Lanja Miakatra “Saimbolika” Azon'i Palestina Ao Amin'ny Firenena Mikambana

Matimaty [tsy mafana tsy mangatsiaka] ihany ny fomba nandraisan'ny mpiserasera ny toetra avy amin'ny “fisiana manokana” misy an'i Palestina mankamin'ny maha-“fanjakana tsy miankina” ao amin'ny Firenena Mikambana – izay manontany izay azon'i Palestina amin'izany fihetsika ‘saimbolika’ ao amin'ny Firenena Mikambana izany, indrindra ho an'ireo miaina amin'ny fibodoana Isiraeliana sy ireo mpialokaloka.

Miahiaka avy any Gaza i Lina Al-Sharif:

@livefromgaza: Tsy Ramallah no renivohitro, Jerosalema no izy. Ary Palestina IRAY manontolo no tanindrazako. TSIA amin'ny #Palestine194

Manontany i Adam Al Aqqad:

@Abou_Charlie: Inona no ilàna ny #Palestine194? amin'ny Palestinianan'ny taona 48? amin'ny Palestiniana monina amoron'i Jordana? amin'ny Palestiniana ao Gaza? amin'ny mpialokaloka Palestiniana?

Nampiany:

@Abou_Charlie: Tsarovy fa izao no fototra, tolon'ny mpialokaloka ny tolona Palestiniana. Mifarana eo amin'ny zon'ny mpialokaloka ny tolonay. #Palestine194

Nisioka ny Palestiniana Doc Jazz:


@docjazzmusic
: Saimbolika? Efa rendrika ao anatin'ny saimbolisma anie isika. Avereno ny taninay, ny zonay, ny fahafahanay, fa tsy fihetsika ‘saimbolika’ amin'ny antsoinareo hoe ‘fanjakana’.

Ampiany:


@docjazzmusic
: Raha manohana an'i Isiraely ara-politika, toekarena ary ara-miaramila ry zareo dia manohana an'i Palestina ara-saimbolika. Ary dia heverina hifampiarahaba isika.

Nanamarika i Ahmed Shihab-Eldin:

@ASE: Izany hoe, Manaiky an'i Palestina ho fanjakana ny Firenena Mikambana amin'ny fotoana hanekeny ihany koa fa mibodo an'i Amoron'i Jordana sy Gaza i Isiraely. Hmm.

Nandritra ny Fivoriamben'i Firenena Mikambana tamin'ny alina, firenena 138 no nifidy ara-teknika amin'ny fanaovana an'i Palestina ho firenena faha-194 amin'ny sata maha-fanjakana tsy mpikambana azy ao amin'ny fikambanana mondialy.

Nisioka ny filohan'ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana Vuk Jeremić:

@UN_PGA: Ny firotsahan'i #Palestine dia neken'ny @UN #UNbid Eny – 138, Tsia – 9, tsy naneho hevitra – 41 pic.twitter.com/6wD4EbgT

Nozarainy ny kopian'ny lisitry ny firenena izay nanaiky sy nandà ary ireo tsy nifidy [jereo ny sary eto ambany].

Who voted in favour of granting Palestine a non-member state status at the UN?

Ireo nanaiky ny hanaovana an'i Palestina ho firenena tsy mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana? nisioka ny sarin'ny lisitry ny firenena nanaiky, nanohitra ary tsy naneho hevitra ny filohan'ny Fivoriamben'ny FM Vuk Jeremić

Ireo firenena manohitra ny fitsapa-kevitra dia Isiraely, Kanada, Nauru, Palau, Nosy Marshall, Micronesia, Panama, ny Repoblika Czech ary i Etazonia – izay ahafahan'ny mpiserasera mianatra momba ny firenena sasany tsy mbola reny mihitsy hatramin'izay.

Mananihany ilay Isiraeliana Maya Norton:

@mayanorton: Ity no mba ahenoako amin'ny gazety izany Nauru, Palau, ny nosy Marshall & Micronesia. tahaka ny fanambarana an-gazety izy ity.

