Mandrehitra Ny Resaka Momba Ny Fanavakavahana Ny Raharaha “Kuku” Any Portiogaly

Ny 5 Desambra 2012, ny Fitsaràna Ady Heloka ao Lisbonne dia nanafaka polisy iray avy amin'ny Polícia de Segurança Pública (PSP) voampangan'ny Fampanoavana ho namono olona noho ny an-tandrevaka, ka nahafaty zazalahy kely iray 14 taona tao an-tanànan'i Santa Filomena ao Amadora, tamin'ny 2009. Nandrehitra ny resaka fanavakavahana sy ireo vondrom-piarahamonina atao an-jorom-bala  any Portiogaly ny fanambaràna ilay fanapahana, indrindra fa tany amin'ireo tanàna any ambanivohitr'i Lisbonne, ary niteraka fitosatosahan-kafatra maro teny anaty tambajotra sosialy miampanga ny rafi-pitsarana portioge.

Tamin'ny Janoary 2009, tany amin'ny manodidina an'i Amadora, olon'ny PSP telo nanao fanamian'olon-tsotra nanatanteraka anjara fisafoana niaraka taminà fiara toy ny an'ny rehetra ihany no nanàkana fiara iray nisy olona dimy noahiahiany ho nangalatra, ka Elson Sanches zaza tsy ampy taona ny iray. Izy io, izay zanaka mpifindra monina avy any Cap-Vert dia fantatra indrindra koa amin'ny anarana hoe  Kuku. Taorian'ny fifanenjehana, dia maty voatifitra i Kuku. Tsy nisy olona nahita afa-tsy ilay polisy nitifitra izay nilaza fa nanao izany ho fiarovan-tenany.

Andro vitsy taorian'izay, nisy hetsika nokarakaraina tao Amadora hanoherana ny fanavakavahana sy ny herisetran'ny polisy . Ny fikambanana  Passa Palavra [pt] dia mitantara ny zava-nisy sy mizara lahatsary  iray izay ahitàna ilay mpiangaly rap, Chullage [pt], mamaky hafatra ho an'ny fitsaràna :

Nokarakaraina sy narindra ny fampielezan-kevitra mba ho ny olona rehetra sy ny media rehetra no hiresaka momba ity zazalahy ity : jiolahimboto iny. Ary satria olona mpandika lalàna, dia nopetahan'ny polisy tamin'ny bala. Saingy eto Portiogaly, misy ny fitsaràna, tsy maintsy ampandalovina fitsarana aloha ny mpanao heloka (…). Tamin'ny raharaha Kuku, dia ny fanamelohana ho faty, notanterahan'ny polisy.

Ny fikambanana Plataforma Gueto [pt] izay nanaraka akaiky ity raharaha ity, dia efa nanamafy sahady tamin'ny Novambra lasa teo fa “an-dalan'ny hahalasa azy ho tranga iray fanampiny amin'ny maha-tsimatimanota ireo famonoana noho ny fanavakavahana fanaon'ny polisy”  ilay didim-pitsarana. Nikarakara lanonambe iray niarahana tamin'ny “HIP HOP Pela Justiça” [pt] ilay fikambanana mba hanangonana vola sy hiatrehana ny fandaniana amin'ny fitsaràna, sady manomana lahatsary fanadihadiana iray mitondra ny lohateny hoe “Violência Policial e Racismo: O Caso do Kuku” [“herisetran'ny polisy sy fanavakavahana: ny raharaha Kuku”][pt] mba “hitenenana ny tranga nahazo an'i Kuku sy ny zava-misy momba ny herisetram-panavakavahana miseho eny an-dalambe, any amin'ireo biraon'ny polisy sy any anaty fonja portioge” :

Tao anatin'ilay fanapahany, navoaka tamin'ny 5 Desambra, noheverin'ilay ramatoa mpitsara fa ny zava-nisy tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza dia azo inoana fa loza nitatao ho an'ny ain'ilay polisy, nanosika azy hanao toy izany, araka ny fanazavàna antsipirihany kokoa ao anatin'ny gazety Público. [pt].

