Tsy Misy Maniry Ilay Lalàna ‘Monsato’ Mandòndona Ao Arzantina

Ny Minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono [es] dia miketrika lalàna vaovao hiarovana ny fizakà-mananan'ireo orinasa izay mamokatra masomboly nasiam-panovàna. Ity tolo-dalàna ity, nopetahan'ireo mpamokatra madinidinika anarana hoe ‘Lalàn'ny Masomboly’ na ‘Lalàna Monsanto’, dia voakiana mafy tokoa avy amin'ireo sehatra maro samihafa izay mihevitra fa mety ho very ny fizakantenan’ i Arzantina ara-tsakafo raha mandeha lavitra ilay lalàna.

Ao amin'ny tranonkalany Partido Pirata [es] (Antoko Mpijirika) dia manoratra mikasika ireo vokatra mety ho entin'ny lalàna toy izany ho an'i Arzantina :

Quiere legalizar la policía de semillas que tan nefastos resultados tuvo en EEUU y Europa. Esta ley le daría la propiedad de las semillas a Monsanto. Porque bastaría que las semillas que siembran nuestros campesinos y chacareros estén contaminadas por el gen para ser propiedad de Monsanto, los productores de semillas no podrán acopiar sus semillas.

[Ilay lalàna] te-hanao izay haha-ara-dalàna ny politika momba ireo masomboly izay nitondra vokatra ratsy ho an'i Amerika sy Eoropa. Ity lalàna ity dia hanome zo ny Monsato ho tompon'ny masomboly. Ireo masomboly izay famafin'ireo tantsaha sy mpiompy madinika aty amintsika dia ho voapoizin'ireo masomboy hoheverina fa fananan'ny Monsato, ary mety tsy ho afaka hioty intsony izay masomboly nafafiny ireo mpamokatra masomboly.

Ao anatiny'ny Tribuna de Periodistas [es] (Sehatry ny Mpanao Gazety), Carlos Forte dia mitanisa ny Minisitry ny Fambolena, Norberto Yahuar:

Marcha contra Monsanto en Buenos Aires, Argentina, 17 de septiembre 2012. Foto de Maximiliano Ramos, copyright Demotix.

Hetsi-panohera mandà ny Monsanto tao Buenos Aires, Arzantina, 17 Septambra 2012. Sary: Maximiliano Ramos, fizakà-manana Demotix.

“En los últimos tiempos se compraban semillas de tecnología que pasaban a ser propiedad exclusiva de los productores, y después esos campos generaron cantidades que excedían a la que necesitaban para una nueva resiembra, por lo que se produjo un comercio que no tiene prácticamente control. Lo lógico es que todo el desarrollo que hacen tanto el Estado como empresas privadas tengan un respaldo en el resguardo de esa propiedad intelectual.”

“Ato anatin'ny fotoana tsy ela loatra, dia ho lasa fanànana manokan'ireo mpamokatra azy ireo masomboly nasiam-panovàna, ary avy eo dia hihoatra lavitra ny habetsahana masomboly ilaina amin'ny taom-pamafazana vaovao manaraka ny masomboly vokarina amin'ireny tany ireny, ary dia hipongatra ny fandraharahana izay azo lazaina ho sarotra araha-maso. Ny lojikan-javatra izany dia hoe izay rehetra fampandrosoana hataon'ny fanjakàna sy ny orinasa tsy mainkina dia hotohanana amin'ny hoe fiarovana ny zo amin'ny fizakà-manana ara-indostria.”

Forte koa dia manoratra mikasika ireo antony 10 manosika [es] naroson'ireo fikambanana samihafa hiadiana amin'ity lalàna vaovao ity:

Las organizaciones Movimiento Nacional Campesino Indígena (MNCI), CLOC-Vía Campesina Argentina, GRAIN, Amigos de la Tierra y Acción por la Biodiversidad accedieron a un borrador del proyecto de fines de agosto al que calificaron como un intento de “subordinar la política nacional de semillas a las exigencias de la UPOV (Unión Internacional para la Protección de Obtenciones Vegetales) y las transnacionales”.

En una declaración de “10 motivos para luchar contra el proyecto de ley” señalaron que la norma propuesta “sólo fomenta la privatización y protege la propiedad sobre lo que es un patrimonio colectivo de los pueblos, especialmente de las comunidades campesinas y los pueblos indígenas”.