Mitsipatsipaka avy any rehetra any ny tsikera ary tratrany daholo. Ny sasany aza tsy resy lahatra momba ny Firenena Mikambana – sy ny anjara toerany. Mizara ny fihetseham-pony momba ny Firenena Mikambana i Muiz:

@muiz: Ny FM no fanazavana lehibe amin'ny fahafoanan'ny teny sy ny fihetsika azo tsapaintanana. Tena maro tokoa ny fanohanana am-bava an'i #Palestine – tena kely tokoa ny hetsika azo tsapain-tanana

Nahazo ny anjara tsikerany koa i Etazonia. Nisioka i Samar Dahmash Jarrah:

@ArabVoicesSpeak: Hijoro any amin'ny toerana ratsy ao amin'ny tantara tahaka ny hita matetika i Etazonia #UNBID

Ary ny Irakiana Mina Al-Oraibi misioka fa tsy azo ekena ny mahita ny filoha ejipsiana Mohamed Morsi mikabary mandritra ny fotoana hanaovana ny fifidianana:

@AlOraibi: Tsy mampino ny filoha ejipsiana nisafidy ny hitafatafa mandritra ny fotoana hanaovana fifidianana momba an'i Palestina! Miresaka zavatra tsy azo ekena

Ary nanohy izy:


@AlOraibi
: Am-polony taona maro izay no nanao tsinontsinona ny fiarovana ny Palestiniana ny Filoha sy mpanao politika Arabo – malahelo mahita fa manao toy izany i Morsy.

Abbas' UN speech screened on a separation wall with Israel in Bethlehem

Kabarin'i Abbas ao amin'ny Firenena Mikambana nojerena teo amin'ny rindrina mampisaraka an'i Isiraely tao Bethlehema. Saripikan'i @georgehale hita Twitter

Tao Bethlehema, George Hale nizara ity saripika [eto ambony], izay nahitana ny kabarin'ny mpitarika Palestiniana Mahmood Abbas tamin'ny kabarin'ny Firenena Mikambana tamin'ny rindrina mampisaraka amin'Isiraely:

@georgehale: Sary – Sehatra tao Bethlehema izay nijerena ny kabarin'i Abbas tao amin'ny Firenena Mikambana natao tamin'ny rindrin'Isiraely pic.twitter.com/sUTT6KjQ

Celebrations in Ramallah

Fankalazana tao Ramallah. Saripika nozarain'ny @RZabaneh tao amin'ny Twitter

Avy any Ramallah, nisioka ny sehatry ny fankalazana i Rania Zabaneh:

@RZabaneh: Ary mitohy ny fetin'ny #UNBid ao Ramallah: Mihiakam-pifaliana amin'ny feon'ny “i3linha ya sh3bi” [Dika: Lazao izany, Ry Oloko]. Saripika: pic.twitter.com/CN5XYZgo

Na izany aza, tsara ny fientanana an-tserasera. Nanamarika i Dima Khatib fotoana vitsy monja ny fifidianana:

@Dima_Khatib: Raha tsy jerena ny fahombiazan'ny #UNBid: fanohanana mahafinaritra ho an'i Palestina avy amin'ny ankamaroan'ny firenena manerantany, manohitra ny sitrapon'i Isiraely/Etazonia

Mandritra izany fotoana izany, ao Isiraely, nisioka i Joseph Dana:

@ibnezra: Ao amin'ny firenena tokony ho 7 tapitrisa, manodidina ny 500 ny Isiraeliana no nanao fihetsiketsehana, ao Tel Aviv, amin'ny fanaovana an'i Palestina ho Fanjakana ao amin'ny Firenena Mikambana.

ary nananihany izy avy eo:

@ibnezra: Farany: Tezitra i Vatikana fa hanitsakitsaka tsy ho ela ny sata manokana ananany ao amin'ny Firenena Mikambana i Palestina

Raha te-hahita resadresaka bebe kokoa, amarino amin'ny alalan'ny tenifototra #Palestine194 sy #UNBid.

Vakinteny fanampiny:

Reuters: Fanontaniana sy valiny momba ny fampiakaran-danjan'i Palestina ao amin'ny Firenena Mikambana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.