Nampalemy Ireo Reformista Ve Ny Vaovao Momba Ny Harenan'ny Praiminisitra Sinoa?

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fifandraisana Iraisam-pirenena sy ny Fandriampahalemana.

Grandpa Wen’s Nightmare, by Hexie Farm (蟹农场)

Nofiratsin'i Dadabe Wen, avy amin'i Hexie Farm (蟹农场) (nahazoana alalana ny fampiasàna azy)

Nangotraka tokoa ny nahandron'ny politika sinoa nialohan'ny Kongresy Nasionaly faha-18 an'ny Antoko Kaominista sy ny tetezamitan'ny “leadership” (fahaiza-mitarika) izay natao tany Beijing ny 14 Novambra 2012. Maro ireo mahita ny fiforonan'ny Kaomity Maharitry ny Politburo ho faharesen'ny filoha Hu Jintao, izay tsy nahavita nanome toerana ireo reformista namany. Ankoatr'izay, niala alohan'ny fotoana novinavinaina tamin'ny maha-filohan'ny KAomisiona Foiben'ny Tafika i Hu. Natanjaka kokoa tsy tahaka ny nampoizina ve ireo sinoa mpifikitra amin'ny nentsin-drazany sa nisy zavatra nampalemy ireo reformista?

Tapa-bolana monja talohan'ny nanombohan'ny Kongresy dia namoaka lahatsoratra ny New York Times manambara fa nanangona volabe mitentina 2.7 lavitrisa ny fianakavian'i Wen Jiabao tamin'ny fampiasàna ny anaran'ny Praiminisitra sy ireo fifandraisana akaiky amin'ny politika sy ny fandraharahàna any Sina.

Amin'izao politika Sinoa efa mahamay izao, niparitaka ilay lahatsoratry ny New York Times tao amin'ny Sina Weibo, vohikala fampielezam-baovao sosialy heverina ho fitaratra maneho araka ny tokony ho izy ny hevi-bahoaka . Nitobatobaka tamin'ny aterineto ireo tsikera mampiseho hagagàna sy hadisoam-panantenana, nefa koa ireo fanohanana tsy misy fepetra an'i Wen, hoy Rachel Lu nitatitra tao amin'ny Tea Leaf Nation.

Miaraka amin'ny masinina fanasivanan'i Sina, vonona hanakana ny “mpanembantsembana ny firindràna” rehetra, samy voasakana na ny vohikala Anglisy na ny vohikala Sinoan'ny New York Times ora vitsy taorian'ny nivoahan'ilay lahatsoratra. Na izany aza, mahafantatra fomba maro hiodinana ny Tambohobe Sivana goavana ireo sinoa mpampiasa aterineto, ary efa nampiasa ny tenimiafina “Sparta” (izay mitovitovy fanonona amin'ny ‘Kongresy faha-18’ amin'ny teny Sinoa) mba hidirana amin'ilay lahatsoratra. Zahàn'i Lily Kuo ao amin'ny Quartz ny fomba hiodinan'ireo Sinoa mpampiasa aterineto ny sivana mba hidirana amin'ilay lahatsoratra sy hiresahana momba ilay olana. Manoratra i Kuo :

Nampiasa teny maro mitovy fanonona ireo Sinoa mpitoraka blaogy ho an'ny New York Times mba hisorohana ireo sivana. Efa voasakana sahady ny iray izay midika hoe “fotoan-teritery sy miolankolana” (扭腰时报) izay mitovitovy amin'ny anarana sinoan'ny gazety. Nefa ny “Fotoam-piompiana,” teny hafa mitovy fanonona, dia toa nandaitra foana hatramin'izao.

Ny sasany dia nampifandray ny vaovao sy ny fotoana nivoahany tamin'ny mety ho fipoahan-draharaha politika lehibe indrindra nandritra ny volana vitsy lasa teo: ny fionganan'ilay mpanao politika avo fisidina Bo Xilai. Na teo aza ny ezaky ny Antoko mba hanolorana azy ho ohatra ho an'ny ady amin'ny kolikoly, maro no nahita izany ho marika mazavan'ny fikorontanana anatiny. Bo Xilai dia raisina ho solotenan'ireo mpiandany ankavia ao amin'ny antoko (izay midika hoe “mpifikitra amin'ny nentin-drazana” any Sina) izay mifanandrina amin'ireo reformista  (mpitaky fiovàna) tarihan'i Wen Jiabao.

Tao amin'ny lahatsorany tao amin'ny Tea Leaf Nation, nanangona ireo tsikera manasongadina izany fomba fijery izany i Lu:

“Aiza ny toerana misy ny New York Times amin'izao? Novidian'ireo mpanohana an'i Mao ve ry zareo?” hoy ny mpampiasa iray. “Samy manome ny paikady farany sy mametraka ireo vatony ny andaniny rehetra–izany no noeritreretiko momba ny lohateny lehiben'ny NYT androany,” hoy ny iray hafa. Ny sasany dia mino fa natao sorona amin'ny fiadian-tseza ny gazety, “Tamin'ity ny NYT tena tsy nahatakatra an'i Sina mihitsy–lasa saribakoly loatra.” Nanoratra ny mpampiasa iray hafa: “Mety ho ny hery mpiandany ankavia any Sina no manome ny vaovao ho an'ny New York Times dia ny mpiandany ankavanana no mizaka izany.”

Ny sasany dia mbola variana amin'i Wen noho izy zokiny indrindra sady be mpihaino indrindra amin'ireo manamboninahitra Sinoa sahy miantso fiovàna imasom-bahoaka. “Tsy maninona na marina aza ireo fanambaràna ireo, tsy manantena ireo manamboninahitra ambony ao amin'ny CCP [ny Antoko Kaominista Sinoa] hadio koa aho. Manantena fotsiny aho ho afaka hanomboka fanovàna ara-politika marina ireo “liberaly sy reformista,” hoy ny mpampiasa iray nanoratra.

Na dia toa mazava aza fa nanao fikarohana lalina momba ireo rakitra miafin'ny fitondràna i David Barboza, mpanao gazetin'ny New York Times, tsy azo tsipahana ny hoe mety nisy olona nanampy izy. Tsy manamaivan-danja ny asany izany, fa mety ho afaka hanampy hanazava ny fanjakazakan'ny mpiandany amin'ny mpifikitra amin'ny fomban-drazana notarihan'i Bo Xilai amin'ny onjam-politika Sinoa vaovao vao manomboka.

ISN logoIty lahatsoratra (teny anglisy) ity sy ny dikateniny amin'ny Espaniola, Arabo ary Frantsay dia nohafaran'ny International Security Network (ISN – Tambajotram-Pandriampahalemana Iraisam-pirenena) ho ampahany amin'ny fiaraha-miasa hamoahana ireo feron'ny olom-pirenena momba ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny olan'ny fandriampahalemana maneran-tany. Tao amin'ny blaogin'ny ISN ity lahatsoratra ity no nivoaka voalohany, jereo ato ireo tantara mitovy amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.