebe kokoa ny toerana noraisiny.

Taoriana avy hatrany tamin'ny fifidianana fanoloan-toerana ny Hougang SMC, tokony ho efa naminavina ny PAP fa ho izany no fanontaniana any an-tsain'ny tsirairay any. Tokony ho efa tonga teny ambony latabatra io, nomanina niaraka amin'ny eny na tsia mazava tsara. Ny fialàna bàla amin'io dia tsy manome rariny sy toy ny ompa atao amin'ny faharanitan-tsain'ny mponina.

Ng E- Jay dia midera an'i Low Thia Khiang – Sekretera Jeneralin'ny Antokon'ny Mpiasa WP– sy ny fanehoan-keviny tamin'ny fametraham-pialàn'i Palmer :

Ny fanenjehana tsy mitsahatra ny WP ifandrimbonan'ny PAP sy ny media eo ambany fifehezan'ny fanjakàna nandritra ny raharaha Yaw Shin Leong dia fampitahàna mazava ny fomba fijery noraisin'Ing Low Thia Khiang tamin'ny raharaha Palmer tsy ela teo.

Tsy nanararaotra ny fotoana Ing Low hampietrena ny PAP na niditra taminà resaka fanaratsiana, saingy nanasongadina ny fandraisan'anjaran'i Palmer tao amin'ny Parlemanta tamin'ny maha-filoha, sady naneho alahelo tamin'ny nitrangan'ny zavatra toy izao. Tena tsy mba nanisy tombo sy hala tamin'ny olan'ireo antoko rehetra Ing Low ary tsy nikatsaka ny haka mora foana tombony ara-politika avy amin'ny olana manokan'ny olona iray hafa.

Izany no — sy tokony ho — politika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.