Espaina: Bilaogera Iray Notorian'ny Fahitalavitra Telecinco Tany Amin'ny Fitsarana

*Vaovao farany: nanambara ny fahitalavitra Telecinco tamin'ny 27 Novambra, fa nosintoniny ny fitoriany an'ilay bilaogera Pablo Herreros. Nivory ny tale mpitantana ny Telecinco/Mediaset sy i Herreros ary nahita marimaritra iraisana. Azo vakiana ato amin'ny bilaogin'ilay bilaogera [es] ny fifanekena nataon'ny roa tonta sy ny fanehoan-kevitr'ilay bilaogera.

Mety efa nandre ny anarana hoe Pablo Herreros ianao, izay bilaogera [es], volana vitsy lasa izay, nahomby nandresy lahatra ireo mpamoaka dokambarotra (annonceurs) amin'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra izy mba hanaisotra ny dokambarotr'izy ireo mandra-piova ny mpamokatra dokambarotra amin'ny fahitalavitra amin'ny fanajana ny fitsipi-pifehezana (etika) mifehy ny asan'izy ireo. Nanomboka ny disadisa rehefa nandoa vola 9.000 sy 10.000 euro tamin'ny renin'i “El Cuco” (tanora voarohirohy tamin'ny famonoan'olona)  ilay fandaharana “La Noria,” ao amin'ny fahitalavitra Telecinco—nandritra ny resadresaka mivantana.

Efa ela i Herreros no nandrisika ireo fahitalavitra mba hampitsahatra ny fifanarahana amin'ireo mpanao meloka —mampiseho izany fa mampidi-bola kokoa ny mifampiraharaha amin'ny mpanao meloka —Nanatontosa hetsika tao amin'ny change.org izy mba hanentana ireo mpamoaka dokambarotra hanaisotra ny dokambarotr'izy ireo

Pablo Herreros, foto del perfil de su blog comunicacionsellamaeljuego.com

Pablo Herreros: sary tao amin'ny bilaoginy, comunicacionsellamaeljuego.com

raha tsy manova ny fomba fanaony ireo fahitalavitra, nahangona sonia maherin'ny 50.000 izany fitakiana antserasera izany. Nifandimby, nanohana ny feom-bahoaka ireo mpamoaka dokambarotra, ary tao anatiin'ny herinandro vitsivitsy, nisintaka avokoa ny mpanao dokambarotra tao amin'ny “La Noria” hany ka nisy ny fotoana nitsahatra tanteraka ny fandaharana. Amin'ity fampahafantarana [es] ity , namehy izany ho fandresena ho an'ny fitsipi-pipehezana sy ho an'ny hetahetam-bahoaka i Herreros.

Fanampin'izany, ny tambajotra Telecinco—fananan'i Silvio Berlusconi ary fantatra manokana amin'ny votoaty mampitolagaga, fandaharana tena misy “télé-réalité” sy vaovao momba ireo olo-malaza—no nanolo an'ny “La Noria” ho “El Gran Debate” [Adihevitra Lehibe], fandaharana amin'ny feo tena matotra, ary toa hita ihany koa fa mikasa hanadio ny lazany amin'ny baranahina fanaony hatrizay [es] ny fandaharana.

Saingy andro vitsy lasa izay, nisy ny vaovao tsy nampoizina nampisafoaka: taorian'ny volana maromaro, naharay taratasy fitoriana napetraky ny Telecinco hanenjehana an'i Pablo Herreros ny mpitsara. Fantatra fa niampanga an'i Herreros ho nanao fandrahonana sy fanerena ny fahitalavitra. Nangataka sazy 3 taona an-tranomaizina sy onitra 3,7 tapitrisa euro an'ilay bilaogera ny Telecinco

Rehefa fata-bahoaka izany vaovao izany, nihetsiketsika haingana tsy nisy toy izany ny tambajotra sosialy. Mario Tascón, mpanao gazety sy mpanoratra, nandefa fanentanana tao amin'ny change.org ary niangavy ireo mpamoaka dokambarotra ao amin'ny Telecinco mba hanaisotra ny dokambarotra rehetra mandram-panalan’ ity fahilavitra ity ny fitoriana napetrany, nahangona sonia folo an'arivony tao anatin'ny ora fohy izany. Nandritra ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, olona maherin'ny 145.000 no naneho ny fanohanany ny fitakiana. Efa nanambara sahady ny mili-pikarohana Trivago [es] fa hanaisotra ny dokambarotrany [es] ao amin'ny Telecinco izy.

