Maneho An-Tsarintany Ny Fandotoana Ny Ranon'ny Vazimba Teratany Peroviana

Tao amin'ny The Engine Room no nalefa voalohany ity lahatsoratra ity.

Niroborobo ny toekarena tao Però noho ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany nahazoana dolara amina miliara. Raha nanomboka tetikasa vaovao ireo mpitrandraka sy mpandavaka, inona ny fiantraikan'izany amin'ireo vahoaka izay monina akaikin'izy ireo? Ny olana iray ohatra dia ny loharano voaloto izay mitarika aretina sy fahafatesana. Ao Amazonia Peroviana – sy amin'ny faritra hafa manerantany –ahoana ny fomba hiampangan'ny olona ny indostria mpitrandraka ho tompon'andraikitra amin'ny voka-dratsy aterany – rano sy sakafo misy poizina, ary ny fihamafisan'ny fifandirana no anisan'ny ohatra vitsy – amin'ny zavatra ataony?

Tetikasa iray, antsoina hoe La Cuidadora, manolotra tambajotra hifanakalozam-baovao  mba hanampiana ireo fiarahamonina vazimba teratany ho fiarovana tsara kokoa azy ireo amin'izany voka-dratsy izany. Amin'ny fampiasana Ushahidi (nadikan'ny vazimba teratany amin'ny voambolana hoe Shipibo), voatatitra ao ny vaovao avy amin'ny fiarahamonina voakasiky ny fitrandrahana, ary apetraka ao amin'ny sarintany ny toerana, avy eo zaraina amin'ireo fikambanana nasionaly sy ny fampahalalam-baovao ary avy eo indray alefa any amin'ireo mponina ao amin'ny fiarahamonina voakasik'izany. Mba hanatontosana tsara ny tetikasa, miankina amin'ny fifandraisany amin'ny ONG ao an-toerana tahaka ny fikambanana Defensa Indigena sy ny Coordinadora Nacional de Derechos Humano ny La Cuidadora. Nahatonga adihevitra  tao amin'ny firenena ny momba ny tetikasa fitrandrahana mampiadihevitra – ary ohatra raisina – ity fifanakalozan-kevitra tao amin'ny Twitter ity andro vitsy lasa izay.

La Cuidadora

Crowdmapping (Saritany ifandrimbonana) La Cuidadora

Nipetraka teo akaikin'ilay mpamorona ny tetikasa, Jonattan Rupire, aho ary nanontany azy ny fomba hanitarany ny La Cuidadora raha toa ka manana ny enti-manana izy. Nilaza izy fa havadiny ho rafi-panairana mialoha mitohy foana izany ary hampiofanina momba ny Cuidadoras ny fiarahamonina tsirairay . Ny fisafidianana ny tanàna kely miorina amoron-drenirano  eny an-tampon-tendrombohitra izy izay niharan'ny fitrandrahana teny am-potony. A Cuidadora eny an-tampon-tendrombohitra no ahafahana mahita renirano voaloto ary mandefa hafatra an-tsoratra amin'ny Cuidadoras amin'ny toerana somary ambanimbany avy eo. Amin'ny fahitana ny fahalotoan'ny rano, mahafantatra tsara ny mponina monina ao amin'ilay tanàna kely sy ny mpifanolo-bodirindrina aminy fa tsy azo ampiasaina ilay rano.

Mahafinaritra tokoa ny miaro ny fiainan'ny olona manoloana ireo voka-dratsy isan'andro ateraky ny fitrandrahana sy ny fandavahana, saingy ankehitriny ahoana ny fomba hitondran'ity tetikasa ity ny mangarahara sy ny fandraisan'andraikitry ny indostria mpitrandraka? Amin'ny alalan'ny fanamafisana ny rafi-panairana mialoha, hampitomboin'ny La Cuidadora hatrany ny raki-tahirim-baovao ary hamorona fitaovana matanjaka kokoa hoentina hiarovana [ireo fiarahamonina] izy. Anisan'izany ny singa izay manome zava-mahasoa avy hatrany ho an'ny vondrom-piarahamonina –ny famonjena ain'olona no anisan'ny mandrisika amin'ny fandraisana anjara –izay mampitombo betsaka ny mety ahatrarana ny tanjona maharitra amin'ny fiarovana ny fiarahamonina amin'ny fampiasana tsara kokoa ny tahiry voahangona mandritra ny vanim-potoana iray. Eny tokoa, fanangonana tahiry fotsiny no ataony amin'ny voalohany ka tahaka ny somary hafahafa fa tsy manome tombontsoa ao anatin'ny fotoana fohy ho an'ny fiarahamonina mandray anjara.

Ny rafitra napetraka tao amin'ity sary ambony ity dia azo tanterahina amin'ny alalan'ny fizarana fitaovana rindrambaiko noforonina manokana momba izany. Amin'ny alalan'ny fizarana, afaka mampiasa ny  La cuidadora indray ireo fiarahamonina hafa voakasiky ny fitrandrahana ataon'ny indostria. Anisan'izany ny famantarana toerana amin'ny Ushahidi amin'ny fitenin'ny vazimba teratany, ny rafitra momba ny hainfandaharana (taxonomy), ny firafitry ny hafatra an-tsoratra alefan'ireo lehiben'ny tanàna kely momba ny loto, ny fampiasana fitaovana karatra SIM ary ny fidirana amin'ny SMS izay mety tsara amin'ny fisantaran'andraikitra.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.