Vahoaka Maleziana Manohitra Ny Fanadiovana ‘Terre Rare’ / Vovo-tany Tsy Fahita Firy

Nomen'ny Fitsarana Ambony ao Malezia alàlana ny fanombohana ny asa fanorenana ny Lynas Advanced Materials Plant (LAMP) any akaikin'i Kuantan taorian'ny fandàvany ireo fanangonan-sonia hanafoanana ny fahazoan-dàlana nomen'ny governemanta ho an'io tetikasa voalaza io. Ilay fotodrafitrasa, izay orinasa Aostaliana no mitantana azy, no ho toeram-panadiovana lehibe indrindra manerantany amin'ny resaka Vovo-tany Tsy Fahita Firy.

Mafy tokoa ny nanoheran‘ireo vondrona mpiahy ny tontolo iainana ary indrindra fa ireo mponina manakaiky an'i Kuantan io tetikasa io, dia ireo olona izay matahotra mafy ny fandriampahalemany sy ny  ara-pahasalaman'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo. Mampita izay fihetseham-pon'ny vondron'olona manohitra izay i Ram Govindasamy, mpandamina fiarahamonina:

Tsy mila Lynas aty Malezia izahay! Hanao fanentanana mafonja izahay ary hanenjana ny fifidianana ny MIALA ho an'ny governemanta amin'izao fotoana izay nandany ny fametrahana ny fotodrafitrasan'ny Vovo-tany Tsy Fahita firy ao Lynas. Ny Maleziana manontolo no marary sy leo an'ity governemanta mpanao kolikoly sady tsy tomponandraikitra ity. Tianay averina takiana ny Demaokrasia sy ny hoavinay

Avy amin'ny tranonkalan'ny Stop Lynas

Haji Ismail Abu Bakar mampitandrina ny Lynas fa ny fandresena azony vao haingana teny amin'ny fitsarana dia tsy midika fa ho foana ny fanoherana ao Malezia:

Raha mihevitra ny Lynas fa izahay rakyat (vahoaka) dia ho hiala maina fotsiny tahaka izao, dia tena diso paika momba ny fanoheranay mafy  ny tetikasany hangana fanadiovana Vovo-tany Tsy Fahita Firy izy. Maniry hoavy tsara ho an'ny taranakay sy ny taranak'izy ireny izahay. Tsy manizy azy ireny sy ny andian-taranaka ho avy hiatrika ny enta-mavesatry ny famahana olan'ny fahalotoana sy ireo fako aman-taonina feno poizina mamoaka taratra ho avelan'ny Lynas  tsy mpandoa hetra izahay.

Nanoratra taratasy ho an'ny Praiminisitra ny andianà renim-pianakaviana avy ao Kuantan mangataka ity farany handà ilay tetikasa:

Laza ratsy no ho azon'i Malezia amin'ny fampiantranoana tetikasa goavana be erantany tahaka izany sy famelàna orinasa vahiny handraraka fako misy pozina  an-tapitrisan-taoniny mandefa taratra (nafarana avy any Aostralia) aty amin'ny morontsiratra mahafinaritra ananantsika, tsy handoa hetra akory. Ny firenena faran'izay mahantra ihany no manao an'izany!

Amin'ny maha-reny, velon'ahiahy fatratra izahay momba ny fiantraikan'ny fanapahan-kevitra mampalahelo sy ratsy fandinihana tahaka izany eo amin'ny fianakavianay sy amin'ireo andian-taranaka marobe ho avy.

Miantso anao izahay, Praiminisitra hajaina, zanaka mahafatra-po avy ao Pahang ary amin'ny maha-raimpianakaviana anao, mba hanao ny adidinao hiahy sy haneho fahaiza-mitarika henjana mba hirotrahanao an-tsehatra ho an'ny tombontsoan'ny rakyat sy ho an'ny fandrosoana maharitry ny firenena dieny mbola tsy tara.

Charles Hector amanohana ny hoe ny tetikasa Lynas dia dindon'ny fomba fitantanana ny firenena :

Endrika hitarafana tsara ny governemantam-pirenena Barisan ananantsika amin'izao fotoana ny zava-mitranga momba ny Lynas – governemanta iray izay tahaka ny mametraka ny fahasalamam-bahoaka sy ny fandriampahaleman'ny vahoaka (ny ‘rakyat’) ho ambanin-javatra.

Saingy tsy ho alonan'ny governemanta ho anaty fahanginana intsony ireo MAleziana  fa ahanohy ny ady hikatsaka ny rariny sy ny zony.

