Jackie Chan: “Lasa Tanànan'ny Fanoherana i Hong Kong”

Niteraka hatezerana tao Hong Kong ilay mpilalao sarimihetsika sy kintan'ny haiady Kung Fu , Jackie Chan, taorian'ny nivoahan'ny tafatafany tamin'ny  Southern Weekly tamin'ny 11 Des 2012. nandritra ilay tafatafa, ity kintan'ny sarimihetsika teraka tao Hong Kong ity dia niteny hoe :

Lasa tanànan'ny fanoherana i Hong Kong, mibedibedy an'i Shina sy ireo mpitarika azy isika, mibedibedy mikasika izao zavatra rehetra izao isika ary te-hanohitra amin'izao zavatra rehetra izao. Ireo manampahefana dia tokony hamoaka hoe karazan'olana toy inona no azon'ny olona toherina ary ny toy inona no tsy ahazoana alàlana.

Kanefa, tsy vao izao no voalohany nanaovan'i Chan fanambaràna tahaka izany. Tamin'ny 2009, nanao fanamarihana tao amin'ny Boao Forum izy: “Tena tsy haiko na tsara na tsia ny manana fahalalahana. Raha be loatra ny fahalalahana, mety ho ambony ambany tanteraka. Mety hiafara toy ny ao Taiwan. Mila araha-maso ny vahoaka Shinoa, raha tsy izany dia izay tiany hatao no ataon-dry zareo.”

Dikasary avy amin'ny iray tamin'ireo fisehoana tamin'ny fahitalavitra natrehan'i Jackie Chan.

Taorian ‘ny fanehoankevitra nahabe resaka avy amin'i Chan, nanakiana azy ireo mpisera anaty aterineto ao Hong Kong, ny sasany aza nanainga mihitsy ny governemantan'i Hong Kong hametra ny fahalalahan'i Chan maneho hevitra imasom-bahoaka.

Leung Man-tao, mpanao kiana avy ao Hong Kong niteny tamin'ny South China Morning Post:

Tsy niasa saina kely akory hahatakatra ny antony nifidianan'ny olona eto Hong Kong ny hidina an-dalambe i Chan. Mirona fotsiny izy mankany amin'ny fiheverana fa mety avokoa na inona na inona ataon'ny governemanta.

Audrey Eu Yuet-mee, filohan'ny “Civic Party”  ihany koa dia nanamarika hoe :

Heveriko fa henatra ho an'ny indostrian'ny sarimihetsika izao, satria zava-dehibe sy fitsipika fototra ho an'ny fandraharahany ny fahalalahana maneho hevitra, sahala amin'ny tsy fahafahan'ny governemanta mametraka lalàna momba izay azo amokarana na tsia ireo sarimihetsika, tokony hahatsapa izy fa tokony tsy hisy teritery mikasika ny hoe izao hetsi-panoherana izao, na zaroa, no azo atao na tsy azo atao, rehefa mifanaraka amin'ny lalàna izy ireny.

Ilay mpikatroka mafàna fo Wang Haoxian niteny hoe :

 Fahafaham-baraka! Tsinontsinoavin'i Chan ny zon'olombelona sy ny fahalalahana mivory.

 

Ao amin'ny Weibo, ny Twitter ao China, ny ankamaroan'ireo mpisera anaty aterineto dia mihevitra an'i Chan ho “nanoroka vodin'omby”, mivazivazy hoe manana vintana ny ho tafiditra ao amin'ny Antoko Kaomionista ao Shina izy. Nasehon'izy ireo ny faniriany fahalalahana sy demaokrasia ho an'i Hong Kong izay heverin'i Chan izy samirery ho toy ny fanomezana:

黎子Cindy:HK之行,法轮功组织宣传无处不在,有人发放传单,控诉某前国家领导人对其诬陷与迫害,没有谁去阻止他们,即使有反对也是在一旁同样拉横幅让其滚出香港。若在内地,肯定都被灭了。人权与自由离我们还是太遥远了。

黎子Cindy:Nandritra ny fitsidihako tao HK, dia teny rehetra teny ny dokambarotry ny Falun Gong; ny olona sasany mizara trakitra miampanga mpitarika iray teo aloha momba ireo fanenjehany noforomporonina, tsy nisy olona nanakana azy ireny. Na dia tsy nisy nanohitra aza, dia tokony mba navoaka ny sorabaventy ary notakiana ry zareo handao an'i Hong Kong. Raha tany amin'ny tanibe [Shina] ry zareo, mety efa potika. Mbola lavitra be antsika foana ny zon'olombelona sy ny fahalalahana.

Keith何:在民主法治的社会,为什么就不能骂领导人? 做得不好便要骂,这是人权和自由,成龙这种人当然不会懂了!谁有本事谁来管?可以吗?难道成龙不知道我们的领导人是怎样出来的吗?人民是没有选择的,有选择的话,中国便不是现在的中国了!

Keith何:Nahoana isika no tsy ho afaka hanakiana ireo mpitondra antsika tahaka ny ataon'ireo any amin'ny fiarahamonina demaokratika?  Rehefa tsy manao asa tsara ry zareo, dia hanakiana azy isika. Zon'olombelona sy fahalalahana io, mety tsy hahatakatra izany ny olona sasany tahaka an'i Jackie Chan! Nambarany fa na iza na iza afaka manao izany dia afaka mitantana fa tsy hibedibedy fotsiny ny governemanta. Tsy fantatr'i Jackie Chan ve ny fomba nifidianana ireo mpitondra antsika? Tsy mahavita misafidy ny olona, raha nanao izany ry zareo, tsy ho amin'izao toerana misy azy ankehitriny izao i Shina!

 流氓也有爱情梦:内地应该学学了!内地什么都不敢骂什么都不敢游行。

流氓也有爱情梦:Tokony hianatra avy amin'i Hong Kong ireo mponina any amin'ny tanibe . Eto ny olona tsy misy sahy mibedibedy sy manao hetsi-panoherana.

大彬仔失业状态:香港是自由言论之地,你是行使了这个言论自由的权利,但你不能指责别人的言论自由.真是饱汉不知饿汉饥。

大彬仔失业状态:Manana fahalalahana maneho hevitra i HongKong, ianao [Chan] dia misitraka io zo io na dia manakiana azy aza, mitovy aminà bandy iray be sakafo/manana ny ampy ianao, izay tsy mahalala ny atao hoe hanoanan'ny hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.