Tao amin'ny Twitter, sioka an'arivony no hita tamin'ny tenifototra #lavozdePablo [Feon'i Pablo], #todosconpablo [miaraka amin'i Pablo ny tsirairay], #conpabloherreros [miaraka amin'i Pablo Herreros] sy ny #bravotrivago, tahaka ireto avy amin'i JomagaroPepo JiménezOlga Herrero sy Carlos M. Cuasante ireto:

@Jomagaro@trivago_ES Dejará de anunciarse en @telecincoes El principio del fin de la TV Basura? #lavozdePablo

@Jomagaro: @trivago_ES tsy handefa dokambarotra ao amin'ny @telecincoes Fiandohan'ny fiafaran'ny Fahitalavitra Fako? #lavozdePablo

@kuriosoEl ridículo de Tele5 en el caso @PabloHerreros puede ser histórico… ¿Alguien apoya a la tele?… http://chn.ge/Y23gLU

@kurioso: Mety ho manatantara ny adalan'ny Tele5 momba ny raharaha @PabloHerreros… Misy olona manohana ilay fahilavitra ve?… http://chn.ge/Y23gLU

@olgaherrero :País d pandereta, igual se juega una pena superior a la del Cuco RT @mktfan: imputado x caso “La Noria” #todosconPablohttp://mktfan.es/XY7Pa5

@olgaherrero :Firenena tsy misy saina, mitady sazy henjana noho ny an'ny El Cuco's @mktfan: voampanga tamin'ny raharaha “La Noria”  #todosconPablohttp://mktfan.es/XY7Pa5

@cuasanteAsí q denunciar entrevistas a madres de criminales es delito de amenazas! Que clase de justicia es esta? http://cultura.elpais.com/ … #todosconPablo

@cuasante: Izany hoe fandrahonana ny miampanga ny firesadresahana amin'ny renin'ny mpanao heloka bevava! Karazana Fitsarana inona ity?   http://cultura.elpais.com/ … #todosconPablo

Tsy mazava amin'ireo mpiserasera tezitra ny antony hitoriana ilay bilaogera noho ny fandrahonana, satria raisin'izy ireo ho zava-dehibe indrindra ny fandrahonana nentin'ny Telecinco/Mediaset hitoriana ilay bilaogera. Araka ny fanazavana nataon'ny Fikambanan'ny Mpijery Fahitalavitra ao Katalana (TAC) tamin'ny fanambarany [es]:

TAC considera que este tipo de acciones contra periodistas como Pablo Herreros tienen como fin último amordazar la libertad de expresión y un desarrollo natural de la profesión.

(…) la demanda de Mediaset es una táctica para infundir el miedo a todo aquel que se atreva a denunciar su modelo de negocio, que se lucra, a menudo, con el dolor ajeno, las miserias humanas y la intimidad de las personas.

Mino ny TAC fa ny tanjona amin'izao karazana fitoriana atao amin'ny mpanao gazety tahaka an'i Herreros izao dia ny hampangina ny fahalalaham-pitenena sy ny fanatontosana tsara ny asa.

… Ny fitoriana napetraky ny Mediaset dia teti-dratsy hanaparitahana tahotra eo amin'ireo izay sahy miampanga ny modely ara-barotr'izy ireo, izay fahorian'ny hafa sy fahantran'ny olona sy ny fiainan'olona manokana ny tombotsoa azon'ireo amin'izany varotra izany.

Niaro ny tenany ilay fahitalavitra [es] ka nanambara hoe:

Cuando el Sr. Herreros decidió mandar una carta a nuestros anunciantes diciendo textualmente: “si no se adhirieran a nuestra propuesta (retirar la publicidad de “La Noria”) seguiríamos exigiéndoselo en adelante y promoveríamos un boicot de sus productos” ni está criticando, ni convenciendo. Está amenazando.

