Bolgaria: Revolisiona Voatabia

Nanao famoriam-bahoaka teo anoloan'ny Antenimiera Bolgariana ny vahoaka tamin'ny 24 Novambra, ary nampahafantatra tamin'ny fomba ofisialy ilay fantatra amin'ny anarana hoe” Revolisiona Voatabia”.

Mandrahona ny Antenimiera ny voatabia

The logo of the Tomato Revolution Facebook event. Screenshot adapted by the author

Sary famantarana ny Revolisiona Voatabia tao amin'ny hetsika Facebook. Pikantsary nataon'ny mpanoratra.

Tamin'ny 9 Novambra, namoaka ny sarin’ [bg] ny lapan'ny Antenimiera feno saosy voatabia ny fampahalalam-baovao tsy miankina OFFNews. Tsy fantatra izay olona nanao izany sy ny antony nanaovany izany.

Tamin'ny 4 Novambra, Nikolay Kolev, aka Bossiya (Tsy mikararo), namoaka taratasy misokatra [bg] tao amin'ny bilaoginy, nandrahona mivantana fa hanipy voatabia eo amin'ny tranoben'ny governemanta, satria niampanga ny manampahefana Bolgara ho tompon'andraikitra amin'ny fihanaky ny kolikoly ao amin'ny firenena izy. Nalefa ho an'ny Antenimiera, ny filoha, ny Praiminisitra, ny Filan-kevitra Ambonin'ny Mpitsara, ny Onjam-peo sy ny fahitalavim-pirenena Bolgariana  ny taratasy. Hoy i Bossiya nanoratra:

 

Всички вие ръководите институции, които са пряко свързани със състоянието на страната ни за последните години. Затова и смятам, че вие сте основни виновници за ужасното състояние на страната и обществото.В страната цари корупция, престъпност, безотговорност, информационна мъгла, слугинаж, деморализация. Празните приказки и театрални пози и монолози ежедневно замъгляват съзнанието и надеждите на обществото като цяло, както и на всеки един български гражданин отделно.

Samy mitantana andrim-panjakana ny tsirairay aminareo izay tompon'andraikitra mivantana amin'ny toe-draharaha misy eto amin'ny firenena tao anatin'izay taona vitsy izay. Izany indrindra no mahatonga ahy hihevitra fa ianareo no meloka voalohany amin'ny toe-draharaha mampatahotra eto amin'ny firenena sy ny fiarahamonina. Kolikoly, vono olona, tsy fandraisana andraikitra, vaovao mampisavorovoro, fitondrantena mpanaraka ambokony sy ny fahakiviana no manjaka eto amin'ny firenena. Tetika maizimaizina sy fihetsika amboamboarina ary resaka mandeha tsy voizina no manamaizina isan'andro ny fanahy sy ny fanantenan'ny fiarahamonina rehetra sy ireo Bolgara tsirairay avy.

Tao amin'ny taratasiny misokatra, nampiseho ny antsipirihan'ny hetsika an'ohatra milamina ataony ihany koa i Bossiya :

На 20 ноември /вторник/ ще закупя от пазара 6 /шест/ развалени домата и ще ги разпределя по един за шестте институции, към които съм се обърнал. В 10 ч ще бъда пред Народното събрание, където ще хвърля един домат по фасадата, с което ще изразя протеста си срещу липсата на ориентация, професионализъм и патриотизъм при изготвяне на законите. Ще запратя домата протестирайки срещу лошите текстове на законите, носещи само нещастия на обществото и отделния български гражданин. Законът трябва да бъде обществено полезен, а не изработен срещу човека.

След това ще отида пред президентството и ще запратя по фасадата му следващия домат. Той ще бъде срещу нищоправенето от страна на президентската институция, наведената поза при среща с представители на великите сили и назначението на отрепки за дипломати. Срещу безкритичното отношение при подписването на укази за влизането на законите в сила.

Третият домат ще бъде хвърлен срещу сградата на МС заради цялостната му политика и действията му срещу обществото и националните интереси.

Четвъртият домат ще бъде хвърлен от мен срещу съдебната палата. За моите съотечественици не е необходимо да обяснявам защо.

Петият и шестият домат ще хвърля по БНТ и БНР поради това, че с нашите пари те обслужват една малка шайка от политически престъпници и мафиоти.

Amin'ny Talata 20 Novambra, hividy voatabia lò 6 (enina) eny amin'ny magazay lehibe aho ary hizara izany ho an'ireo andrim-panjakana enina tsirairay avy izay resahiko eto. Amin'ny 10 ora maraina, ho eo anoloan'ny Antenimiera aho, ary hitoraka voatabia eo anoloan'ny tranobe ho fanoherana ny tsy fisian'ny soridàlana, ny maha-matihanina sy ny fitiavan-tanindrazana eo amin'ny famolavolana ny lalàna. Ho ataoko izany ho fanoherana ireo fotopoto-dalàna ambany kalitao izay tsy mitondra afa-tsy fahavoazana mafy ho an'ny fiarahamonina sy ny olom-pirenena Bolgara. Tokony ilaina amin'ny ara-tsosialy ny lalàna, fa tsy atao hamelezana olona.

Avy eo, handeha ho eny amin'ny lapam-panjakana aho ary ho hatsipiko eo amin'ny lafin-trano ivelany indray ny voatabia manaraka. Ho fanoherana ny tsy fihetsehana maharitra ataon'ny andrim-panjakan'ny prezidansa, sy ny fahambanian'ny fihetsiny rehefa mihaona amin'ny solontena iraisam-pirenena ary koa ny fanendrena ireo faikan'olona ho diplaomaty. [Ho hatsipiko izany] ho fanoherana ny hetsika mila ranondranony amin'ny fanaovana sonia ireo didim-panjakana ho hampiharina.

