Trinidad & Tobago: Mpitokona Tsy Hihinankanina Niomana Handeha Lavitra Hanohitra Ny Fanaovana Lalambe Migodàna

Niditra tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina i Dr. Wayne Kublalsingh, mpikatroka mafàna fo amin'ny fiarovana tontolo iainana sady profesora mpampianatra literatiora, mba hanoherany ny fanorenana ilay ampahana-dalan'ilay lalambe migodana antsoina hoe Debe to Mon Desir miainga avy ao San Fernando mankany Point Fortin any atsimo atsinanan'i Trinidad. Milasy eo ivelan'ny biraon'ny Praiminisitra ao Port-of-Spain renivohitra i Kublalsingh ary mandà ny tsy hihinana sy hisotro na inona na inona raha tsy tafahaona amin'ny Praiminisitra izy sy ireo hafa mpikambana ao anatin'ny Highway Re-route Movement. Kublalsingh sy ilay vondrona mpanao tsindry izay soloiny tena dia miziriziry fa ny soritr'ilay lalambe dia mety hanisaka trano marobe sy hisy fiantraikany ratsy amin'ny tontolo iainany.

Tany am-piandohan'ity herinandro ity, nanome baiko ny Minisitry ny Fahasalamana  ny Praiminisitra Kamla Persad-Bissessar mba hitsidika an'i Kublalsingh sy hamela azy hampiasa ny fiara mpamonjy voina. Rehefa nanandrana ny nandresy lahatra an'i Kublalsingh ny Minisitra Fuad Khan, dia voaroaka tamin'ny teny mahery:

Philip Edward Alexander nahatsapa hoe tokony mba nandefa olona hanelanelana amin'ilay raharaha ny governemanta fa tsy hoe nandefa an'i Khan hijery an'i Kublalsingh manokana:

Inona amin'izay nalefan'ny Minisitry ny Fahasalamana ho atolotra ny Dr. Kublalsingh no tsy efa nanànany sahady, ny safidy sy ny ho enti-manana hamonjeny ny ainy manokana. Ny tsy nentiny dia ny firariantsoa avy amin'ny Praiminisitra, ny fitserany ary ny fampanantenany hampiato ny asa rehetra mandra-pahavitan'ny fanelanelanana eo amin'ny roa tonta; raha nandefa olona hafa izy ankoatra ilay tiana sy mamy hoditra, Fuad Khan, dia ho nahazo ompa tsara kokoa noho ilay fanivaivana.

Alexander nahamarika fa marobe amin'ny olona noheveriny ho tsy miraharaha ny tolon'i Kublalsingh no mety ho nanohana azy na dia ho fanararaotana ara-politika ihany aza:

Ny mahamenatra dia ny hoe raha i Patrick Manning no teo amin'ny fitondràna androany dia mety ho mpanasa ny tongotr'i Kublalsingh ry Kamla, Prakash ary Warner, hanome lanja ambony an'ilay tolona. Nialàntsika ny fitantànana mangarahara nanerana ny firenena ary dia mila apetraka ny fahatsiarovantena iombonan'ny rehetra mba hanavotana ity lehilahy ity, lehilahy iray izay mazava be fa manao sorona ny tenany, raha izay no ilaina, mba hanovàna ny fomba fifampitondrantska samy isika.

Tobago Justice nanamarika fa ny Praiminisitra dia nanohana  an'i Kublalsingh fony izy nanao hetsi-panoherana ilay toby fandrendrehana alimo nandritra ny fotoam-pitantanan'ny teo aloha:

Ity mpanao fitokonana tsy hihinan-kanina ity dia nanao izay hahamenatra ireo mpanohana marobe maneho ny fanohanany ilay lalambe izay hatsangana amin'ny fomba maha-be resaka. Najoro tao Penal akaikin'ny biraom-paritr'i Kamla Persad Bissessar ny tobin'ity mpitokona tsy hihinan-kanina ity. Efa [niantso] fihaonana izy izao amin'ny Praiminisitra satria tsy hihinana izy mandra-pihaonan'ny PM aminy. Ny endrika mahaliana amin'ity ‘ady’ manontolo ity dia ny soso-kevitry ny Hetsika ho Familiana Làlana ilai Lalambe / High Way Re-route Movement hanisaka ilay lalambe tsy hamakivaky ao anatinà tanàna telo, ahitàna ny tanànan'ny Praiminisitra ao Siparia. Mijanona ho zava-dehibe fandinika izany mikasika izay mahatonga an'i Dr. Kublalsingh hahatsapa ankehitriny ny fahefàna tsy refesi-mandidin'ny Fanjakana, eny fa avy aminà namana fahiny toa an'i Kamla Persad Bissessar mihitsy aza, amin'ny ady nanoherana ny toby fandrendrehana Alimo naroson'ny fitondrana PNM teo aloha. Izy ity ve hoe olan'ny fanjakana amin'i Kublalsingh sa ve izy ity olan'olona iray/maromaro amin'i Kublalsingh?