SOS Racisme no isan'ny fikambanana nihetsika voalohany indrindra, nandray [pt] “ny fanafahana an'ilay polisy ho zava-mahamenatra” ary tamin'ny nanipihany fa ity fanapahana ity “dia mandoko ny fanavakavahana lalim-paka misy eo anatin'ny fiaraha-monina portioge”.

Stencil nas paredes da Amadora. Screenshot do documentário “Violência Policial e Racismo: O Caso do Kuku”.

“Pochoir” (fomba fanaovana sary ampiasàna taratasy na baoritra voadidy, tifirina loko mba ho lasa sary) eny amin'ny rindrina ao Amadora. Dikasary avy amin'ny lahatsary fanadihadiana ““Herisetran'ny polisy sy fanavakavahana: ny raharaha Kuku”

Buala koa dia namoaka hafatra iray [pt] fanoheran'ny  Chullage [pt] izay manipika hoe :

Raha ny fomba fijery ara-piaviana dia nihodina tsara tokoa [ny fitsaràna]. Manome rariny ny herisetram-panavakavahana, izay singa iray monja ao anatiny ny herisetra ataon'ny polisy, ary ireo fandroahana no singa hafa. Manome rariny ny fampiasan-kery mba hipetrahantsika tsara. Tsy misy tohiny.

“Ho an'ireo izay mino ny fitsarana, andro manjombona ny anio” hoy ny bilaogy  Crise Maria [pt] manipika ao anatin'izay nosoratany hoe “rehefa raisina ho anaty kajikajy ireo zavatra rehetra mety ho namoa-doza nanodidina ny fahafatesan'i Elson Sanches, dia mahazendana ny tsy nisian'ny fanamelohana na dia iray monja aza ” :

Raha toa ka mitsahatra tsy manao ny asany ny Fitsaràna, ny làlan-tsokina nitsorahantsika dia tsy hamela na inona na inona, afa-tsy ny fitroarana faobe.

Ao anatin'ilay lahatsoratra manontolo dia nohalalinina ireo tohankevitra isan-karazany nifaharan'ilay mpitsara mba hamotsorana ilay polisy, ohatra, ny hoe “tao anaty faritra saropady no nitranga ny tantara”:

Inona koa izany, faritra saropady hoe ? Faritra iray onenan'ireo mainty hoditra, ny fianakavian'ireo mpiasa araraotina sy tsy manana taratasy, miaraka amin'ny fifandraisana marefo eo amin'izy ireo ny mpampiasa an-dry zareo, ireo fianakaviana tsy mba manana fahafahana ara-bola handefa ny zanany hianatra eny amin'ny anjerimanontolo? Be fanakanan-dàlana na heloka bevava arahan-kerisetra ve any  Baixa ao afovoan-tananan'i Lisbonne na ao Quinta da Lage any Amadora ? Ary raha misy ny fandaharana atao miainga avy amin'ireo fitsaratsaram-poana mampiseho fa misy ny fahasamihafana, tsy azo heverina ho efa nahazo fanazarantena mifandraika amin'izany va re ny PSP, zareo rahateo tsy maintsy manao fisafoana isanandro amin'ireny faritra ireny? Dia efa mazava fa ialàn'ny fitsarana ireo tanora avy amin'ireny faritra ireny raha tonga ny fotoana tsy maintsy hiatrehany fitsarana, satria ve hoe any amin'ireny faritra ireny ry zareo no monina? Na raha sanatria mitranga izany, dia haingana kokoa no hidiran'izy ireny any amponja mitaha amin'ireo avy amin'ny faritra hafa.

Anaty lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny 5dias [pt] mitondra lohateny hoe Nenhum homem é estrangeiro [“Tsy misy olona vahiny izany”], Bruno Carvalho dia manoritsoritra ireo fitsidihana nataony tany amin'ireo faritra manodidina an'i Santa Filomena sy Cova da Moura, izay faritra onenan'ireo fianakaviana sy “zanak'ireo nanakalo an'i Afrika tamin'i Eoropa, mba hikatsaka fiainana tsaratsara kokoa”, sy izay fianarana azony tamin'ireny zavatra niainany ireny, indrindra “fa izay tsapan'ireo mainty hoditra rehefa hivoaka ny faritra ry zareo”.

