Bus Nipoaka Afovoan'i Tel Aviv Ora vitsivitsy Mialoha ny Fampiatoan'Ady

Ora vitsivitsy mialoha ny fanambarana ny fampiatoan'ady eo amin'i Isiraely sy ny Hamas, nisy bus iray nipoaka teo afovoan'i Tel Aviv tokotokony ho mitataovovonana androany [21 novambra] , izay nandratra olona 17. Ny Hamas no nilaza ho tompon'andraikitra amin'ny fipoahana, izay lazain'ny maro ho fikasana handavaka ny fifampiresahana hampitsaharana ny ady eo amin'i Isiraely sy ny Hamas, izay nifanandrina nandritra ny herinandro.

Tsy mitovy tamin'izay nahazatra ny Isiraeliana tamin'ny faraparan'ny taompolo 90 ity fipoahana ity. Tsy misy olona manao vivery ny ainy miditra ao anaty bus, fa baomba antonotonony napetrak'olona akaikin'ny bus, heverina ho avy amin'ny fiara nandalo.

Ao amin'ny Twitter, niteny i Gidi Kleiman:

@Gidikleiman: #TelAvivBlast, reports of witnesses who saw a man leave bomb on the bus. According to emergency services all wounded taken to hospital.

“Filazan'ny nanatri-maso nahita lehilahy namela baomba tao anaty bus. Araka ny sampana mpamonjy voina dia nalefa hopitaly avokoa ny naratra.”

Ahuvah Berger Burcat mizara ny sarin'ny bus nisy nanapoaka baomba, ary nanamarika:

@ahoova: a picture of the exploded bus … no graphic images RT @yoelisaak pic.twitter.com/YUIZWMM1

“sarin'ilay bus nipoaka…tsy misy sary mampihoron-koditra RT @yoelisaak pic.twitter.com/YUIZWMM1″

  A photograph of the bombed bus shared on Twitter by <a href="https://twitter.com/yoelisaak/status/271196776638341120/photo/1" target="_blank">@yoelisaak</a>


Saripikan'ilay bus nisy nanapoaka hita Twitter avy amin'i @yoelisaak

Debbie Randle nisioka avy teny amin'ny toerana nisy ilay bus nisy nanapoaka, izay nahitana porofo fa nisy lehilahy niakatra tamin'ny bus ary nanipy izany tao anatiny:

@DebsR: At scene of bus bomb in #TelAviv #israel Witnesses say man climbed on bus and threw bomb on board lockerz.com/s/263124301

“Teo amin'ny toerana nisy ilay bus nisy nanapoaka tao #TelAviv nilaza ny nanatri-maso fa nisy lehilahy nianika ilay bus ary nanipy ny baomba tao anatiny.”

Joseph Dana nanamafy ny voalazan'ny fahitalavitra sy ny polisy Isiraelianina:


@ibnezra
: Let me state this again: The target of this Tel Aviv bus bombing was Israeli civilians. There is no doubt.

“Avelao holazaiko indray: sivily isiraelianina no lasibatra tamin'ilay bus nisy nandefa baomba. Tsy misy isalasalana izany”

Any Gaza i Paul Danahar, Lehiben'ny BBC ao Afovoany Atsinanana, ary mitantra ny valiny any Gaza:

@pdanahar: celebratory gunfire going off in Gaza after bus reports of bus attack in Tel Aviv

“Fankalazana tamin'ny alalan'ny fanapoahana basy tany Gaza taorian'ny fitaterana fanafihana bus tany Tel Aviv”

Notohizany:

@pdanahar: Mosque loud speakers in #Gaza described Tel Aviv bus bomb as a ‘victory from God’ #Israel

“Nitabataba tamin'ny fanamafisam-peo ny Moskea tany #Gaza fa ‘Fandresena avy amin'Andriamanitra’ ilay bus nipoahana baomba tany Tel Aviv”

Raha nitsambikiina tamin'ny famehezan-teny mahasamihafa ny Gazaita sy ny Isiraelianina i Howard Kirsh:

@HKirsh1: Israel avoids the death of Gaza civilians; Gazans celebrate the death of Israeli civilians. And that is the difference in cultures.

“Tsy milaza ny fahafatesana sivily any Gaza i Isiraely; mankalaza ny fahafatesana sivily Isiraelianina ny Gazaita. Ary fahasamihafana eo amin'ny kolontsaina izany.”

Miezaka manampy ny fomba fijery ny hafa. Manoratra i Ayelet:

האנשים שצועקים כל שניה “לשטח את עזה” הם גם אלו שהכי מתפלאים וכועסים כשהחמאס מחלק סוכריות אחרי פיגועים. הסתכלתם לאחרונה במראה?

@a_Daydreamer: Ny olona (any Isiraely) mihoraka hoe “ataovy milamaka i Gaza” isa-tsegondra dia ireo tena tezitra raha mizara vatomamy isaky ny misy (fahombiazana) asam-pampihorohoroana ny Hamas. Efa nijery fitaratra ve ianao faraparany teo?

Ary raha mbola maro ny mpampihorohoro ahiana ho ao Tel Aviv, misioka zavatra tokony atao sy tsy atao i Shira Abel:

@shiraabel: Terrorist in TLV: look out for ppl in esp warm clothes on warm day. Look at ppls eyes. Avoid buses: 10, 25, 5, 66. Stay away from windows

“Mpampihorohoro ao TLV: mitandrema amin'ireo olona manao akanjo mafana amin'ny andro mafana. Jereo ny mason'ny olona. Aza mandray bus 10, 25, 5, 66 . Alaviro ny varavarankely”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.