Mikomy Ireo Gadra Rosiana, Manofahofa Faneva Hoe “Ampio Izahay Azafady,”

Nandritra ny herinandro tao amin'ny fonjan'i Kopeysk, eo ivelan'ny tanànan'i Chelyabinsk, gadra eo amin'ny 250 eo no nanomboka nanao fihetsiketsehana teny an-tampon'ny tranobe, nilanja sora-baventy [ru] miangavy hoe “ampio izahay azafady” ary nitaraina momba ny fampijaliana sy ny fanendahana atao azy ireo. Penal Colony 6 (fonjan'ny tanora) (fantatra tsotra amin'ny hoe “shestyorka”) no efa niharan'ny fanararaotana tany am-ponja, ary na ny Governoran'i Chelyabinsk, Mikhail Yurevich aza vao haingana nanome tsiny [ru] ny fomba fitantanana ireo gadra ao amin'ny fonjan'ny faritra izay miteraka “famonoan-tena marobe.” Voalaza tao amin'ny fampahalalam-baovao Rosiana sy ny tontolon'ny bilaogy ho toy ny “aretina” (fikomiana), miezaka miala amin'ny herisetra ireo gadra ao Kopeysk. Ho solon'izany, mandà tsy hidina amin'ny tafon'ny tranoben'ny fonja iray izy ireo. Nanomboka nitokona tsy hihinan-kanina ihany koa ny maro tamin'ireo gadra

Mibilaogy momba ny tetikasa antserasera Gulagu.net [ru] (“tsia amin'ny Gulag”), nitatitra mivantana avy ao amin'ny toerana ao Kopeysk i Oksana Trufanova. (Trufanova no nanampy tamin'ny toko Chelyabinsk momba ny “Russkii Verdikt,” fikambanana nasionaly natokana hiarovana ireo Rosiana voampanga ho mpanavakava-bolokoditra mahery fihetsika.) Navoaka tamin'ny 24 Novambara ny lahatsoratra voalohany [ru] nosoratany momba ny tantaran'ny fonja, fanehoan-kevitra 900 hatramin'izao no hita tamin'izany. Nanomboka teo, nanao fanadihadiana momba ny fifandonana teo amin'ny polisy sy ny havan'ireo gadra teo ivelan'ny vavahadin'ny fonja i Trufanova. Naratra izy nandritra izany [ru] tamin'ny Asabotsy, nilaza izy fa notafihan'ireo mpiambina izy sy ireo vondron'olo-tsotra mipetraka tsara tsy nihantsy ady. Lahatsary maromaro mivezivezy ao amin'ny YouTube (jereo ity ambany ity) no mampiseho lehilahy iray maratra eo amin'ny lohany, angamba noho ny fifandonana tamin'ireo mpitandro ny filaminana raha iny izy sahy nanatona akaiky teo amin'ny vavahadin'ny fonja. Taminà lahatsary iray hafa, fiara iray vakivaky fitaratra noho ny kibain'ny pollisy no hitan'ny mpijery ao.

http://youtu.be/iJ6-5QjNkgY

Mpisera ao amin'ny LiveJournal, Oleg Lurie nibilaogy imbetsaka momba ny toe-javatra ao Kopeysk, ary nandefa [ru] lahatsary tao amin'ny YouTube ahitana resadresaka niarahany tamin'ireo gadra telo taloha, nilaza ny tsirairay tamin'izy ireo fa samy efa niharan'ny fampijaliana nandritra ny fitazonana azy ireo an-tranomaizina tao Chelyabinsk oblast. Io koa Lurie fa nitsikera ny asan'i  Alexey Sevastianov, mpanelanelana momba ny zon'olombelona ao amin'ny governemanta rezionaly, ihany koa. “Mpiaro ny zon'olombelona sasany’ […] no miezaka mampiseho [izany fifandonana teo amin'ny polisy sy ny fianakavian'ny gadra izany] fa toy ny fihetsika efa nomanin'ireo mpanakorontana sompatra ny zava-niseho,” nitaraina i Lurie tamin'ny 25 Novambra.