Nidera an'i Kublalsingh i Just Methinks tamin'ny nandraisany toerana henjana tahaka izao mikasika fampandrosoana iray izay tsy mahakasika azy manokana akory:

Wayne Kublalsingh tsy miaina akory amin’ [ilay] faritra iray  izay omanina hodiovina mba hametrahana ny ampahan-dàlana Mon Desir ho any Debe amin'ilay lalambe migodàna. Tsy manana fifamatorana manokana amin'ilay olana izy. Raha ny marina, nangatahana fotsiny ho amin'ity tolona ity izy noho ny fahombiazany tamin'ny fibahanana ny fananganana ilay toby fandrendrehana alimo natolotra ho ao La Brea (izay mbola tsy toerana onenany ihany koa). Na eo aza ny hoe tsy very na inona na inona amin'ity tolona ity izy, dia nanambàra izy fa efa niomana hanao sorona ny ainy hiarovana ny foto-kevitra ijoroan'ireto vahoaka ireto.

Nanontany tena ihany koa ilay bilaogera amin'ny antony tsy ahasahian'ireo Trinidadiana hafa mijoro miaro izay zavatra inoan-dry zareo:

Ahoana ny amintsika rehetra ambiny e? Ireo izay sahirana amin'ny asa andavanandro ka tsy afaka hanao hetsika ho an'ny tombontsoa na inona na inona amin'izay mitranga manodidina antsika. Isika izay mitorevaka fotsiny eny rehetra eny miandry fotsiny ny zavatra rehetra mba hiova fa tsy mba mitsangana sy manao zavatra mikasika ireo fanontaniana marobe andaniantsika ny fotoana malalaka ananantsika ho fimenomenonana fotsiny momba izany. Inona no mba ataontsika rehefa mahita lehilahy iray mijoro amin'ny fomba rehetra saingy tsy fandre mihitsy tao anatin'ny kolontsaintsika? Mihomehy isika. Mivanivany. Andramantsika ny manohintohina amin'ny alàlan'ny firesahana zava-tsy misy dikany mikasika ny habetsahan'ny kaloria ilaina mba hahafahana miatrika fitokonana tsy hihinan-kanina.

Ny Eternal Pantomime koa dia nanontany tena ny amin'ny antony tena tsy iraharahan'ny hafa:

Omaly tany NAPA dia nampiditra resaka tamin'olona iray avy amin'ny kilasy ambony aho mikasika ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina ataon'i Kublalsingh, ary ny valitenin-dramatoa io dia hoe tàkany tsara ilay tolona saingy tsapany fa hadalàna ny an'i Wayne. Avy eo aho nanontany raha toa tsy heveriny ho mendrika hanaovana fifadian-kanina ireo habibiana nataon'ny governemanta….ary dia nakombony ny vavany sady tsy nety niverina tao anatin'ilay resaka intsony izy.

Tanaty lahatsoratra iray momba izany teo aloha dia nanome ny eritreriny izy mikasika ilay taratasin'ny Praiminisitra ho an'ny renin'i Kublalsingh:

Tadidionareo, ny biraon-dramatoa Persad-Bissessar dia tsy aiza fa ao amin'ny rihana ambonin'ny misy ilay nanaovan'i Kublalsingh ny tranokely itokonany tsy hihinan-kanina. Nefa heveriko hoe ela loatra angamba raha ny fanakadrihana (ascenceur) no raisina sy handehanana midina hiresaka mivantana amin'i Kublalsingh sy ireo mpanao hetsi-panoherana, izay fomba mendrika hataon'ny tena mpitarika marina. Haingana kokoa ny nanoratra taratasy sy nandefa azy ho any ivelan'ny birao ho an'ireo trano fanontàm-baovao… mba hiantohana ny hoe eo ambany maso mandrakariva izy, nefa lavitry ny hatezeram-bahoaka. Mahay milalao ianao ry Kamla Rani, mahay milalao.

Notsipihany ihany koa fa ilay hetsi-panoherana tsy hoe natao hampiatoana an'ilay lalambe migodàna fa ho familiana ny soritra :

Ity hetsi-panoherana ity dia tsy natao velively hampiatoana ny fanamboarana ilay lalambe; natao ity mba hanisahana ny ampahany amin'ilay lalambe tsy hanimba ny kalitaon'ny fomba fiainan'ny tanàna iray. Saingy betsaka ny mihevitra fa tsaratsara kokoa ho an'ilay tanàna ny mikisaka noho ny hoe ny soritr'ilay lalambe no hafindra làlana.

Wired868 nanontany ny tena ilàna ny ain'i Kublalsingh :

Tamin'ny herinandro lasa teo, ny Minisi-pirenena misahana ny fiahiana ny fahasalamàna, Jack Warner, niteny fa zavatra tsara dia tsara ny 4.5 tapitrisa dolara nolaniana tamin'ny andro iray natao ho an'ny fianakaviana Laventille raha toa ka nahavonjy na dia aina iray monja aza.