Raha nanapa-kevitra handefa taratasy any amin'ireo mpamoaka dokambarotra i Herreros izay milaza hoe, “raha tsy manohana ny sosokevitray ianareo (mba hanaisotra ny dokambarotrareo amin'ny “La Noria”), hanohy hitaky izany izahay ary hiantso amin'ny tsy firaharahiana (tsy fividianana) ny entam-barotrareo na ny tolotrareo,” tsy tsikera izany no tsy fandresen-dahatra. Fandrahonana izany.”

Hafahafa, tsy mba nambaran'ny tranokalan'ny telecinco [es] ny fitoriany an'i Herreros, toy izany koa tao amin'ny pejy Facebook-ny [es]. Saingy nampiasa tambajotra hafa ireo mpiserasera liana amin'ny raharaha mba ahafahana maneho hevitra mikasika izany.

Bosco Martín Algarra, tao amin'ny bilaoginy treinta y muchos [es], nilaza hoe:

Telecinco parece olvidar que el boicot es una herramienta de protesta en una sociedad democrática. ¿Acaso creen que son los únicos? (…) Hay gente que no compra cava catalán. Otros no acuden a restaurantes que se niegan a celebrar bodas de homosexuales. (…) Señores de Telecinco: ¿en qué mundo viven? La gente hace lo que le da la gana, y está en su perfecto derecho. (…) La misma sociedad que conecta con Terelu o que compra los productos que anuncian en sus programas, es la que se molestó por aquella entrevista tan repugnante de La Noria. No hay conspiraciones. (…) detrás de su audiencia no sólo hay consumidores. También hay personas, con inteligencia y voluntad. Y libertad.

Toa adinon'ny telecinco fa fitaovam-panoherana ny fanaovana ankivy ao anatin'ny fiarahamonina demokratika. Mihevitra ve izy ireo fa tokana eto an-tany?… Misy ireo olona no tsy mividy ny toaka katalana. Ny sasany tsy mandeha any amin'ny hotely fisakafonana izay mandà tsy mandray lanonana fanambadian'ny mitovy fananahana… Ry zareo Telecinco ô: tontolo aiza ianareo no monina? Afaka manao izay tiany atao ny olona, ary zony izany… Fiarahamonina mitovy izany ihany no mihaino ilay mpanolotra fandaharana ao amin'ny T0lecinco, Terelu [Campos] ary mividy ny entam-barotra izay atao dokambarotra ao ary izy ihany koa no sahiran-tsaina sy manohitra ny resadresaka maharikoriko natao tao amin'ny “La Noria.” Tsy misy firaisana tsikombakomba eto … tsy mpanjifa ihany ny mpijery ny fahitalavitrareo. Misy ihany koa ireo olona, marani-tsaina sy safidy ary mana-pahalalahana.

Araka ny nolazain'i Javi de Rios tao amin'ny lahatsoratra “Telecinco tropezará dos veces con la piedra de Pablo Herreros” [Telecinco will stumble twice on Pablo Herrero's stone] [es]:

 

(…) Las televisiones se deben a sus espectadores y a sus anunciantes, y a veces parece que no escuchan ni a unos, ni a otros. Telecinco obvia, de nuevo, que las redes son un punto de encuentro de personas, de espectadores, que se han puesto de acuerdo en transmitirles un mensaje, que no parece interesarles.
Es complicado, pero en ocasiones David gana a Goliat. Es más, es posible que en este caso pueda hacerlo dos veces.

Tokony hanaja ny mpijery sy ny mpamoaka dokambarotra ny fahitalavitra, ary indraindray hita fa toa tsy mihaino ny andaniny sy ny ankilany izy ireo. Nanadino indray ny Telecinco fa toera-pihaonana ny tambajotra ho an'ny vahoaka, ho an'ny mpijery izay nifanaiky fa hifandefa hafatra, ireo izay tsy mahaliana ny fahitalavitra.

Sarotra tokoa, saingy indraindray resin'i Davida i Goliata. Fanampin'izany, mety handresy indroa i Davita amin'izany raharaha izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.