Nampahatezitra ny maro, nankatòavin’ [ru] i Sevastianov ny tatitry ny polisy fa ireo vahoaka tao ivelan'ny fonja no nanafika ireo mpiambina tamin'ny vaingan'oram-panala, tavoahangy sy fantso-by. Nandiso fanantenana ireo mpanohana marobe an'ireo gadra i Chelyabinsk, mpiaro ny zon'olombelona raha nanadihady [ru] an'ilay “Gadra Georgii D” (izay voamarina anefa ny tsaho milaza fa voavono izy noho ny fandraisany anjara tamin'ny fikomiana) ary nanambara fa tsy nahitana dianà ratra ny vatan'ilay gadra.

Pikantsary misy ilay olo-tsotra naratra teo ivelan'ny vavahadin'ny fonjan'i Kopeysk, YouTube, lahatsarin'ny parvidos, 25 Novambra 2012.

Nampiasa ny tenifototra #ИК6бунт (“penal colony 6 bunt”) ny mpisera Twitter mba hitantara momba ny fikomiana ao Kopeysk. Ao Moskoa, nisy ny fihetsiketsehana natao androany vao maraimbe ho fanohanana ireo gadra ao Chelyabinsk sy ho fanoherana ny “fampijaliana ao amin'ny fonja Rosiana.” (Tao amin'ny Facebook sy VKontakte, olona teo amin'ny 175 teo no tonga nanatrika ny hetsika.) Alohan'ny fihetsiketsehana, Ilya Klishin, olon'ny mpanohitra nandinika tao amin'ny Facebook [ru] mikasika ny fomba hitantarana ny hetsika:

Обсуждения бунта в колонии Копейска (правильнее говорить акции неповиновения) обнажили ключевую, в общем-то, проблему. Мы остаемся кастовым, сословным, классовым обществом, наполовину архаичным, наполовину постмодернистским. И идея всеобщих гражданских прав для нас все еще остается революционной.

Niteraka olana somary lehibe ny adihevitra momba ny fikomiana tao amin'ny [fonjan’] ny tanora Kopeysk (mety kokoa ny miantso izany ho toy ny hetsika tsy fankatòavana): nijanona ho saranga tranainy amin'ny ampahany sy maoderina amin'ny ampahany isika. Mbola revolisionera ho antsika ny hevitra momba ny zon'olombelona an'izao tontolo izao.

Nanoratra tao amin'ny Facebook [ru], Grigory Melkonyants, tale lefitry ny Golos (mpanohitra-mpanohana ny fanaraha-maso ny fikarakarana ny fifidianana), namoaka tantara vaovao [ru] avy ao amin'ny tranonkalan'ny fonjan'i Chelyabinsk mikasika ny fomba fitantanana ireo gadra, nanambara izy fa nahazo fahitalavitra fisa-batana (écran-plat ) 3D ny Penal Colony 6 (fonjan'ny tanora), andro vitsy talohan'ny fikomiana. “Faran'izay mampanompa izany,” hoy i Melkonyants namazivazy, alohan'ny nanampiany hoe, “Ampirimo ambanin'ny ‘zava-misy antsokosoko” izany.

Nanambara ny ankamaroan'ny tati-baovao fa nihena ireo olona teo ivelan'ny fonja Penal Colony 6, fianakaviana sasany no niezaka —  ny sasany nahavita — nitsofoka tao amin'ny lalantsaran'ny fonja. Mody milaza izy ireo fa mpanao gazety [ru] kanefa anabavin'ny iray tamin'ireo gadra manao fihetsiketsehana, iray amin'izany koa ohatra i Olga Belousova izay nitsofotsofoka moramora tany anatin'ireo mpiambina ka nahita ny anadahiny tao anatin'ny fonja. Tsy azo isalasalana fa fietanam-po lehibe ho an'ny fianakaviana Belousova izany, manasarotra ny fitantarana efa malaza eo amin'ny mpiserasera ankehitriny ny filazana fa tena tafiditra tany anaty fonja ireo olo-tsotra, sy ny fampiasana herisetra tsy amin'ny antony ataon'ireo polisy hamelezana ny fikambanan'ireo fatra-panaja ny lalàna momba ny namana sy ny fianakaviana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.