Nanaisotra Mubarak Iray Ve i Morsi Dia Manapaka Aterineto Ao Amin'ny Kianja Tahrir ?

Mitatitra fahatapahan'ny aterineto ireo Ejiptana mpikirakira aterineto manodidina ny kianja Tahrir, ilay fon'ny revolisiona Ejiptiana.

Io dia mitondra ho ao an-tsaina avy hatrany ny zava-nitranga tamin'ny andro faharoan'ny fanombohan'ilay revolisiona Ejiptiana rehefa notapahana ny fahafahana miditra aterineto tao Ejipta ny 26 Janoary 2011.

Niverina teo an-kianjan'i Tahrir ny Ejiptiana io Zoma io mba hanao hetsi-panoherana ny fanangonam-pahefana midadasika nomen'ny filoha vaovaon-dry zareo azy tenany Mohammed Morsi ihany. Araka ireo tati-baovao, dia nolemen'i Morsi ny fahefam-pitsarana, tamin'ny nanambaràny fa tsy manana alàlana hanohitra ny fanapahan-keviny ny fitsaràna. Nahatezitra ny Ejiptiana io, izay niverina marobe nankeny amin'ny kianja Tahrir hanohitra ny ambaran-dry zareo fa Farao vaovaon'i Ejipta sy ny fikambanany Firahalahiana Silamo, izay lazain-dry zareo fa manao ampihimamba be loatra ny fahefana.

Ndeha hiverenana ny fahatapahan'ny aterineto, mitatitra i Jadaliyya :

@jadaliyya: Tatira: nihantona daholo ireo tambajotra finday&aterineto ao Tahrir. Minisitry ny Fifandraisan-davitra: “Politika tsy misy idirako ireo”

Majdi Abdelhadi maneso hoe :

@maegdi: tatitra momba ny fanapahana aterineto sy fandrakofana tambajotra finday ny faritr'i Tahrir .. tafaverina ve i Mubarak ? #egypt

Ary ny hafa mahita ilay fanapahana aterineto ho fihetsika iray goavana, hisarihana vahoaka maro kokoa ho eny an-dalambe. Hoy i Tarek Mostafa :

@TarekMostafa: Ireo Ejiptiana mpibitsika dia milaza ilay fahatapahana tambajotra finday&Aterineto ho fiantsoana ny olona hanatevin-daharana ny hetsi-panoherana. #Egypt #Nov23 #Tahrir

Araka ireo mpikatroka mafàna fo, io no fahatapahana aterineto nahasintona olona an-tapitrisany hidina an-dalambe tany ampiandohan'ny revolisiona Ejiptiana, nitondra tamin'ny firodanan'ny fitondrana naharitra 32 taonan'ny filoha Hosni Mubarak,  taorian'ny andro 18 nisianà fanoherana goavana .

Ao amin'ny Twitter, Mai Abdelqader mibitsika hoe :

@Mai_AbdelKader: #Morsi, mamerina ny endri-javatra fony #Mubarak, sady manapaka ny #Internet ao amin'ny faritr'i #Tahrir . #Cairo #Egypt

Ampiany hoe :

@Mai_AbdelKader: Dia mety ho izany kaondrana izany tokoa va re i #Morsi ka hanapaka ny #Internet indray? Tsy mampino #Tahrir #Egypt

Ary Samar Elhussieny manamafy hoe:


@S_Elhussieny
: tambajotranà Aterineto & fifandraisan-davitra tapaka ao #Tahrir SQ #Egypt #23nov

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.