Iran: Eritreritra Momba An'i Gaza sy Isiraely

Nalefan'i Peyman Majidzadeh voalohany tao amin'ny Arseh Sevom ny lahatsoratra

First Aid" © Alessandra Blasi, taken in Tel Aviv in October 2011

“First Aid” © Alessandra Blasi, nalaina tao Tel Aviv tamin'ny Oktobra 2011. Nahazoan-dalana.

Ady inona izany?

Ny fanohanana ny Palestiniana no politika ivelany laharam-pahamehana ho an'i Iran araka ny filazan'ny mpitondratenin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Iraniana, Ramin Mehmanparast. Nilaza izy fa andraikitry ny firenena Islamika no manohana ireo Palestiniana ao Gaza ary manolotra fanampiana maha-olona.

Lehiben'ny Hezbollah, Hassan Nasrollah nanasongadina ireto teboka ireto [fa]:

Tsy hisaraka amin'i Gaza sy ny vahoakany i “Iran, Syria, ary ny Hezbollah. Teo anilan'izy ireo foana izahay nandritra ny taona maro ary mbola hanohy hanohana azy ireo hatrany. Adidy ara-pinoana sy ara-pitondrantena ary amin'ny maha-olona anay izany.”

Maro ireo manontany raha tena fanohanana marina ny “vahoaka” ny politikan'i Iran na kosa tetikady hoentina hanadinoina ny tantara momba ny politikany ao Syria. Vahaolana hitondra amin'ny fampiatoana ny ady sa ny fihamafisan'ny gidragidra ny famatsiana fitaovam-piadiana ho an'i Hamas ?  Ny tena olana dia ireo vahoaka tsy manan-tsiny no namoy ny ainy teo amin'ny roa tonta.

Bilaogera Iraniana Kamangir nanoratra hoe:

“Izay mitifitra balafomanga no tompon'andraikitra feno. Eo ambavan'ny balafomanga ny ankizy sy ny olo-dehibe. Mpamono olona ny mpanafika amin'ny balafomanga na mahafaty olona izany na tsia.”

Efa tamin'ny Aogositra 1979 izany fihevitra ofisialin'i Iran izay manohitra ny sionisma izany raha tamin'ny firaisankina miaraka amin'ny Palestiniana, nanambara ny Ayatollah Khomeini fa andraikitra ara-pinoana ho an'ireo Miozolomana rehetra ny fahafahan'i Jerosalema. Isan-taona, tohanan'ny governemanta Iraniana, ankalazainy ary karakarainy izany andron'ny hetsi-panoherana nataon'ny mpanohana ny Palestiniana izany tamin'ny Zoma farany tamin'ny Ramadam. Niparitaka manerana ireo firenena hafa ihany koa andron'ny Quds ary nanjary ohatra amin'ny firaisankina miaraka amin'ny Palestiniana izay voafehy. Na dia Iraniana an-tapitrisany aza no mamonjy izany filaharam-be isan-taona izany,  mampametra-panontaniana ny maha-vokatry ny fo tsy misy fitakany fandraisan'izy ireo anjara.

Telo taona lasa izay, tsy ny fanafoanana ny zo any an-trano ihany no notsikerain’ny hetsi-panoherana taorian'ny fifidianana filoham-pirenena izay nampifaditra fa ny fitsabahan'i Iran any amin'ny firenen-kafa. Hoy antsoantsom-pihetsiketsehana “Tsy ho an'i Gaza. Tsy ho an'i Liban. Ho an'i Iran ihany ny fiainako.” Voatsikera mafy izany antsoantso izany ary fanahy inian'ny manampahefana Iraniana tsy noraharahiana tamin'izany fotoana izany. Mampiseho ny fitakian'ny fiarahamonim-pirenena isian'ny fandraisana andraikitra mazava eo amin'ny governemanta izany sy fitsikerana momba ny politikany amin'ny fitsabahany ny raharahan'i Hamas sy Hezbollah.

Sokajiana ho mpanohana ny sionista ireo izay tsy miaraka amin'ny politikan'ny governemanta Iraniana. Midika te-ho lasibatra ny manameloka ny Hamas imasom-bahoaka. Niharan'izany toe-javatra izany ny Birao ho Fanamafisana ny Firasainkina [Daftar-e Tahkim-e Vahdat], fikambanan'ny mpianatra Iraniana sady manohitra ny Hamas no manohitra an'i Isiraely tamin'ny ady farany teo tao Gaza ary nantsoin'i Kayhan hoe “Radio Isiraely”, gazety mpandala ny nentin-drazana sady mifandray amin'ny biraon'ny Lehibe Faratampony.

Tao amin'ny gazety Zamaneh Tribune, mpanoratra ny tsy olantsika i Palestina [fa] nanoratra hoe:

“Misy ireo olona milaza fa feom-bahoaka ary mihevitra fa olantsika ny zava-mitranga ao Palestina ary jerena tahaka izany ny olantsika sy ny fifandraisantsika amin'izao tontolo izao. Izay rehetra tsy manaiky azy ireo dia [voampanga] ho jadona sy mpanavakava-bolokoditra.”

Na dia eo aza ny politika mampijaly, misy ny fanohanan'ny fiarahamonina ao Iran an'i Palestiniana. Mampiseho ny hetsika teo anoloan'ny masoivoho Isiraely ao New York ity sary ity izany natrehin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrona Havaar, ary manohitra ny ady, ny fanasaziana sy ny famoretana ataon'ny fanjakana .

Iranians in solidarity with Palestinians

Sary avy amin'i Havaar: fisantaran'andrakitry ny Iraniana ho fanoherana ny ady, ny fanasaziana sy ny famoretana

Taminà lahatsoratra antsoina hoe Ratram-perin'i Palestina, Mikhak [fa] nandresy lahatra amin'ny fanohanana ny vahoaka Palestiniana, hoy izy:

“Ny fihevitra tsara amin'ny fahazoana tombontsoa amin'ny olana ao Palestina dia ny fanohanana ny Palestiniana. Fa ny tsy fanohanana ny Gazaita satria ny Hamas no eo amin'ny fitondrana na satria ny nifidy ny Hamas izy ireo dia tahaka ny hoe mendrika ny hijaly isika noho ny habibian'ny Repoblika Islamika [ao Iran].”

Manohy ny lahatsorany tamin'ny fanamelohana ny firehan-kevitra Hamas ny mpanoratra ary manohana ny Palestiniana.

Navoakan'i Tori Egherman

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.