Global Voices: Misy Dikany Ny Feo Tsirairay

Manome fahafahana, ho an'ny maro amintsika, mba hanasongadina izay olana  manan-danja amintsika sy hiaro ny zon'olombelona ho an'ny rehetra, ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona isan-taona. Tamin'ity taona ity dia notsindriana manokana ny zon'ny Olona – ny mahantra, ireo anjorom-bàla sy ireo vazimba teratany, ny vehivavy sy ny tanora ary ireo sokajy isan-karazany. Manan-jo hohenoina sy handray anjara ny tsirairay.

Ny hevitra hoe misy dikany ny feo tsirairay dia iray amin'ireo izay tena akaiky amin'ny hevitry ny  Global Voices amin'ny maha-vovonana sy fikambanana azy. Raha nivondrona ny mpiserasera amin'ny aterineto hanao izay handrenesana ny feony amin'ny fotoana izay iadian'ireo manam-pahefana eto amin'izao tontolo izao hevitra ny amin'izay hitantana ny aterineto, nanapa-kevitra izahay ny hangataka amin'iro vondrom-piarahamonina samihafa misy anay mba handray anjara sy hiteny ny olana  mafonja amin-dry zareo sy hanao jery todika ireo olana notaterintsika nandritra ny taona amin'ny fiheverana fa misy dikany ny feo tsirairay.

Global Voices community members make their #VoiceCount

Ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices manao ny anjarany amin'ny  #VoiceCount. Sary natambatambatry ny mpanoratra.

Miaraka amin'i Syria sy Gaza nitsoraka tao anaty filazam-baovao tamin'ny fisintonana an-keriny ny fifandraisana amin'ny aterineto, mbola mijanona ho olana tena mafonja ny zo ho afa-miditra. Ny tatitray manokana misy an'i Syria, nitahirizana ireo fanehoan-kevitra tety anaty aterineto tamin'ny fahatapahan'ny fifandraisana amin'ny aterineto tao Syria sy ny fipongarana indray ho ampahan'i Syria tafaverina amin'ny fifandraisana, ireo hetsi-panoherana tany Bahrain sy Yemen tanaty fahatapahan'ny fifandraisana, ny feon'ny fifandirana avy any Kaokazy sy ny fitroarana tany Sodàna, ny fandrakofana lalim-paka ny hetsika fanoherana tany Rosia, ny fijoroana  vavolombelona tamin'ny fifidianana filoham-pirenena manan-tantara tany Ejypta sy ny vokany ary ny fifidianana mavitrika tany Venezoela, fitadiavana ny feon'ireo vazimba teratany manome ny 370 lavitrisa amin'ireo olona izay miteny amin'ny fiteny 4000 mahery, ny fanasongadinana ireo tenin'ny Rohnigya notsinontsinoavina tany Myanmar, ny fanaraha-maso ny hetsika #occupy movements nanerana izao tontolo izao sy ny SlutWalks hetsi-panoherana vaovao miady ho an'ny zon'ny vehivavy ary ny zava-dehibe indrindra manara-maso sy miaro ny fahalalahan'ny aterineto, ny fahalalahana maneho hevitra ary ny fahalalahan'ny fidirana aterineto miaraka amin'ny Global Voices Advocacy izay mivoatra ho vondrom-piarahamonina iray vonona mba hijoro.

Fa mbola misy tantara hafa izay ilàna ny fifantohan-tsain'izao tontolo izao satria ijoroanay fa marina ny fiheverana izay ampahatsiahivina amin'izao fotoana izao ; misy dikany ny feo tsirairay. Ny fanagadràna mandra-pahafaty  poeta iray any Qatar izay nankalaza ny lohataona Arabo, ny famoretana ny Rosiana noho ny famadihana ho andalan-tononkalo amin'ny aterineto ireo tsy mety, fanakanana sy fanasaziana ny vehivavy tsy hampiasa finday any amin'ny tanàna kely any India, ny fepetra hentitra fanoratana ny karatra finday SIM manelingelina ny serasera any Zambia, ny fanenjehana any Pakistana mba haka tàhaka ilay rindrimbe goavana (firewall) tany Shina, ny  sakana  atao amin'ny facebook any Tajikistan sy ny fiantsoana an'i  Mark Zuckerberg – fihetsika iray manaitra mitovy amin'ny nataon'ireo manampahefana Pakistane, ny fanaraha-maso ny fiainana manokan'ny mpampiasa ny aterineto ataon'ireo orinasa misahana ny aterineto, ny ady hisian'ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra  rehefa mampiasa ny heriny amin'ny fanaraha-maso ny manampahefana, mbola  hampiaka-peo ihany isika  hanohitra ny tsy fahafatesa-manota  sy hiady ho an'ny  fahamarinana ho an'ireo feo rahonana, ireo no foto-kevitra vitsivitsy izay ifantohan'ny global voices amin'ny maha-vondrom-piarahamonina azy. Efa manakaiky ny faran'ny taona isika,  dia hisy fijerena amin'ny ankapobeny ny zava-niseho nandritra ny taona amin'ny alalan'ny mason'ireo ato anaty tambazotra.

Fa amin'izao Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'Olombelona izao, dia miray hina amin'ny vahoaka eran'izao tontolo izao izahay ary mino ny zony ho henoina, handray anjara sy ho asiana dikany ananan'ny tsirairay. Ny fanoloran-tenanay dia mbola mijanonana hatrany hanamafy ny feo amin'ireo ao anaty tambazotra ary hanome alàlana sy hanohana  ireo fikambanan'ny vondrom-piarahamonin'ny teratany ho tonga vondrom-piarahamonina midadasika kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.