Hatrany Ivelany Ny Fanoherana Ny Ampihimamban'ny Media ao Taiwan

Rehefa nahazo ny 60%n'ny petrabolan'ny fantsom-pahitalavitra andoavam-bola faharoa lehibe indrindra ao amin'ny firenena tamin'ny volana jolay teo ilay orinasa fanaovan-gazety ao Taiwan Want Want China Times Group, dia mbola niitatra izany izy tamin'ny volana Novambra teo, raha nahazo ny 32%n'ny petrabolan'ny gazety be mpividy indrindra Apple Daily [zh], izay an'ny orinasa miorina ao Hong Kong antsoina hoe Next Media Ltd.

Miharihary fa mikendry ny hanitatra ny ambaindainy ao Taiwan ny filoha mpitantana ny fahilavitra manohana an'i Shina Want Want China Times Group, antsoina hoe Tsai Eng-Meng, ary mampiahiahy ny mponina Taiwaney izay sahiran-tsaina amin'ny fitsabahan'ny governemanta Shinoa amin'ny politika ao Taiwan ny fanaovany ampihimamba ny fampahalalam-baovao.

Na dia teo aza ny hetsika goavana nataon'ireo mpianatra marobe amin'ny fanoherana ny fanaovana ampihimamba ny fampahalalam-baovao taorian'ny fividianana natao farany indrindra tany Taiwan, tsy noraharahian'ny governemanta ny ahiahy sy ny fitakian'izy ireo. Ankehitriny, nikarakara hetsika antserasera ihany koa ireo Taiwaney ampitan-dranomasina manerana izao tontolo izao.

Yu-Hsi Liu, mpahay lalàna, nanazava ny antony mahatonga azy hanohana ny hetsika. Nahazoan-dalana.

Yu-Hsi Liu, mpahay toekarena, nanazava ny antony mahatonga azy manohana ity hetsika ity:

Fantatro fa tsy manohana ny lalàna manohitra ny ampihimamba ny tia fahafahana baranahina. Saingy ao Taiwan, miatrika zavamisy hafa ny lalàna fanoherana ny ampihimamba: miatrika hery avy any ivelany izay mandrahona ny fahalalahan'ny varotra sy ny fahalalahana eto amintsika isika. Tsy avy amin'ny fombam-barotra mahazatra ny herin'ny ampihimambany; fa avy amin'ny fitadiavam-bolan'i [antokon'ny fitondrana] KMT sy ny CCP [Antoko Kaomonista ao Shina]. Izany no antony mahatonga anay manohitra ny fanaovana ampihimamba eo amin'ny tsenan'ny fampitam-baovao.

Nanazava ihany koa ny Vondrona mpianatra Taiwaney ao Ejypta [zh] fa mety hanimba ny fijerin'ny mpanara-baovao ny fanaovana ampihimamba ny fampahalalam-baovao:

兩周前加薩砲火再起,西方主流媒體大多單方面的報導以色列政府所發出的聲明,而輕描淡寫報導以色列軍隊造成慘烈的平民死傷……各大西方媒體的不平衡報導是背後有無數政治和資金操作導致。……再反觀台灣,當我們的媒體被中國資金控制,為財團利益屈服,我們該如何能看見真相?

Mpanao fihetsiketsehana milanja teny filamatra tao amin'ny kianjan'i Beijing Tiananmen. Sary avy amin'ny pejy Facehook “What's Next” (Inona ny manaraka), .

Roa herinandro lasa izay, raha nanomboka indray ny ady tao Gaza, ny fanambarana navoakan'ny governemanta Isiraelianina ihany no mba notaterin'ny ankamaroan'ny fampahalalam-baovao mahazatra tao amin'ny firenena Tandrefana ary zara raha nitantara momba ny voka-dratsy goavana vitan'ny mpitandro ny filaminana nalefa avy any Isiraely ry zareo[…] Noho ny herin'ny fikambanana politika maro sy ny vola no mahatonga ny tati-baovao ho mitongilana tahaka izany any amin'ny firenena Tandrefana[…] Raha mijery an'i Taiwan isika, raha fehezin'i Shina ny fampiasam-bolan'ny fampahalalam-baovaontsika ary vondrondra [iray] no mifehy ny fampahalalam-baovao, ahoana no ahitantsika ny marina?

Mba hanoherana ny ambaindain'ny governemanta Shinoa, nanao fihetsiketsehana tao amin'ny kianjan'i Tiananmen ny Taiwaney iray, kianja maneho an-tsariohatra ny lolom-pon'ny vahoaka sy ny famoretana ara-politika tao Shina.

Mpanao fihetsiketsehana avy ao Alemana. Sary avy amin'ny pejy Facebook “What's next”,  tsy resa-barotra ny fampiasana ny sary.

Fanamarihana avy amina mpanao fihetsiketsehana antserasera [zh] izay nalefa avy any Alemaina no afaka mamintina ny eritreritr'ireo mpanao fihetsiketsehana manerantany:

趁我現在還能夠說話,言論發表不會被莫名其妙撤掉,趁你現在抓不到我,趁你現在封不住我的嘴,我要大聲說:「不管你是錢賺得不夠多,還是手上握有更多更黑暗的政治利益,長遠來看,這麼做就是出賣了國家的安全,我不願意被你們控制,我不想當個愚民,我只是一個大學生,但我堅持抗議到底。」

Raha mbola manam-potoana hanehoana hevitra aho, raha mbola tsy nesorina tsy amin'ny antony ny lahatsoratro, raha mbola tsy afaka misambotra ahy ianao, raha mbola tsy afa-manakana ahy tsy hiloa-bava ianao, tiako hodradradradraina mafy izao, ‘satria [ataonao izany] satria tsy dia nahazo vola ampy ianao na manana politika maloto ambadika ianao, rehefa ela ny ela, amidinao ny fiarovam-pirenena. Tsy tiako ny hofehezinao, ary tsy te ho olona tsy misy saina aho. Mbola mpianatra aho, saingy hanohy hanao fihetsiketsehana aho mandra-piovanao.’

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.