Tranon'ny Dalit Nodoran'ny Andian'Olona Ho Setrin'ny Mariazim-poko Samy Hafa

Olona 2000 tamin'ny 7 Novambra no nanafika tobin-toeran'ny Dalit telo tany Dharmapuri Distrikan'i Tamil Nadu, araka ny nolazain'ny Tambajotra Iraisampirenena Fiarahamientan'ny Dalit (ISDN) avy amin'ny loharanom-baovaon'ny The Hindu, IBN, Times of India ary Countercurrents.

Araka ny tatitra nataon'ny gazety, nisy mpianatra ho infirmiera, avy amin'ny foko Vanniyar (Shudra) nanambady lehilahy avy amin'ny foko Aadidravida (dalit) tany amin'ny zanatanin'i Natham. Rehefa avy namono tena noho ny fanilihana ny rain-drazazavavy, dia nanomana fanafihana ny vondro-piarahamonina Dalit ny andian'olona. Araka ny ISDN, tonga maro ny folakandro ny andian'olona, nandroba ny tranon'ny Dalit sy nandoro azy ireny tamin'ny baomban-tsolitany. Trano an-jatony no potika ary Dalit 1500 no lasa tsy nanana fialofana sy fananana intsony.

Araka ny nosoratan'i Vidya Bhushan Rawat (@freetohumanity), mpiaro ny zon'olombelona sy mpikatroka ara-tsosialy, tao amin'ny Countercurrents amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Caste And Honor [Foko sy Haja]:

The violence against Dalits in the Dharmapuri district of Tamil Nadu is a shocking reminder of social prejudices prevalent in our society and how honor is closely linked to our caste identity.

Ny herisetra natao tamin'ny Dalit tany Dharmapuri distrikan'i Tamil Nadu no fampahatsiahivana indray ny fitsarana an-tendrony ara-tsosialy manjaka amin'ny fiarahamonintsika sy ny fifandaisana akaiky eo amin'ny fiavahana ara-poko sy ny haja.

Araka ny Rawat, “Tsy nilaza ny fizotry ny fandehan-draharaha iray manontolo ny gazety ary ninia tsy nilaza hoe iza ireo olona notafihana. Zava-dehibe ny fahafantarana ilay vondro-piarahamonina. Miharihary sy tsy iadian-kevitra fa ny herisetra lehibe indrindra atao amin'ny Dalits any Tamiladu dia avy amin'ny Thevars sy ny Vanniyars, vondro-piarahamonina shudra roa lehibe tarihan'ny antoko politika isan-karazany.” Raha tsy avelan'ny lalampanorenana ny herisetra toy izany, “tsy levon'ny lalàna tsotra kosa ny herisetra atao amin'ny Dalits.”

Dalits or untouchables

Guriya & Desi Lal dia Dalits na tsy azo kasihina, anisan'ny Harigans, olona misahana ny fanadiovana ny arabe. Saripikan'i Yan Seiler. Copyright Demotix (27/9/2011)

Nanoso-kevitra ihany koa ny gazety fa efa nanakaiky ny folona ny fanambadian'ny foko samihafa teo amin'ny Vanniyars sy ny Dalits tao amin'io tanàna kely io, ary nanoso-kevitra fa noho ny antony politika no nahatonga ny herisetra hisorohana amin'ny fanahiana hitomboan'ny trangan-javatra tahaka izany amin'ny fanafihana atao hatrany hatrany sy ‘tsara omana’.

Araka ny IDSN, Henri Tiphagne, tale mpanatanteraky ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona People’s Watch, (fikambanan'ny IDSN) nandeha tany amin'ny faritra hijery ny zavamisy sy hanome fanampiana ireo ankizy, hoy izy, “izany no trangan-kerisetra ataona foko nanohina indrindra hitako tamin'ny fiainako hatramin'izao raha jerena ny fiantraikana tranga – fifanambadiana foko samy hafa izay notontosaina izay efa fantatry ny polisy sy nahazo fiarovana izay niafara tamina fanafihanatra trano 430.”

Ao amin'ny Twitter:

@Rights4Edu (Rights for Education): #Dalit students face #discrimination in Dharmapuri http://thne.ws/WxZYiZ via @thehindu #inclusiveeducation.

Mpianatra Dalit miatrika ny fanavakavahana any Dharmapuri, #fampianaranatsymanavaka

@meenakandasamy (Meena Kandasamy): in Dharmapuri. #shame #atrocity #dalits

Any Dharmapuri. #henatra #herisetra #dalits

@dhilipYo (Dhilip Joe Ramki): ‏Industrialise southern districts: Sarath Kumar: Condemning the recent violence against Dalits in Dharmapuri… http://dlvr.it/2WbNK3

Distrika atsimo feno ozinina: Sarath Kumar: Manameloka ny herisetra tao amin'ny Dalits any Dharmapuri…

Araka an'i @kotravai_n (Kotravai) hisy fihetsiketseha-panoherana hokarakarain'ny Saathi AAthikka Ethirppu kootiyakkam amin'ny 30 Novambra eo akaikin'ny Lapan'ny Fahatsiarovana (Memorial Hall) amin'ny 4 ora hariva.

Misy fanampim-baovao momba ny tranga tany Dharmapuri azo jerena ao amin'ny Sanhati ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Miady amin'ny Neoliberalisma any Bengal sy Ankoatra izay.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.