Te Hanongana An'i Mursolini ny Ejipsiana

Niverina indray tao amin'ny foiben'ny revolisiona Ejipsiana, ao an-kianja Tahrir, ao afovoan-tanànan'i Kairo ny Ejipsiana, mba hanohitra ny fahefana mihoampampana nataon'ilay filoha vaovao voafidy Mohamed Mursi ho azy manokana. Anisan'izany ny volavolan-dalàm-panorenana nambarany omaly (30 Nov 2012), izay novolavolain'ny antoko Islamista tarihiny, izay maro an'isa ao amin'ny antenimiera, ary mametraka soatoavina Islamika vaovao ao amin'ny firafitry ny governemanta ao Ejipta sy ny fifanekena izay manohintohina ny zon'ny vehivavy sy ny fahalalaham-pitenenana.

Nirohotra teny an-dalambe ny mpanao fihetsiketsehana valo andro lasa izay raha nanindry ny fitsarana i Mursi, ka nanambara fa tsy mahazo mitsipaka ny fanapahan-keviny ny fitsarana. Nahatezitra ireo Ejipsiana marobe izany, izay niara-nirohotra teny amin'ny kianjan'i Tahrir ho fanoherana izay antsoin'izy ireo hoe Farao vaovao ao Ejipta sy ny antokony Mpirahalahy Miozolomana, izay lazain'izy ireo fa manangona fahefana tafahoatra.

Tonga tao amin'ny kianjan'i Tahrir ilay bilaogera Lilian Wagdy androany ary nizara ity sary manaraka ity tao amin'ny kaonty flickr-ny.

Maro ireo niantso an'i Morsi ho Farao vaovao ao Ejipta, nanao kisarisary fampitahàna an'i Morsi sy ireo mpanao didy jadona tahaka an'i Mussolini sy Hitler. Anarana iombonana nampiasain'ireo mpiserasera ho azy ny hoe Mursolini – izay misolo ny anarany sy i Mussolini.

Wagdy nizara ity sary ity tamin'ny fihetsiketsehana androany, nitafy toy ny Farao ilay mpanao fihetsiketsehana:

Mursolini - drawing comparisons between Morsi, Hitler and Mussolini

Mursolini – nanao fampitahàna eo amin'i Mursi, Hitler sy Mussolini. Sary: Lilian Wagdy, nampiasaina amin'ny (CC BY 2.0)

Toy izao ny fivakin'ny sora-baventy nolanjain'ireo mpanao fihetsiketsehana [ar]:

Tsy manaiky ny fahefana mihoampampana. Tahaka ny fahaterahan'i Hitler indray ny fahaterahan'i Mursi. Kolikoly tafahoatra ny fahefana tafahoatra

Ny hafa kosa niantso ho amin'ny fiafaran'ny tsy fahalalana:

A man carries a poster which reads: Freedom starts where ignorance ends

Lehilahy milanja afisy mivaky hoe: Manomboka ny fahalalahana rehefa mifarana ny tsy fahalalana. Sary: Lilian Wagdy,  (CC BY 2.0)

Ny hafa kosa nanameloka ny fahefana tsy mitsaha-mitombo ananan'ireo Mpirahalahy Miozolomana, izay i Mursi no lehiben'ny fikambanana:

A protestor carrying a poster which reads: Down with the Muslim Brotherhood invasion. Long lives a free and independent Egypt

Mpanao fihetsiketsehana milanja afisy mivaky toy izao: Miala ny firongatry ny Mpirahalahy Miozolmana. Ho ela velona i Ejipta mahaleotena sy afaka.  Sary: Lilian Wagdy, (CC BY 2.0)

Notsarovana ihany koa ireo martiora tamin'ny revolisiona ejipsiana tamin'ny fihetsiketsehana androany. Wagdy nizara ireto sary ireto:

Protestors raising banners with pictures of martyrs on them

Mpanao fihetsiketsehana milanja sorabaventy ahitana ny sarin'ireo martiora. Sary: Lilian Wagdy, (CC BY 2.0)

A mural in Tahrir featuring some of the Egyptian revolution's martyrs

Rindrina ao Tahrir mampiseho ny sarinireo martiora sasany tamin'ny revolisiona Ejipsiana. Sary: Lilian Wagdy, (CC BY 2.0)

Hofaranantsika amin'ity sary miendrika faneva tao an-kianjan'i Tahrir tamin'ny alina ity:

Night falls at Tahrir as protestors continue their sit-in

Alina ny andro tao amin'ny kianjan'i Tahrir saingy mbola nanohy ny fihetsiketsehana hatrany ireo olona. Sary: Lilian Wagdy,  (CC BY 2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.