Ireo fikambanana toy ny Movimiento Nacional Campesino Indígena (MNCI, Hetsika Nasionalin'ireo Tantsaha sy Vazimba teratany), CLOC-Vía Campesina Argentina (Làlan'ireo Tantsaha Arzantina), GRAIN, Amigos de la Tierra (Naman'ny Tontolo) ary Acción por la Biodiversidad (Hetsika ho an'ny Biodiversité) dia afaka nahazo dika avy amin'ilay volavolan-dalàna tamin'ny farn'ny Aogositra, izay tondroin'izy ireo ho andrana ho “fampandoalihana ny politikam-pirenena momba ny masomboly eo anatrehan'ny fangatahan'ny UPOV (Fikambanana Iraisampirenena ho Fiarovana ny Karazan-javamaniry Vaovao) ary ireo vondron'orinasa mazo rantsana. “

Ao anatin'ny fanambaràna iray misy ireo “antony 10 anoherana ilay volavolan-dalàna” [ireo fikambanana ireo dia] nanindry fa ilay drafitra natolotra “dia natao hampiroboroboana sy hiarovana fotsiny ihany ny fanomezana ho an'olon-tsotra ireo lova iombonana teny ampelan-tànan'ny vahoaka, indrindra fa ireo teny an-tànan'ireo vondrom-piarahamonina tantsaha sy vahoaka vazimba teratany. “

Forte manampy koa hoe:

Mientras esto ocurre, los grandes medios callan respecto a este tema. Lo mismo sucede con referentes políticos, tanto del oficialismo como de la oposición. La única que ha hablado claramente es Cristina Kirchner. Eso sí, a favor de Monsanto.

Raha io no zava-misy, manohy mikombom-bava kosa mikasika ilay raharaha ireo orinasam-pampahalalam-baovao vaventy . Toy izany no mitranga amin'ireo mpanao politika, na io avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna, na avy amin'ny fanoherana. Ny hany tokana izay nilaza mazava dia [ny Filoha] Cristina Kirchner. Mazava loatra, nanome  tombony ho an'ny Monsanto.

Mandritra izany, i Monsanto manely vaovao mikasika ny fankatoavana ny famarotana [es] teknolojia iray vaovao izay hampitombo ny vokatra miakatra amin'ny soza :

“Hoy vemos con agrado que se están dando las condiciones necesarias para avanzar con un nuevo modelo de negocios que reconozca la propiedad intelectual a las invenciones tecnológicas en soja. Así, continuaremos trabajando junto a los productores y a toda la cadena para contar con un modelo consolidado al momento del lanzamiento comercial de la tecnología”.

Monsanto, junto con todos los actores de la cadena de soja, se encuentra finalizando un proceso de consenso que permita el establecimiento de un modelo de negocios que reconozca y respete los derechos de propiedad intelectual sobre las tecnologías patentadas, de modo de estar en condiciones de lanzar comercialmente INTACTA RR2 PRO en el año 2013 en el norte del país.

“Faly isika androany fa vory daholo ny fepetra rehetra hirosoana miaraka aminà lasitra fandraharahana vaovao izay manaiky ny zo amin'ny fizakà-manana ara-indostria amin'ny fahaiza-manao teknolojikan'ny voly soza. Araka izany dia hotohizantsika ny asa miaraka amin'ireo mpamokatra sy ny tambajotra iray manontolo mba hanànana lasitra mafy fototra amin'ny fotoana hanombohana ny famarotana ilay teknolojia. “

Monsanto, miaraka amin'ireo mpisehatra rehetra ao anatin'ny tambajotran'ny soza, dia nahavita dingana iray izay ahafahana mametraka lasitra fandraharahàna manaiky sy manaja ny zo amin'ny fizakà-manana ara-indostria amin'ireo teknolojia manana fahazoa-mitrandraka, mba hahafahana manomboka ny INTACTA RR2 PRO eo amin'ny tsena amin'ny 2013 any avaratry ny firenena.

‘Hetsika goavambe’ iray eo ambanin'ny teny faneva “Mialà Any Monsanto” [es] no nokarakaraina tao amin'ny Facebook ny 2 Desambra 2012. Efa nisy ihany koa ny hetsika toy izany tamin'ny 17 Septambra.

Cucharaargentina dia mizara ity lahatsary manaraka ity, iray tamin'ireo hetsika:

El mega evento se desplegó copando la Plaza San Martín con el objetivo de repudiar el accionar criminal de la empresa, el uso de agrotóxicos y rechazar la modificación a la ley de semillas que propone el gobierno nacional, que ya se conoce como “Ley Monsanto”.

Ilay hetsika goavambe niely nanerana ny Plaza San Martín ho fanamelohana ny hetsika heloka bevavan'ilay orinasa, ny fampiasàna poizina famonoana bibikely, ary ny fandàvana ilay tolo-dalàna mikasika ny masomboly avy amin'ny governemanta nasionaly, efa fantatra sahady amin'ny anarana hoe  ‘Lalàna Monsanto’.

Sary nasongadina [es], avy amin'i Paola Barrios Escudero tao amin'ny Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.