Miala An-daharana ilay Mpirotsaka Ho Filoham-pirenena Mamim-Bahoaka Tao Korea Atsimo

Miaraka amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hatao afaka iray volana, hagagàna ny an'ireo Koreana Tatsimo nony niala an-daharana tampoka tamin'ilay hazakazaka ilay lohalaharana amin'ny fandaharana an'ireo mpirotsaka ho fidiana. Ity hetsika ara-politika tsy mbola nisy toa azy ity dia ilay Koreana Tatsimo mpandraharaha mamim-bahoaka lasa nanao politika no nanao azy, Ahn Cheol-soo, izay be no nahita azy ho toy ny kandida tsy mpanao politika sy tsy mpanao kolikoly indrindra teo amin'ny tantara politikan'ny firenena.

Ahn Caricature

Sariitatra maneho an'i Ahn, nakarin'ilay mpampiasa Flickr 안철수의 진심캠프 (CC-BY-NC-SA 2.0)

Toerana tokana no tànan'i Ahn  eo amin'ny tontolo politika sy ny fandraharahana ao Korea Atsimo; izy no nanorina ilay orinasa mpanao rindrambaiko ‘antivirus’ , AhnLab, ary iray amin'ireo mpandraharaha sangany ao amin'ny firenena. Dokotera ihany koa izay, manana diplaoma Ph.D sady profesora  fahiny sy zokiolona ao amin'ny Anjermanonolom-pirenena ao Seoul izay manana ny maha-izy azy. Vao haingana i Ahn no nampitolagaga satria mpanao politika tsy fahita firy rehefa nandà ny handray ilay vintana volamena natolotra azy ho lasa ben'ny tanànan'i Seoul, izay ny fitsapan-kevitra rehetra dia nanondro an'i Ahn mpandresy tsy ihambahambàna.

Na dia mirna miandàlana mankany amin'ny politika aza izy, manana ny lazany eny anivon'ireo liberaly, ny tony fihetsika sy ireo mpifikitra amin'ny nentin-drazana kosa i Ahn,.

Ny  23 Novambra 2012, nanao fanambaràna i Ahn fa mety hisintaka izy ary hanome ny fanohanany ho an'ilay mpirotsaka avy amin'ny Antoko Demokratika, Moon Jae-in, na dia eo aza  ny laza beny. Tsy mbola nisy toa azy ny fihetsiny, zavatra iray tsy fahita firy amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena Koreana Tatsimo, izay aleon'ireo mpirotsaka aza tsy hisy mangirana izany resaka fifampiraharahana izany. Io dia nahatonga ireo mpikirakira aterineto hidera azy sy koa nalahelo. Ny fanehoan-kevitra iray isan'ny be mpifidy indrindra, dia ilay nosoratan'ny mpikirakira aterineto mampiasa ny solonanarana : gusa**** , mivaky hoe [ko] :

어제 사퇴 기자회견 중 안철수 씨가 말한 내용 중 “제가 대통령이 되어 새로운 정치를 펼치는 것도 중요하지만 정치인이 국민 앞에 드린 약속을 지키는 것이 그 무엇보다 소중한 가치라고 생각합니다.” 다른 모든 정치인들이 좀 보고 배우고 느끼는게 있었으면. 제발.

Niteny an'ity i Ahn nandritra ny tafatafa ho an'ny mpanao gazety omaly.  Na dia zava-dehibe aza ny haha-filoham-pirenena ahy sy hanombohana politika vaovao eto amin'ity firenena ity, hitako mavesa-danja kokoa ny fanehoan'ny mpanao pilitika iray fa hoe mitàna ny fampanantenana nataony tamin'ny vahoaka izy.” Tena manantena fatratra aho fa mba haka lesona avy aminy ireo hafa mpanao politika. Miangavy azy ireo aho.

Ireo tanora mpanohana dia tena diso fanantenana manokana. Ny bitsika mahonena avy amin'i @ssong_a0321 mikasika ireo tanora mpifidy very faharisihana ara-politika avy hatrany noho ny fisintahan'i Ahn dia nahangona fampiakoana bitsika maro be. [ko]

어제 일부 대학생들이 안철수 출마포기했더니 투표를 아예 안하겠다고 해서 제가 일갈한 글이 지금도 리트윗. 355번 리트윗. 끄악. 이제 고만 좀 했으면

Ny sasany amin'ireo mpiara-mianatra no niteny fa aleon-dry zareo misafidy ny tsy handeha hifidy taorian'ny nandrenesany fa tsy ho isan'ny mpihazakazaka intsony i Ahn. Noho izany dia nanao fanamarihana masiatsiaka mikasika izay aho. Dia, izay. nisy namerina nandefa in-355 io bitsika io. Miangavy, aleo mba hatsahatra io.

@anarchisant nanoratra [ko] mikasika mpanohana iray tena tezitra mafy, izay tsy maintsy naka fotoana ela mihitsy hisainana ilay vaovao :

어제 트친 한 분은 안철수 양보에 멘붕을 해서 문재인과 진중권에게 직접 멘션으로 욕설을 하고 자신의 팔로잉 대부분을 언팔하심.

