Taratasy Misokatra Ho An'i Marissa Mayer: HTTPS Amin'ny Tolotra Yahoo! Rehetra Ankehitriny Izao

Taorian'ny fanendrena miezinezina an'i Marisa Mayer ho filoha tale jeneralin'ny Yahoo!, Afaka nanararaotra ny mpitantana vaovao hamaha olana maika: Yahoo! Mail no hany habaka lehibe mbola miankina amin'ny serasera tsy azo antoka. Efa nataon'ny Google ho mipoitra voalohany tamin'ny tolotra GMail tamin'ny fiandohan'ny taona 2010 ny Hypertext Transfer Protocol Secure (HTTPS), arofeni-pifandraisana be mpampiasa indrindra izay ahafahana mahazo fifaneraserana azo antoka amin'ny tambajotran-tsolosaina, nanaraka azy taty aoriana ny Microsoft tamin'ny tolotra Hotmail tamin'ny volana Jolay 2011.

Filoha Tale Jeneralin'ny Yahoo! Marissa Mayer. Sary: SDK, Creative Commons Attribution Non Commercial Share Alike License.

Mba hanafainganana ny fandehan-javatra , nandefa taratasy misokatra ho an'i Mayer ireo manam-pahaizana 26 momba ny fiarovana, mpisolovava, ary mpiaro ny zon'olombelona tamin'ny 13 Novambra 2012, mba handrisika azy handray fepetra haingana dia haingana araka izay azo atao hiaro ny fitokisan'ny mpiserasera amin'ny alalan'ny fanaovana “dingana lehibe ” amin'ny fametrahana ny HTTPS amin'ny tolo-pifandraisana Yahoo! rehetra. “Tao anatin'izay taona maro lasa izay,” hoy ny fivakin'ny taratasy, “no efa niverimberenan'ny manampahaizana amin'ny fiarovana nanentanana ny Yahoo!  mba hampiasa ny HTTPS, saingy mbola tsy tazana nanao izany dingana izany mihitsy”:

 Indrisy, mampidi-doza ho an'ny mpiseranao ny fangatahan'andro tahaka izany, izay fa tena manohina indrindra rehefa ny yahoo! Mail no tena miasa indrindra any amin'ny firenena anjakan'ny famoretana politika manerantany.

Matetika no ahenoana tati-baovao fa aseho ireo mpikatroka politika, mpitsikera ny fitondrana atao porofo ny kopian'ny mailaka ao aminy mandritra ny fanaovana famotorana, mametraka ny maha-zavadehibe ny fametrahana fepetra-piarovana fototra hiantohana ny mahatsiambaratelo ny mailaka.

Rehefa fantsona ilaina amin'ny fahalalahan'ny fivezivezen'ny vaovao sy fanenohan-kevitra ny seha-pifandraisana an-tserasera, dia ny fanolorana ny HTTPS hipoitra voalohany no dingana miankina aman'aina tsy maintsy raisin'ny Yahoo! mba hampihena ny fiantraikan'ny fanaraha-maso ny daholobe mbamin'ny sivana.

Efa nisy taratasy misokatra ho an'ny Google nosoniavin'ny manampahaizana momba ny fiarovana ny solosaina sy ny tsiambaratelo an-tserasera 37 malaza indrindra tamin'ny 2009, nandrisika tamin'ny fampiasana ny fiarovana HTTPS tamin'ny fampiasana tolotra ho an'olo-tsotra, nanasongadina fa ny HTTPS dia “fenitry ny orinasa” amin'ny fiarovana ny mombamomba ny tsirairay ato amin'ny tolotra amin'ny aterineto; Nampian'ireo manampahaizana manokana ireo fa navoakan'ny fikarohana ny “tsy fahafantaran'ny ankamaroan'ny mpisera ny loza mety hanjo azy amin'ny fahazoana an-tenantenany ny angona [donnée] raha mampiasa ny fitaovan-tseraseram-bahoaka [wireless networks] […] vitsy no mahita ny fisiana na tsy fisian'ny HTTPS ary adinon'ny [mpisera] ny misoroka raha vao tsy mampiasa HTTPS.”

Nanao izay hisiana na tsy maintsy nametrahana ny HTTPS avokoa ny mpanome tolotra imailaka sy tambajotra sosialy rehetra any amin'ny habaka misy azy avy rehetra – ankoatra ny  Yahoo!.

CyberArabs namoaka ny dikantsoratry ny taratasy tamin'ny teny Arabika, Free Press unlimited nanao toy izany koa tamin'ny fiteny Holandey ary i Ana namoaka azy tamin'ny fiteny Alemana.

Maro ny manampahaizana momba ny fiarovana sy ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona no manolo-kevitra tsy tsy hampiasana ny Yahoo! Mail “noho ny tsy fananany ny fepetra ilaina ho fiarovan-tena hatrany.” Io tolokevitra io moa dia mihatra amin'ny tolotra mailaka izay tsy ahatafidirana rehefa mampiasa ny HTTPS, araka ny marihan'ny Tactical Technology Collective ato amin'ity lahatsary ity.

Raha tsy hoe mamaha ity fahabangana goavana ity ny Yahoo! Mail, dia ho mora tratran'ny fihainoan'ny hafa ny resaka ifanaovan'olon-droa sy ny fanaraha-maso ankapobeny tsy ara-dalàna ireo mampiasa ny HTTP izay fantsona tsy voaantoka. Araka ny voamarika etsy ambony, efa nampiditra ny HTTPS ho lasitra ny mpanome tolotra an-tserasera malaza hafa, ka anatin'izany ny Facebook, izay nanomboka mametraka hatrany ny HTTPS tamin'ity Novambra 2012 ity. Andao antenaina fa handrisika ny Yahoo! hamaha ny olana ao anatin'ny fotoana fohy ity fanandrata-peon'ny global voices ity. Manisa andro isika.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.