Route of the “green walk’ in protest against the rare earth refinery. Photo from blog of JW ….Route de la promenade «verte» pour protester contre la raffinerie de terres rares.

Ho setrin'ilay didim-pitsarana mamela ny fananganana ilay toby fanadiovana, olona mandeha amin'ny anaran'ny tenany sy vondron'olona maro an-jatony no niara-nientana taminà ‘diabe lavitr'ezaka’ iray na ny ‘diabe maitso’ avy ao Kuantan nankany an-drenivohitry ny firenena mba hanomezan-danja mavesatra ny hetsi-panoherany. Ny iray amin'ireo mpitarika vondron'olona, Mr Wong Tack, no nitafatafàn'i Tan Kai Swee :

Raha niomana ny hanao diabe aho, dia niomana ny handeha irery. Rehefa nanomboka ny dia aho ny 13 Novambra avy ao Kuantan, akory ny hagagàko fa maherin'ny 50 ireo olona nanatevin-daharana ilay diabe ary nahitàna Kenyahs 13 avy ao Baram, Sarawak.

Ny androany dia zavatra tsy noeritreretiko velively, tena mahazendana ary tena nanohina ahy tokoa. Betsaka dia betsaka ireo olona tonga manatanteraka ny tena dikan'ity diabe ity

JW, mpandray anjara iray tamin'ny ‘diabe maitso’ dia nahita ny aingam-panahiny tamin'ny alàlan'ny tohana natolotr'ireo olom-pirenena tsotra :

Nanerana ny làlana, nahazo tohana betsaka avy amin'ireo manana fo nofo ilay Diabe Maitso. Nisy mpitsabo (izay) nitanjozotra nanerana ny làlana niala avy any Kuala Lumpur sy Kuantan ary dia mametraka ny fahazoan-dàlany hitsabo amin'ny toerana saropady. Dokotera Shinoa iray miavaka i, Yong nanatrika Kg. Awah (tany amin'ny) fisasahan'ny alina. “Tsy (ananako) ny vola, fiara, trano, fa ny hany mba sisa tavela  ho ahy dia ny fahaizana mitsabo,” hoy izy.

Misy ireo trano fisakafoanana nomena fampitandremana (tsy) hanome sakafo ireo mpandray anjara amin'ny Diabe Maitso, raha tsy izany sintonina ny fahafahany manao ilay asa, ny nataony ihany anefa no nataony, nanome fialofana, sakafo, rano hosotroina ary dia “nanao diabe maitso”. Misy ny olona manome coco, glasy, bàn-kiraro, sy akoho voahodina.

ny fahafahana maka aingam-panahy dia mitazona ihany koa ny moraly ho ambony.

Saingy tsy ny Maleziana rehetra no mitsipaka ilay fotodrafitrasa. NK Khoo miampanga ny mpanohitra ho manely vaovao tsy marina mikasika ilay tetikasa:

Efa im-betsaka aho no niantso foana an'ireo mpanohitra ny Lynas mba hividy trano misy terrasse ho ahy eny akaikin'ny fotodrafitrasan'ny Lynas mba hahafahako mipetraka eny sahala amin'ireo kisoa avy any Guiné mba hanaporofoiko ny finoako fa tsy loza mitatao ho an'ny olombelona ny fotodrafitrasan'ny Lynas

The Choice mahita tombony ara-toekarena goavana ho an'i Malezia raha tafatsangana ilay toby fanadiovana :

Araka izany dia tombontsoa ho an'i Malezia ny famelàna ny hisian'ity toby manan-danja goavana be ara-stratejika ity, ha hanitàrana ny fototry ny teknolojia sy hamoronana asa eo an-toerana

Nefa tsy misy dikany  ny tombontsoam-pirenena ho an'ireo vitsy an'isa manao hetsi-panoherana  izay mitady hampitarazona fotsiny an'ilay tetikasa ho tombontsoan'ny fandaharanasa tia tenan-dry zareo. Izany eo ihany, fa ny ankamaroan'ireo mpandalina dia mino fa tsy hahomby ny fanamby araka  ny lalàna atrehan-dry zareo hanakanana ilay fotodrafitrasa.

Ny fiezahana hanery orinasa iray ara-dalàna hamoitsahatra ny asany mba hahazoana lanja ara-politika fotsiny, dia efa miteny betsaka momba ny fandaharanasa jamban'ireo mpanao hetsi-panoherana tsy mijery ny tombontsoam-pirenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.