Iray amin'ireo namako eto amin'ny Twitter no nahazo aretin-tsaina mihitsy nony nandre ny fanambaràn'i Ahn, noho io dia nandefa bitsika manozona izy ho an'i Moon Jae-in sy Jin Joong-kwon [fanamarihana: Jin dia mpanao fandalinana momba ny kolontsaina avy amin'ny elatra havia sady iray amin'ireo Twitterers be mpanaraka indrindra] ary dia niala tsy hanjohy intsony ireo olona nahazatra azy ny nanjohy azy.

Ahn speaking at a press conference

Ahn niteny nandritra ny tafatafa iray ho an'ny mpanao gazety, Nakarin'ilay mpampiasa Flickr  ì•ˆì² ìˆ˜ì˜ ì§„ì‹¬ìº í”„ (CC-BY-NC-SA 2.0)

Ny antony nanapahan'i Ahn, izay nihazakazaka amin'ny anaran'ny tsy miankina, hevitra hanohana ny mpirotsaka avy amin'ny Antoko Demaokratika, Moon, dia ny mba tsy hiparitahan'ny vaton'ny liberaly ho any amin'ny mpirotsaka natolotry ny antoko eo amin'ny fitondrana, ny mpifikitra amin'ny nentin-drazana. Ny antoko mitondra, Saenuri dia ratsy laza eny anivon'ireo tanora mpifidy noho ireo tantara ratsiny tsy voatanisa intsony ary ilay mpirotsaka natolony, Park Geun-hye, dia malaza ratsy amin'ny maha-zanaka vavin'ny filoha teo aloha Park Chung-hee azy, olobe nahabe resaka nifehy ny firenena tamin'ny fomba tsy refesi-mandidy sady nanafoana ny fahalalahana miteny sy ny demaokrasia.

Ny mampanahy [ko] ireo tanora liam-pandrosoana mpikirakira aterineto dia ny hoe raha i Ahn manana ny fiaraha-mientan'ireo mpanohana, Moon kosa tsy ampy tohana avy any ifotony tahaka izany ary ny fisafidianana an'i Moon hihazakazaka handresy ny mpirotsaka avy amin'ireo mpifikitra amin'ny nentin-drazana dia mety hikiky sy hanimba ny vintana tokony handresena amin'ny fifidianana. @pluto__134340 mampitandrina [ko] fa ny antoko mpifikitra amin'ny nentin-drazana, izay mahatsiaro ho mibohaboha taorian'ny nivoahan'ny vaovao, dia efa miasa sahady toy ireny hoe efa nandresy tamin'ny fifidianana ireny ry zalahy.

새누리당 의원들. 문재인과의 양자구도니 벌써 이긴것처럼 굴지 마라 역겨우니까.[…]당신들 의원나리들이 깍아먹은 박근혜 표만해도 10%는 될테니, 그냥 입다물고 유권자들 얘기만 듣고 댕겨라.

Ry mpikambana ao amin'ny antoko Saenuri  — aza manao fihetsika ho toy ny efa nandresy an'i  Moon Jae-in tamin'ny fifidianana sahady ianareo. Tena faran'izay mankaloiloy (ny mahita anareo mitondra tena toy izany) […] Raha afaka nanisa vato izahay dia resy ireo mpikambana avy amin'ny antokonareo (mpanao kolikoly), mety ho mira amin'ny 10%-‘ny vaton'ny Park. Noho izany, miangavy, akombony ny vava ary henoy ny feon'ny mpifidy.

Nisy ireo fanehoan-kevitra maro tamim-pahatoniana, tahaka ny nomarihan'i @comet35733 [ko] :

안철수의 사퇴가 그의 진심,담대함,아름다움을 증명했지만 그렇다고 정책과 정치행보가 옳았다고만은 할 수 없다.분명히 비판받을만한 미진함이 있었다.안철수의 사퇴는 남을 탓하느것이 아닌 자신의 부족함을 인정한 것.안지지자도 외부로 향하는 “탓”은 자제하시길

Noporofoin'i Ahn ny maha-olona tsotra sy marina azy, ny fahasahiany sy ny maha-olo-mendrika azy tamin'ny nisintahany. Saingy tsy midika izany fa hoe ny politikany sy ny zotrany ara-politika dia nety tsara. Tena nisy mihitsy ireo zavatra nilàna asa ary nokianina. Ny fileferan'i Ahn dia fomba fanehoany azy manokana ny fahafantarany hoe mbola misy fahaiza-manao tsy ampy ao aminy (hihazakazahana ho filoham-pirenena) ka tsy natao hanakianana ny hafa. Noho izany, ianareo mpanohana an'i Ahn, atsaharo ny fanomezana tsiny ny hafa amin'io.

Iray volana latsaka sisa dia efa fifidianana, @bang20 nanipika [ko] ny nahatonga ny tontolo politika ho lasa ambony ambany amin'izao fotoana

난전임.. 안철수 반발파, 문재인 지지자, 진보주의자, 수꼴 알바까지… 뒤얽켜 대난장판..

Tontolo mikontaontaona re izao. Ny tarik'ireo mpanohitra an'i Ahn, mpanohana an'i Moon Jae-in, ireo andian'olona mpanao politika sy liam-pivoarana noraisin'ny mpitahiry ny nentin-drazana — ireo rehetra ireo mifangaro no mamorona ny tontolo mikorontana sy feno kolikoly na “pandemonium”

Books about Ahn

Sarin'ny Tantaram-piainan'i Ahn sy Moon, boky ho an'ny ankizy, Nakarin'ilay mpampiasa Flickr 편집장 (CC-BY-NC 2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.