Mampiray An'i Hongria Ny Fanoherana Ny Fankahalàna Jiosy

Ny Alahady 2 Des., Hongroà an'arivony no nijoro niray hina hanohitra ny  fankahalàna Jiosy tamin'ny hetsika iray natao tao Budapest. Teny koa ireo mpanao politika avy amin'ny antoko eo aminy fitondràna sy ny mpanohitra, niteny mafy nanohitra ny fanamarihana mahabe resaka avy amin'ilay Solombavambahoaka Márton Gyöngyösi, mpikambana iray avy amin'ny antoko faran'ny havanana Jobbik, izay manana seza manodidina ny 17 isan-jato ao amin'ny Parlemanta Hongroà. Gyöngyösi, ny 26 Nov., dia nangataka ” ny hanoratana ireo Jiosy ho ao anatin'ny lisitr'ireo loza mitatao ho an'ny firenena.”

Io no famoriam-bahoaka faharoa tahaka izany. Ny voalohany dia natao ny 27 Nov, saingy tsy dia maro olona nanao ahoana, zara raha nisy olona an-jatony tonga nanatrika.

“Fondation” iray antsoina hoe All Together For Jerusalem (Miara-mirohotra Ho An'i Jerosalema) no nikarakara ilay Hetsi-panoherana ny 2 Des [hu], izay, araka ny nambaran'ny Reuters, nahasintona olona manodidina ny 10.000. (Mba ho fampitahàna, araka ny vinavinan'ny polisy Hongroà [hu], momba ny fankalazana ny Fetim-Pirenena tamin'ny Oktobra, 150.000 no tonga nanatrika ilay hetsika nokarakarain'ny governemanta, 20.000 no nanohana ny hetsi-panoherana nataon'ny olon-tsotra, ary roa arivo teo no nanatrika ny famoriam-bahoaka nataon'ny antoko farany havanana)

Taty aoriana kely dia niala tsiny tamin'ny teny nataony i Gyöngyösi, saingy nisokatra kosa indray ny fifanakalozan-dresaky ny olona mikasika ny fiakaran'ny fanohanana azon'ny antoko farany havanana indray any Hongria – ary, raha hitarina, nampitambatra ny firenena Hongroà io.

Nanoratra[hu] ny bilaogy Kopó of Koppány mondja fa iny no fiafaràn'ny fahaizan'ny Jobbik milalao tsara tao amin'ny parlemanta:

[…] Raha toa izy [Gyöngyösi] tsy Nazi, mety tsy hiteniteny foana tahaka ireny. Raha tsy antoko Nazy ny Jobbik, efa nihogahoga taminy, na farafaharatsiny nihataka taminy, ary nanaisotra azy tsy ho ao amin'ny antoko. Saingy tsy izany no nitranga. Satria Nazi i Márton Gyöngyösi, ary antoko Nazi ny Jobbik […]

Balázs Böcskei avy amin'ny Institute for a Democratic Alternative (IDEA) (Ivontoerana ho amin'ny Fifandimbiasana Demaokratika) dia nanontany tena tao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny bilaoginy [hu] hoe maninona no tsy nisy nitsangana nandao ny efitra fivoriana na iray aza tamin'ireo solombavambahoaka 386 rehefa “nandrakotra azy ireo ny haizina” (i.e., rehefa nanao ilay fanambaràny miezinezina i Gyöngyösi).

Ny Hungarian Spectrum nanoratra fa ny 27 Nov, andro iray taorian'ilay tranga, solombavambahoaka efatra, isan'izany ny mpitarika ny fotoana, no nanao hetsika fanoherana tao amin'ny Parlemanta tamin'ny alàlan'ny fitondrana ny kintana mavon'i Davida teny amin'ny akanjon'izy ireo – ary toy izany koa no nataon'ny sasany tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana tao ivelany,  tao amin'ilay famoriam-bahoaka izay nitranga iny andro iny ihany, ka hatramin'ny andron'ny 2 Des manontolo.

Kitana mavon'i  Davida teny amin'ny akanjon'ny mpanao hetsi-panoherana iray. 2 Des 2012. Sary avy amin'i Redjade, fampiasàna nahazoana alàlana.

Tamin'ilay famoroam-bahoaka ny 2 Des, niteny tamin'ny vahoaka ireto mpanao politika manaraka ireto: ny mpitarika amin'izao fotoana ny rantsana mpisintaka avy amin'ny mpifikitra amin'ny nentin-drazana Fidesz , Antal Rogán; ny ‘PM mpisolo toerana teo aloha’ Gordon Bajnai; ary ny mpitondra tenin'ny antoko sosialista, Attila Mesterházy. Ny hetsika goavana indrindran'ny Hongroa tety anaty aterineto, ‘Iray tapitrisa Ho An'ny Fahalalahan'ny Fanaovana Gazety Ao Hongria’ [huen], dia nanamarika tao amin'ny bilaogin'izy ireo [hu] fa tonga ny fotoana ho an'ireo Hongroà hiheverany ny zava-misy ao amin'ny fireneny:

[…] Ny fiarahana manao hetsi-panoherana dia fotoana iray fanararaotra hanehoana, tsy ny hoe leo fotsiny isika, fa koa ny fiampangantsika mavesatra ny kabary Nazi mampahatsiahy ny vanim-potoana maizina, nefa koa fotoana iray hametrahantsika ity fanontaniana ity amin'ny tenantsika: nahoana, ary fomba ahoana no nandehanan'i Hongria lavitra ka androany ny tontolon'ireo nahita fahalalàna dia mpitazana anaty fahatafintohinana ny zavatra mitranga ao amin'ny Parlemanta ao Budapest. […]

Mpanao hetsi-panoheana tamin'ny famoriam-bahoaka ny 2 Des. Sary an'i Redjade, nahazoana alàlana ny nampiasàna azy.

Ireo bilaogeran'ny Kettős Mérce dia nanipika [hu] fa ireo rehetra niteny dia niteny mafy momba ireo olana mahakasika ireo Roms na ireo olona LGBTQ ao Hongria. Nanosoka hevitra ihany koa ireo bilaogera mba hametraka ny tsiny rehetra amin'ny zava-misy amin'izao fotoana ao amin'ny firenena ho andraikitry ny antoko politika rehetra :

[…] Ary na betsaka aza ireo fehezanteny nolazaina momba ny karazana hadisoana nataon'ny Hongroà farany havanana sy ny mpifikitra amin'ny nentin-drazana niteraka ny fahatongavan'ny Hongria amin'izao zavatra izao; mampalahelo fa ny hadisoan'ny elatra farany havia Hongroà sy ny Liberaly dia zara raha lazaina. Nefa ifampizaran-dry zareo ny andraikitra!

Raha amin'ny manaraka ka misy olona manao hetsika manohitra ny fahavakavahana sy ny fasisma, antenaintsika fa mba ho tonga ao an-tsain-dry zareo ireo zavatra ireo, amin'izay isika mety mba ho hetsi-panoherana mendrika kokoa no hatrehana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.