Israeliana Maneho Hevitra Amin'ny Fisintahan'i Barak Tsy Hanao Politika Intsony

Fanambaràna nahazendana no nisy nandritra ny tafatafa ho an'ny mpanao gazety nataon'ny Minisitry ny Fiarovana Israeliana, Ehud Barak, izay nitàna ny toeran'ny Praiminisitra tao Israely teo aloha (1999-2001) sy Filoha mpitarika ny IDF (1991-1995), tamin'ny nilazàny ny faniriany hisintaka ny sehatra politika ka hanokana betsaka amin'ny fotoanany ho an'ny fianakaviany. Hanohy ny maha-Minisitry ny Fiarovana azy i Barak mandra-pijoron'ny governemanta manaraka hatsangan'ny fifidianana manaraka ho avy amin'ny Janoary 2013. Ity no fanmbaràna fanindroany nataon'i Barak fa hisintahany amin'ny resaka politika, ny voalohany dia tany amin'ny taona 2011 taorian'ny naharesy azy tamin'ny fifidianana solombavam-bahoaka.

Hita ho nihena ny lazan'i Barak tato anatin'ny taona vitsy, taorian'ny nialàny tamin'ny Antokon'ny Mpiasa, izay nitarika azy hanangana antoko vaovao, HaAtzmaut. Ilay fialàny no niantoka ny naha-tafajanona azy tao amin'ny governemantan'i Netanyahu taorian'ny nilazan'ny betsaka tamin'ireo Mpikambana ao amin'ny Knesset (Parlemanta Israeliana) avy amin'ny Antokon'ny Mpiasa fa hoe hiala ao amin'ny governemanta ry zareo. Nialoha ny fanambaràn'i Barak, ny antokony, izay manana olona dimy ao amin'ny MK samy niala avy any amin'ny Antokon'ny Mpiasa avokoa, dia mihodina eo amin'ny 2% eo ny vintany hahazo seza amin'ny fifidianana.

Dudi Rosenthal nihanihany tao amin'ny Twitter mikasika ny safidy sy ny fitsingidingidin'ny lazan'i Barak :

המוזיקה נפסקה, כולם מיהרו לתפוס כיסאות ורק אהוד ברק ממשיך לרוץ מסביב כמו מפגר

@DudiRosenthal: Niato tampoka ny hira ary dia samy nihazakazaka hahazo seza daholo ny rehetra afa-tsy Ehud Barak irery sisa no nanohy nihodinkodina toy ny tsy ampy saina teo.

Ny lalàna Israeliana mametraka fa ny iray ampahatelon'ny MK avy amin'ny antoko farafahakeliny no tsy maintsy miala amin'ny antoko nisy azy vao afaka mamorona antoko vaovao. Niezaka nandresy lahatra solombavambahoaka efatra i Barak mba hisintaka niaraka taminy (nanana seza 13 ny Antokon'ny Mpiasa), saingy ny fanambaràna androany dia efa manome toky sahady ankehitriny fa ho kely ny vintan'ny antokony hahazo seza amin'ny fifidianana.

Dimi Reider, Israeliana mpanao gazety, nanamarika hoe :

@dimireider: Moa va ity tsy hoe “K** ianareo, ataovy izay ataonareo” amin'ny fomba mahafinaritra ho an'ireo tsy misy hazondamosina nanaraka azy tamin'ny lalao ratsy Atzmaut

Hatramin'ny nampiparitahan'i Barak ny Antokon'ny Mpiasa, izay  solombavambahoaka valo sisa ny azy no tavela, dia niverina nahazo  ny toerany indray ilay antoko teny anaty fitsapan-kevitra teny. Gil Gangnam Klein misary gaigy hoe :

באתי, הרסתי כל מפלגה שיכלתי, פרשתי. #אהוד.ברק.אוטוביוגרפיה

@Garkler: Tonga aho, nopotehako daholo izay antoko rehetra azoko nopotehana, misintaka aho avy eo. #EhudBarakAutobiography