Ho hatsipiko eo anoloan'ny biraon'ny Praiminisitra kosa ny voatabia fahatelo noho ny politikany ankapobeny sy ny  asany tsy mitondra tombotsoa ho an'ny fiarahamonina sy ny ho an'ny firenena.

Ho hatsipy ao amin'ny Lapan'ny Fitsarana kosa ny voatabia fahaefatra. Tsy mila hazavaiko amin'ny mpiray tanindrazana  intsony hoe nahoana.

Ny voatabia faha-dimy sy faha-enina kosa dia ho hatsipiko ao amin'ny Onjam-peo sy Fahitalavi-panjakana  Bolgara satria miasa amin'ny volantsika ho an'ireo vondrona mpanao politika mpamono olona izy ireo.

Tamin'ny Talata 2O Novambra, voasambotra [bg] teo anoloan'ny Antenimieram-pirenena i Bossiya, fantatra fa polisy 40 no napetraka hiandry sy hisambotra azy. Nifanipaka tanteraka ny fihetseham-po, fampahalalam-baovao sasany nitsipaka ny fihetsiny ho toy ny “lainga”” [bg], raha toa kosa ka nanohana azy ny hafa [bg]. Mifanohitra ihany koa ny fihetsik'ireo mpanao politika, nambaran'ireo mpiserasera tao amin'ny Twitter izany fihetsika izany :

@VeselaAngelova: Добре де, ако са нужни 40 полицаи, за да арестуват човек с домат, за човек с патлангач сигурно ще викаме НАТО или нещо такова.

Eny, raha polisy 40 no ilaina hisambotra lehilahy iray miaraka amin'ny voatabia, raha miaraka amiin'ny baranjely izany mila miantso ny OTAN isika na mitovitovy amin'izany.

@SlaviVIP: Некъв мизерник хвърлил домат по парламента днес и вече е “светец”, ето заради такива боклуци държавата е на този хал. А този е за Белене!

Olona tsy ampy kely nitoraka voatabia androany teo amin'ny Antenimieram-pirenena ary nanjary “masina” izy ankehitriny, noho izany adala izany no mahatonga ny firenentsika anatin'izao toe-draharaha izao.

Naneho hevitra manoloana ny tsy fifandanjana amin'ny fidiran'ireo mpitandro ny filaminana 40 an-tsehatra mba hisambotra olona iray, namazivazy toy izao ireo mpiserasera:

@benkovski: @tourbg @cipisec Али Домат и 40 разбойници

Ali Voatabia sy ny mpangalatra 40 [Milaza momba an'i “Ali Baba sy ireo mpangalatra 40,”]

@gtsmilev: @CapitalBg Стола на парламента ще се казва “Дон Домат”

Ho antsoina hoe “Don Tomato” ny fihinanan-kanin'ny Antenimiera

Fotoana fohy taty aoriana, nanambara ny fampahalalam-baovao fa voarohirohy ho “jiolahy mpanakorontana” i Bossiya ka mety hahazo sazy an-tranomaizina roa taona. Natsangana ny Vondrona Facebook [bg] “Tomatina — Revolisiona Voatabia” ho fanohanana an'i Bossiya ary niantso ho amin'ny fihetsiketsehana sy fitorahana voatabia saimbolik izy ireo teo amin'ny Antenimiera tamin'ny 24 Novambra .

“Voatabia tsirairay — Baomba ho fanoherana ireo Mpitondra”

Nahazo tosika sy fanohanana betsaka ny hetsika [bg], olona maherin'ny 1000 no nilaza fa hoavy hanatrika ny fihetsiketsehana. Nitatitra [bg] ny fampahalalam-baovao fa mpivarotra legioma ao amin'ny magazay lehibe be olona ao Sofia no tsy nampandòa vola ireo olona tonga nividy voatabia raha toa ka ampiasana amin'ny fihetsiketsehana izany.

 

"Wake up, the mafia rules us!" A banner from the demo. Image by Ruslan Trad (CC-by-SA 3.0)

“Mifohaza, mitondra antsika ny mafia!” Sora-baventy tao amin'ny fihetsiketsehana. Sary: Ruslan Trad (CC-by-SA 3.0)

Nalefan'i Assen Guenov mivantana ny fihetsiketsehana tamin'ny 24 Novambra, mpandray anjara tamin'ny fisantaran'andraikitra tsy miankina Open Government (Governemanta Misokatra) i Assen. Hoy ireo mpandray anjara sasany nisioka:

@reguligence: Полицейското присъствие около НС е стабилно. #TomatoRevolution

Mafonja ny fisian'ireo polisy manodidina ny Antenimiera #TomatoRevolution

@GerganaBoteva: По канал 3 казаха, че има около 300-400 човека #TomatoRevolution

Nanambara ny fahitalavitra fantsona 3 fa olona 300-400 no tonga nanatrika ny hetsika #TomatoRevolution [Fahitalavitra tsy miankina ny fantsona 3 izay nandefa mivantana ny hetsika ihany koa]

Mpisera Twitter @ju namazivazy mikasika ny fahatezerana manala-baraka nataonà gazety iray miantso mba hofehezina ny fahefan'ny fampahalalam-baovao sosialy ao amin'ny firenena :

@ju: Банват думата “домат” от Facebook за България

Voaràra ao amin'ny Facebook ao Bolgaria ny teny hoe “voatabia”

Mpanoratra ao amin'ny Global Voices Ruslan Tradnamoaka sary vitsivitsy tao amin'ny fihetsiketsehana, ary nanangona  Storify [bg, en] izy ho fanampim-baovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.