Mifanohitra Amin'ny Lalampanorenana Ve ny Fifidianana Ho Avy Any Japana?

Nisy vondrona mpisolovava nampakatra tamin'ny Fitsarana Ambony tao amin'ny distrikan'i Tokyo fa tsy mifanaraka amin'ny Lalapanorenana ny fifidianana ankapobeny ho avy. Saingy nolavin'ny Fitsarana ny raharahan'izy ireo tamin'ny 21 Novambra 2012.

Nofoanan'ny Praiminsitra Yoshihiko Noda ny Antenimieram-pirenena Japoney tamin'ny 16 Novambra 2012 ka niantso fifidianana ankapobeny indray izy amin'ny 16 Desambra 2012. Araka ny nolazain'ireo vondrona mpisolovava ireo dia samihafa araka ny fari-pifidianana ny lanjan'ny vato iray ary noho izay fahasamihafan'ny sandan'ny vato izay no nilazany fa tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana ny fifidianana kasaina hotontosaina.

Japan's Vote Disparity Heatmap

Sarintany avy amin'ny bengo4.com mampiseho ny sandan'ny vato tsirairay. Sary azo aparitaka malalaka ary nahazoana alalana fanindroany

Azavain'ny sarintany [ja] ny lanjan'ny vato tsirairay any amin'ny fari-pifidianana samihafa ho an'ny antenimieram-pirenena izay eo ambanin'ny rafi-pifidianana mifidy toerana tokana. Ny faritra miloko mena dia ireo latsaky ny antsasany ny sandan'ny vato iray. Nokajiana araka ny isaky ny mpifidy amin'ny fari-pifidianana tsirairay io, mampiseho ny fahasamihafan'ny lanjam-bato any amin'ny faritra vitsy mponina amin'ny faritra be mponina. Araka ny habaka ippyo.org, nivondrona ny fiaraham-bondron'olona hiresaka momba ity olana ity, ny sandan'ny vato tsirairay ao amin'ny distrikan'i Osaka dia kaontiana ho 0,57 amin'ny fifidianana antenimieram-pirenena ary 0,21 amin'ny fifidianana antenimieran-doholona.

Tamin'ny volana lasa, 17 Oktobra 2012, nanpaka ny Fitsarana Tampony fa tsy mifanaraka amin'ny Lalampanorenana ny fifidianana loholona tamin'ny 2010 izay ahitana fahasamihafana hatramin'ny 5 noho 1. Tahaka izany ihany koa ny talohaloha kokoa tamin'ny Marsa 2011, nanapahan'ny Fitsarana Tampony fa tsy nifanaraka tamin'ny Lalampanorenana ny tsy fitovian-danjan'ny fisoloantenan'ny distrika tamin'ny 2009.

Tamin'ny 15 Novambra 2012, nolaniana ny fanitsiana ny fomba fifidianana [ja] ary hojerena indray ny fampihenana ny elanelan-tsandam-bato amin'ny fari-pifidianana loholona. Saingy, tsy mazava ny hampiharana io fanitsiana io amin'ny fifidianana depiote.

Electoral Reform Bills Passed in Lower House

Fandaniana ny fanitsiana ny rafi-pifidianana tao amin'ny antenimieram-pirenena. Sary nopihana tamin'ny lahatsary tao amin'ny www.shugiintv.go.jp

Nampiasaina ny tenifototra #ippyo tao amin'ny Twitter hiadian-kevitra momba ny elanelan-tsanda isaky ny vatom-pifidianana.

@kijyoker:

今回野田総理は違憲状態のまま衆議院を解散して総選挙する。つまり今度の選挙も国民の意思が反映されない状況下で選挙することになる。当初はメディアも取り上げていたが、今は選挙報道中心でそのことにはあまり触れてはいない。こんな状況がいつまで続くのか。 #ippyo

Tamin'ity indray mitoraka ity, noravan'ny Praiminisitra Noda ny parlemanta ary niantso fifidianana nefa ny fari-pifidianana mijoro mbola mampitoetra azy ho tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana. Tahaka ny tsy hitondra taratra amin'ny hevitry ny olo-pirenena izany. Voalohany, hitantsika ny fitateran'ny vaovao momba ity lohahevitra ity, saingy miresaka kokoa momba ny fifidianana ry zareo fa zara raha miresaka momba ny tsy maha-mifanaraka amin'ny lalampanorenana ny toe-draharaha. Manontany tena aho amin'ny ho faharetan'izany toe-javatra izany. #ippyo

Mpisera Twitter watakenn3 miresaka fa tsy vaovao ity olana ity ary efa nihalohalo hatry ny ela:

@watakenn3:

学校で習う選挙制度とか単なるテスト対策用語として扱いで、問題として認識されて無いからなぁ。例えば「一票の格差」とか数十年前の教科書にも乗ってるし、きちんと教えられてるんだから国民の60%ぐらいは認知してる筈なんだけどね。そんなに進展ない状況のまま今日まで来たわけで

Tany an-tsekoly, nianatra momba ny rafi-pifidianana mba hiomanany amin'ny fanadinany fotsiny ny olona. Tsy noheverina ho olana izy io. Efa hita tamin'ny boky folo taona noho ny mihoatra ny voambolana “fahasamihafan-tsandam-bato amin'ny fari-pifidianana samihafa” ary mihevitra aho fa efa mahafantatra momba io ny tokony ho 60% n'ny mponina. Saingy tsy nisy loatra ny fandrosoana.

Niresaka amin'ny tokony hamahana ny elanelam-pisainana eo amin'ny taranaka roa mifandimby eo amin'ny rafi-pifidianana ihany koa ny mpisera hafa yusaku79 :

@yusaku79

せめて世代別の人口格差が埋まるように選挙における一票を重み付けして欲しい

Mitady rafitra vaovao hamahana ny fifanalaviran'ny mponina eo amin'ny zenerasiôna isam-bato aho.

「一票の格差」で二分の一票になっちゃうんだから、二票入れたい。

Raha atsasaky ny vato iray ny sandan'ny vato iray, nahoana aho no tsy afa-mifidy in-droa.

Heverina hotanterahina amin'ny 16 Desambra ny fifidianana ankapobeny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.