Ilay mpanao sariitatra mahatsikaiky avy amin'ny elatra havia, John Brown, nanova ny sarin'ny Filloha Amerikana Nixon taorian'ny fametraham-pialàna mahamenatra nanjo azy :


Nandritra ilay tafatafa ho an'ny mpanao gazety, nitanisa ny tsy fahampian'ny fahazotoany ara-politika intsony izy ho toy ny antony iray amin'ny fisintahany. Nibitsika momba io i Noa Mashiah :

כשברק אומר שהפוליטיקה לא היתה אצלו מושא תשוקה, זיינת אותנו בלי חשק?

@mashiahno: Rehefa miteny i Barak fa hoe tsy nanana faniriana ara-politika velively izy, [tsy midika ve izany] hoe manao anay ho k** tsy nahita fafiny ianao?

Jonathan nihanihany ao amin'ny Twitter:

אתם סתם קטנוניים ומתעלמים מכל הדברים הטובים שברק עשה. הייתי מפרט, אבל כבר כתבתי את זה בשירות המיקרו-בלוגינג המתחרה שמגביל סטטוסים לאפס תווים

@CatRobotIL: Tia tena tsotra izao fotsiny ianareo ka minia tsy mahita izay zava-tsoa rehetra nataon'i Barak. Tiako hovelabelarina, saingy efa nanoratra mikasika azy ity aho tany aminà sehatra iray mpifaninana sy fitorahana bilaogy kiritika izay mametra ny fampakarana rehetra ho ‘aotra’ tarehintsoratra.

Ireo sasany mpisera anaty aterineto dia nanoratra mikasika ny andraikitr'i Barak tamin'ny fibaikoana ny ‘opération’ Andry ho Fiarovana natao vao haingana teo tany Gaza.

Ny bilaogera Ido Kenan nanoratra hoe:

אז עמוד ענן היה מתנת פרידה? איזה חמודוש, לא היית צריך!

Araka izany dia fanomezana ho fanaovam-beloma farany ilay Andry ho Fiarovana ve? Mahafatifaty loatra, tsy tokony ho nanao izany ianao

Shachat B. Cotani, mpikatroka mafàna fo avy amin'ny Elatra Havia, nanoratra hoe:

להתראות ותודה על המתים

Mandram-pihaona àry dia isaorana tamin'ireo maty e

Ilay mpisolovava malaza, mpiaro ny zon'ny mpifindra monina, Yadin Elam, dia nampakatra ny saribe tamin'ny fampielezan-kevitra farany nataon'i Barak, izay milaza fa “olon-dehibe tomponandraikitra no ilaintsika eto”, ary navadiny ho fihomehezana tamin'ny fitanisàna ny tononkiran'ilay hira malazan'i Zohar Argov :

אז כבר לא צריך כאן מבוגר אחראי? נישאר יתומים?
בדד? בלי עתיד, בלי תקווה, בלי חלום?

Tsy mila intsony olon-dehibe tomponandraikitra ary ve izany isika eto e? Ho kamboty? Irery? Tsy manana hoavy, tsy misy fanantenana, tsy manana nofinofy?

Assaf Appelboim nibitsika hoe :

מכירים את זה שאחרי הרבה זמן פורשים בשיא? אז ברק, רק ההיפך.

@Appelboy7: Fantatrareo fa rehefa aorian'ny fotoana lava be nandaozan'ny olona dia mbola mitoetra ao an-doha hatrany izy ireny? Fa izao, ny mifanohitra amin'izany [no nataon’] i Barak.

Dkapuchino naneso ny fiainana lafatr'i Barak tamin'ny fibitsihana hoe :

זה השלב שהוא פורש לנהל חיים צנועים בבקתה הצנועה שלו במגדל גינדי?

@dkapuchino: Ity ve no ampahan'ny tantaran'ny fisintahany handehanany hiaina fiainana tsotsotra kokoa any amin'ny tranony ao amin'ny Gindi Towers? [toeram-ponenana lafo vidin'i Barak]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.