Nofoanana noho ny Hetsi-Panoherana Azy ny Fampisehoana Saika Hotontosain'i Chris Brown

Iray volana mahery izay, naneho ny tsy fahafaliany momba ny fampisehoana hataon'i Chris Brown tao an-drenivohitry ny firenena ny bilaogera Goyaney satria voalaza fa manohana ny governemanta no nanohana izany fampisehoana izany. Maro tamin'ireo adihevitra no misy ifandraisany tamin'ny darok'ity mpihira ity ny sakaizany tamin'ny taona 2009, Rihanna ilay sakaizany, mpihira teratany Barbadiana, sy ny hafatra noentin'ny lazany ao amin'ny firenena mikasika ny herisetra nataony.

Chris Brown nanao fampisehoana, sary: Eva Rinaldi Celebrity and Live Music Photographer

Fantatra ankehitriny fa toa noraisina ny ahiahin'izy ireo: bilaogera  Goyaney nitatitra fa nofoanana ny fampisehoana  saika hotontosain'i Chris Brown. Andro vitsy lasa izay, Guyana-Gyal nilaza hoe:

Novakiako tao amin'ny aterineto ity omaly alina, nnadabok'i Chris Brown ny fampisehoana noho ny fihetsiketsehana manohitra ny herisetra nataony tamin'i Rihanna tamin'ny taona 09.

Nanazava ihany koa izy fa “nandefa hafatra goavana sy mampalahelo momba ny herisetra an-tokantrano ao amin'ny firenena ny fihetsiketsehana”, saingy nanotany izy raha tonga any amin'ireo izay tokony hiantefan'izany indrindra ny hafatra:

Ireo lehilahy sy vehivavy mila fanampiana indrindra, ireo izay mila fitsaboana, horenesina ve izy ireo?

Manao ahoana kosa ny herisetra ara-politika, raha toa ka misy vehivavy voadaroka any ho any, ao amin'ny firenena mamiko, kanefa mangina ireo vondrom-behivavy? Karazana hafatra tahaka ny ahoana no ampitaina amin'izanyt?

Omaly, livingguyana nanamafy ny tati-baovao mikasika ny fihemoran'ny fampisehoana ary nandefa sombin'ny lahatsoratra tao amin'ny Huffington Post:

Nilaza ny mpikarakara fa nofoanan'ilay mpihira Amerikana R&B Chris Brown ny fampisehoana an-kalamanjana tao Guyana taorian'ny fihetsiketsehana manohitra ny herisetra nataony tamin'ilay sakaizany Rihanna tamin'ny taona 2009.

Nanasonia fifanekena i Brown fa tokony hanatontosa fampisehoana amin'ny 26 Desambra. Saingy niteraka ny fahatezeran'ireo vondrona momba ny zon'ny vehivavy sy ireo mpanohitra mpahay lalàna izy izay nilaza fa tsy ho tongasoa ao Guyana intsony i Brown telo taona taorian'ny nidarohany ilay mpanakanto sakaizany Barbadiana Rihanna.

Nilaza ny mpanohana ny fampisehoana Hits & Jams Entertainment tamin'ny Alakamisy fa tsy mety hanatontosa ilay fampisehoana i Brown, satria tsy mahazo aina izy noho ny fihetsiketsehana.

Nisy ny fihetseham-po tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny tenifototra hoe #chrisbrown #guyana, mpisera iray @beckyrachael nandefa sary mikasika ny vaovao izay nanambara ny fanafoanana ny fampisehoana -hoy ny vakin'ny lohateny:

Nandefa hafatra tamin'i Chris Brown ny vehivavy Goianey: Aza mankaty -mety hamela heloka i Rihanna, fa ny Goyana tsia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.