Sahala amin'ny hoe, tsy misy vidiny loatra tokony tsy hamitàna ny fanamboarana lalambe iray migodàna raha izay ainà mpikatroka mafàna fo iray mpiaro tontolo iainana.

Ilay mpisolovava sady loholona fahiny avy amin'ny mpanohitra, Robin Montano, dia nihevitra hoe nofin-gadra ny hetsi-panoheran'i Kublalsingh sady mety ho lasa ohatra ratsy any aoriana raha toa ny Praiminisitra ka mamaly ny fangatahany:

Mampi-te-hilaza hoe ny ataon'i Dr. Kublalsingh amin'izao fitokonana tsy hihinan-kanina izao dia tsy misy hafa amin'izay nataon'i Don Quixote tamin'ireo toeram-pitotoana koba ahodin-drivotra azy fahiny. Mihizingizina izy fa ho fatin'ny tsy fihinanana hanina raha toa mandà tsy hihaona aminy ny Praiminisitr'ity repoblika kely ity (ary tsy hisalasala hilefitra amin'ny fitakiany). Tsy isalasalàna ny amin'ny maha-fanerena ankolaka ara-pihetsehampo faratampony azy ity. Amin'ny teny hafa, lazainy fa an-dramatoa Persad-Bissessar, ary tena an-dramatoa Persad-Bissessar irery ihany ny hadisoana raha sanatria ka maty izy. Ankehitriny aleo hataoko mazava tsara: na hidaraboka eo anilan'ireo “mpitaky ny familiana làlana” ianao na tsia : TSY hahita Praiminisitra hilefitra aminà karazana fanerena ankolaka toy zany velively … ary fanerena ankolaka io! Ka raha miseho izany amin'ity tranga iray ity, dia aiza no hiafaràna. Tsia! Raha mbola eo ny maha-olona an-dramatoa Persad-Bissessar ary ny faniriany mazava tsara tsy hisian'ny fahafatesana tsy misy ilàna azy, amin'ny maha-Praiminisitra azy dia tsy ho vitany mihitsy ny hamela ny tenany ho terena hanao zavatra tahaka io. Mavaza loatra fa tsy ho amin'ny tombontsoam-pirenena io. Raha nanao (nanaiky) azy io izy androany, inona no hanakana olona iray hafa tsy hanao zavatra mitovy amin'io rahampitso? Hatraiza no fetra tokony hofaritantsika?

Tohan-kevitra iray mifanohitra amin'izany ny lahatsary iray nakarina ao amin'ny Facebook avy amin'ny vondrona (PNM Any Ivelany) izay manohana ny antoko mpanohitra. Ao anatin'io, ny rahalahin'ny Dr. Kublalsingh miteny fa “tohina tanteraka amin'ny fitondrantenan'ny Praiminisitra” izy, amin'ny fihazonany ny hoe “resaka firosoany hanatanteraka ny FAMPANANTENANA iray nataony fotsiny io dia vita” [hifanatona amin'ny Hetsika Fanisahana Ny Lalambe migodàna / Highway Re-route Movement].

Kanefa, nahatsapa i Montano fa tsy misy ifandraisany amin'ny fanànan'i  Kublalsingh sy ny Highway Re-route Movement ny marina, tsy misy ilàna azy ity hetsi-panoherana ity :

Amin'ny teny hafa, toa mamono tena ho anà zavatra fantatra mialoha fa tsy ho azo i Dr. Kublalsingh (satria  tena izany mihitsy izao ataony izao). Araka ny nolazaiko tany ampiandohan'ity lahatsoratra ity : deraiko ny hafanàm-pony; deraiko ny firotsahany an-tsehatra, saingy tsy heveriko hoe mendrika hamonoany tena ity tranga ity manokana. Na dia heverinao ho hatsikana tsy misy fangarony aza ny zavatra ataony na hoe diso fotsiny izy amin'ity olana ity, angatahako ianao mba hiombom-peo amiko ka hiteny aminy hoe ‘miangavy, aza mamono ny tenanao’. Mbola hisy tolona maro hafa hilàn'ny firenena ny hafanam-ponao sy ny firotsahanao an-tsehatra. Raha maty ianao dia ho fahaverezana ho anay izany avy eo ary dia tsy ho eo intsony hanampy anay ianao.

Fitanisàna iray avy amin'i George Bernard Shaw no namaranan'i Montano azy :

Ilay Anglisy malaza mpanoratra tantara an-tsehatra, George Bernard Shaw, nilaza azy tsara rehefa niteny hoe ‘Ny lehilahy mahay mandinika dia ny miezaka manaraka ny tontolo misy azy: ny olona tsy mahay mandinika kosa dia misisika mampiditra ny tontolo hifanaraka amin'ny azy. Vokany, ny fandrosoana rehetra dia miankina daholo amin'ny olona tsy mahay mandinika.’

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.