Ala Sarona Ataon'ireo Boliviana Mpikatroka Mafàna Fo Amin'ny Resaka Patanty Goavan'ny QR Code

Nifanome tànana ireo Boliviana mpikatroka mafàna fo mba hanokafana patanty iray goavana tsy manaraka ny lalàna momba ny fampiasàna ny Quick Response Codes, fantatra amin'ny hoe QR codes, ao amin'ny fireneny.

Tany ampiandohan'ity volana ity, i @hermany [es], Boliviana mpisera ety anaty aterineto, dia nisarika ny fahalinan'ny rehetra rehefa nangataka tamin'ny Twitter mikasika ny fampiasàna ilay resaka patanty “QR codes”  ao Bolivia:

@hermany: ¿Alguien la Paz me puede decir si Advice Marketing Ltda. patentó los QR y hay que pagarles a ellos por el uso? #Boliva #Tech #fraude?

@hermany: Misy olona ao La Paz ve afaka miteny amiko raha toa ny Advice Marketing Ltda. ka mampiasa patanty “QR codes” ary tsy maintsy mandoa vola amin'io orinasa io ny rehetra raha mampiasa azy ireny? #Boliva #Tech #fraude?

Photo by Lydia Shiningbrightly (CC BY 2.0)

Nesorin'ny tranonkalan'ilay orinasa tao amin'ny pejiny ny filazana ilay patanty, saigy efa nanao dika mitovin'ny fàfana kosa ilay mpikatroka mafana fo Daniel Cotillas (@danicotillas) [es] ary nizara izany[es]

Amin'ny fanjohiana miaraka aminà fanontaniana itambaram-be eo ambanin'ny tenifototra #QRBolivia, ilay bilaogera Mario Durán avy amin'ny El Alto dia nifandray tamin'ny  Intellectual Property National Service [es] / Sampan-draharaham-pirenena misahana ny fizakà-mànana iraisam-pirenena (SENAPI ho an-dry zareo Espaniôla) sy ny solotenan'ilay orinasa.

Mampakatra fanavaozam-baovao tsy tapaka mikasika ilay tranga i Mario ap amin'ny bilaoginy [es], amin'ny fanontaniana hoe, “Azo asiana patanty ve ny fampiasàna ny  “QR codes” aty Bolivia?”

Araka ny vaovao nangonin'i Mario, ny “Advice Marketing” dia nanambara tamin'ny fomba ofisialy [es, pdf] fa azon'ny sarambabem-bahoaka ampiasaina  ny “QR codes” fa ,mila fotsiny mba mampahafantatra azy ireo mialoha. Mandritra izany, ireo manampahefana avy amin'ny  SENAPI dia nanamafy fa [es] efa tany amin'ny Septambra 2012 lasa tany ilay orinasa no nangataka io patanty io; na izany aza, ny SENAPI tsy namoaka fanapahan-kevitra momba ilay olana (18 volana no fe-potoana omen'ny lalàna hamoahana fanapahan-kevitra). Vokatr'izay, mety tsy afaka ampiharina ny karazana patanty na fameperana tahaka izany.

Ilay Boliviana mpikatroka mafàna fo dia azo antoka fa hitazona hatrany ny fanarahany maso akaiky ilay raharaha arakaraky ny fivoaran'ilay tranga ato anatin'ny volana vitsy ho avy. Azonareo arahana ny fifanakalozan-dresak'izy ireo amin'ny alàlan'ny tenifototra #QRBolivia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.