Manohana An'i Palestina i Pakistana

Taorian'ny fampitsaharana ny ady nanaovan'i Ejipta fanelanelanana, nitsahatra ihany ny ady farany teo amin'ny Isiraely sy Palestina rehefa niteraka faharatràna olona am-polony. Satria efa miverina miadana amin'ny laoniny ny fiainana, ny fanontaniana tsara ho fantatra dia hoe efa nanomboka nampiharina ve ny fampiatoana ady.

Efa niteraka famoizan'ain'olona marobe ny ady naharitra fotoana fohy, anisan'izany ny fahafatesan'ireo ankizy kely marobe. Sary mampihoron-koditra avy ao amin'ny faritra no nalefa tamin'ny habaka tambajotra sosialy isan-karazany, izay mampiseho ireo olona mahita vata mangatsiaka avy ao anaty korontan-trano rava taorian'ny tifitra an'habakabaka tao Gaza, ankizy kely sy olo-tsotra mamehy mafy ny tava no misaona ny vata mangatsiakan'ireo hava-malalany.

Rehefa niparitaka be, nampisafoaka izao tontolo izao ireo sary, ka niteraka andiana fihetsiketsehana sy famoriam-bahoaka mitaky an'i Isiraely hanatsahatra ny tifitra an'habakabakany. Efa mpifanohana hatry ny ela i Palestina sy Pakistana, araka izany, famoriam-bahoaka sy fihetsiketsehana maromaro no notontosain'ireo antoko politika sy antokom-pivavahana mba hanehoana firaisankina amin'i Palestiniana.

Tao Lahore, antokom-pivavahana Jamaat Islami nitarika diabe goavana ho any amin'ny masoivoho Amerikana no sady mivetsovetso teny filamatra manohitra ny Amerikana sy ny Isiraeliana. Rehefa naneho ny fahatezerana manoloana ny tsy firaharahiana ataon'ny fikambanana iraisam-pirenena miaro ny zon'olombelona, nanameloka ny governemanta Pakistaney ihany koa ny lehiben'ny antoko noho ny tsy fandraisana fepetra henjana hampiharina amin'i Isiraely.

Mpikatroka avy ao amin'ny Sonita Tehreek mandoro ny sainam-pirenenan'i Isiraely nandritra ny hetsi-panoherana ny fanafihana tao Gaza natao teo ivelan'ny tranon-gazety Hyderabad. Sary: Rajput Yasir. Copyright Demotix (20/11/2012)

Niray hina ihany koa ny tanoran'i Lahore mba hanao hetsika milamina ho firaisankina miaraka amin'i Gaza. Araka ny hita tao amin'ny pejin'ny hetsik'izy ireo tao amin'ny tambajotra sosialy Facebook , tamin'ny 24 Novambra no notontosaina ny hetsika ary nampitodraina izao hafatra manaraka izao:

” Raha handeha hatory ianao amin'ny alina, olona 1,6 tapitrisa ao Palestina no miari-tory mba hiaro ny tenany. Tongava mamonjy ny hetsika milamina karakarainay ao Lahore, Pakistana mba haneho ny fanoheranao ny vono olona feno herisetra sy ny fanitsakitsahana ny maha-olombelona.”

Nandritra ny fihaonana maika voatokana niarahana tamin'ny Firenena Mikambana tamin'ny Alarobia, nanameloka mafy ny fanafihana ao Gaza i Pakistana.

Taorian'ny fanafihana an-tserasera ireo tranokalam-panjakana Isiraeliana am-polony izay nataon'ireo vondrona piraty “Anonymous”, nanao tahaka izany ihany koa ireo piraty Pakistaney, ka nandrava ireo habaka Isiraeliana lehibe fanta-daza 30. Araka ny filazan'ny habak'ireo piraty propakistani.pk tao Pakistana, rehefa voafehin'izy ireo ny pejy, dia nandefa fampitandremana ho an'i Isiraely izy ireo manoloana ny fanafihana an'i Palestina. Azonao jerena ny lisitr'ireo habaka niharan'ny hosoka.

Satria mbola nitohy ny fanafihana an'i Gaza, mpahay lalàna Pakistaney maromaro no nivoaka ny trano nandritra ny fivorian'ny antenimiera ho mariky ny fanoherana. Antoko politika samihafa no misy ireo mpanao politika, anisan'izany ny antoko Hetsika Muttahida Quami [Muttahida Quami Movement] (MQM) sy ny Ligin'ny Miozolomana ao Pakistana [Pakistan Muslim League] – N (PMLN).