Nisy fanehoankevitra samihafa tety anivon'ny aterineto izay manamafy ny sary raiki-tampisaka napetaka, raha tokony ho ny famonoana an'i Kuku no ho eo: tanàna iray be mponina any ambanivohitr'i  Grand Lisbonne. Mponina iray ao Amadora, Jakilson Pereira, nizara hafatra [pt] iray tao amin'ny Facebook :

Any amin'ireny faritra lazaina fa ambanivohitra ireny, onenan'ireo mainty, ny tziganes ary ireo fotsy reraka, misy Kuku foana mandritry ny andro ary Caxineiro [olon'ny polisy] hovotsotra foana.

Screenshot do documentário “Violência Policial e Racismo: O Caso do Kuku”.

Dikasary avy amin'ny lahatsary fanadihadiana ““Herisetran'ny polisy sy fanavakavahana: ny raharaha Kuku”. Ny renin'i Kuku eo anilan'ny saribe iray fanomezam-boninahitra an-janany.

Ilay gazetim-baovao, mpanao kiana, Mapa dia mitatitra fa  “ireo Tanàna ao Amadora dia labaoratoara fanaovana andrana azon'ny manampahefana ampiasaina amin'ny fotoana rehetra ho fanazarantena aminà teknika sy fomba fanao”. Ao anatin'ilay lahatsoratra dia misy zazalahy iray avy ao Amadora milaza hoe :

Noho ny fitsaratsaram-poana goavana misy, atao amin'ireo tanàna be olona, dia toa eken'ny ankamaroan'ny olona ireo hetsika mahery setra sy tsy voahevitra, miohatra amin'ny hoe raha tany amin'ireo tanàna misy ireo saranga salantsalany na ambony no nitrangàn'izy ireny. (…) Iainana isanandro izany, manomboka amin'ny zana-tohatra ambany, toy ny fisambontsamborana, ny fanagadràna, ny fandranitana, fa koa tonga hatrany amin'ny zana-tohatra ambony toy ny rodoben'ny polisy izay nitranga tamin'ny faran'ny volana Aogositra, nampiasàna fiara mifono vy mihitsy nandritra ny fifandonana, zavatra izay voarara any Portiogaly. Noho ny zava-misy ara-toekarena iainana amin'izao fotoana, toerana mety tsara hanaovana andrana amin'ny fampiasàna hery ireny tanàna be mponina ireny, ho toy ny fanazarantena amin'izay zavatra hitranga amin'ny hoavy.

Ny lahatsoratr'i Bruno Carvalho lazaina etsy ambony dia milaza fa “ireo izay miaina amin'ireny farira ireny dia efa nahafantatra sahady ny tanjona” hotratrarina amin'ireny fiara mifono vy novidian'ny fanjakana nandritra ny Vovonan'ny OTAN tamin'ny 2010 ireny – “tsy tonga ara-potoana nandritra ilay vovonana izy ireny mba hanitsahitsahana an'i Amadora”-, ary fintininy hoe :

Mazava fa misy ny mainty hoditra tsy tàn-dalàna tahaka ny fisian'ny fotsy hoditra tsy tàn-dalàna rahateo. Misy ny mpangalatra ary misy ny mpanao raharaha maizina. Tsy misy manana akanjo velon-drirana izy ireny ary tsy mahita ny trosany baben'ny firenena. Fa misy indrindra indrindra ireo tsy manan-tsiny. Ary raha toa tsy manala tsiny ireo izay nanatanteraka azy ny hagaigena, ny fahamelohana tsy manamarina mihitsy ny herisetra fanaon'ny polisy. Ho an'ny gazety, tsy misy olona tsy manan-tsiny izany any amin'ireny fartra ireny, ary ny ain'ireo mpandika lalàna, gagilahy na tsia, dia maivan-danja. Ny fanjakàna mibaiko, manondro kosa ny mpanao gazety , ary dia mitifitra ny polisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.