Nanambara ny fanapahan-keviny ihany koa ny antoko politika Muttahida Quami Movement (MQM) fa hanokana “andron'ny Firaisankina ho an'i Gaza’ tamin'ny Zoma 23 Novambra. Araka ny hita ao amin'ny habaka ofisialin'ny antoko, hiampanga ny “habibiana atao amin'ireo olona tsy manam-piarovana ao Gaza” ny fihetsiketsehana milamina ary koa mba hanehoana fa tsy irery ny Palestiniana.

Nanambara ihany koa ny Fikambanana mpanao asa-soa Palestiniana miaraka ao Pakistana [Palestinian Foundation of Pakistan] (PLF), izay nitsangana tamin'ny volana Mey 2008, fa ho “andron'ny Firaisankina miaraka amin'i Gaza” ny Zoma. Manantena “hampisongadina sy hanentana ireo olona momba ny zava-mitranga amin'ireo Palestiniana” ny fikambanana. Anisan'ny mpikambana ao amin'ny fikambanana mpanao asa-soa ireo lehiben'ny fikambanana, tahaka an'i Jamaat-e-Ahl-e-Sunnat ao amin'ny Pirzada Aijaz Suhrawardy, Sahibzada Afzaal Noorani ao amin'ny Fidaiyan-e-Khatm-e-Nubuwat, Afsar Raza Khan ao amin'ny fikambanana Imamia Organisation, Nasir Ali ao amin'ny ISO. Nanatontosa valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety miaraka tao Lahore ireo lehiben'ny fikambanana, mba handrisika ireo olona hiray hina miaraka amin'ireo Palestiniana.

Teny filamatra nandritra ny hetsik'ireo mpanohana Aafia tao Karachi ho fanohanana ireo niharam-boina tsy manan-tsiny ao Gaza. Sary: Ayub Mohammad. Copyright Demotix (18/11/2012)

Nitantara momba ny fihetsiketsehana notarihan'ny mpikambana ao amin'ny PLF tamin'ny 20 Novambra teo ivelan'ny Tranon-gazety ao Karachi  ny lahatsary ao amin'ny pejy Facebookn'izy ireo.

Raha nampiseho ny fanohanany feno an'i Palestina ireo vahoakan'i Pakistana, niparitaka ihany koa ny tati-baovao manameloka ireo fampahalalam-baovao tsy mba nitantara firy ny zava-nitranga. Nanambara ny tati-baovao fa nofantenin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra Pakistaney mihitsy ny vaovao nalefa raha toa nandray anjara mavitrika amin'ny fanentanana ireo habaka fampahalalam-baovao sosialy tahaka ny Facebook sy Twitter.
Tamin'ny fampiasàna fampahalalam-baovao sosialy, nanaitra ny saina manoloana ny zava-mitranga mety hitera-doza ny mpiserasera, ary naneho fanohanana, nanameloka ny governemanta ihany koa izy ireo ho tompon'andraikitra amin'ny zava-mitranga ao Gaza fa tsy mba mitady vahaolana amin'izao fampihorohoroana tsy sangisangy tafeverina an-trano izao indray.

Tao amin'ny Twitter:

‏@abdullasyed (Abdullah Syed): Fanontaniana fitaka androany? @etribune: (Fitsapan-kevitra) Ampy tsara ve ny fitantarana ataon'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana mikasika ny ady ankehitriny ao #Gaza? # ETPoll

@fursid: @shishibean: Sary no manan-danja kokoa noho ny teny 1,000. Nanao fanadiovana ny mponin'i Gaza taorian'ny faharavan-trano. #GazaUnderAttackpic twitter.com/O3JZcI9l

@beenasarwar (beena sarwar): MT @MuslimIQ: Fôsfôra fotsy mandoro ny hoditra & nofo, mankany amin'ny taolana, mitohy foana mandrapa-ritra ny O2. Mampiasa izany amin'ireo #olom-pirenenaGaza ny Tafika #Israely

‏@BasmaSiddiqui: Mijery CNN ianao mandritra ny 5 minitra, ka mankalaha an'i Etazonia sy Isiraely hatrany hatrany :@#Gaza

@GibranAshraf: Ry namana #Gaza – mamelà anay noho ny tsy fahafantaranay – saingy sahirana kely izahay amin'ny daroka baomba ato aminay!!

@alisalmanalvi: I Gaza amin'ny Palestiniana dia tahaka an'i Pakistana amin'ny Shiita. Ny mahasamihafa fotsiny dia mahazo fialan-tsasatra ny Palestiniana. #ShiaGenocide #Pakistan

@Ali_Abbas_Zaidi: Raha toa moa ka ampy ny “mivavaka” ho amin'ny filaminana #Gaza

@xoyii_ (Zoya Altaf): SalmanMir07 ary raha afaka manamafy ny feontsika isika ho an'i #Gaza nahoana raha ho an'ny vahoakantsika manokana…izy ireo no tokony hoavy voalohany! @anumb3

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.