Sempotry Ny Orok'i Obama i Myanmar

Nanoratra indray ny tantara i Barack Obama amin'ny maha-filohan'i Etazonia voalohany azy nanitsaka ny tany Myanmar. Betsaka ny olona nitehaka ny fahatogavany raha ny hafa kosa nampahatsiahy azy fa lasa aloha loatra izao fitsidihan'ny filoha amerikana an'i Myanmar androany izao. Ireo mpikirakira aterineto dia nampiasa ny tenifototra #Oburma mba hitahirizana sy hanaraha-maso ilay fitsidihan'i  Obama. Nanjary lohahevitra niely be erantany ny teny fanalahidy toy ny “Myanmar” sy “Aung San Suu Kyi”.

Nampientanentana ny olona ireo vaovao mikasika ny ho fitsidihan'i Obama an'i Myanmar. Nihazakazahan'ireo trano fanaovam-pirinty ny nitsinjara sainam-pirenena Amerikana sy nivarotra zavatra momba an'i Obama.

Thant Myint U, mpahay tantara ary zafikelin'ilay Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana fahiny, U Thant, dia niteny fa tany Myanmar ny raiben'i Obama nandritra ny Ady Lehibe Faha-2.

@thantmyintu Ny fahatsiarovana ny raiben'i Obama nanao raharaha miaramila niaraka tamin'ny Mpitifitry ny Mpanjaka Afrikana tao Burma, dia olana iray ampahany amin'ny nentin'ny Chindwin tao Mandalay.

Fitsidihana manan-tantara nataon'i Obana tao Myanmar. Sary an'i  CJMyanmar

Tanora iray mpiangaly ‘graffiti’, Ar Kar Kyaw, no nanao graffiti tamin'ny loko ny hoe “Tongasoa Obama” tao Yangon izay nisarika ny sain'ny mpampahalala vaovao sy ny daholobe, na dia azo lazaina ho efa  nosimbàn'ireo mpandoko mpifaninana aza ilay izy.

Niatrika fanavaozana madinidinika ny Anjerimanontolon'i Yangon satria voalaza fa hikabary ao amin'ilay sekoly i Obana, izay nanosika an'i Ko Htike hitondra fanamarihana [my] hoe:

Sahala amin'ny hoe nanavotra ny Anjerimanontolon'i
Yangon nosimbàn'i Khin Nyunt i Obama.  Amin'izao fotoana anavaozan-dry zareo izao, anohanany ara-bola ilay toeram-pianarana… izao ny fitondrana miaramila vao toa mba  mankatoa ny lanjan'ilay toeram-pampianarana rehefa injay ka ny vavan'ny hafa no miloatra.

Amin'ny lafiny iray, ny sasany nandray ny fitsidihany ho toy ny ezaka hametrahana fifandraisana akaikikaiky kokoa amin'ny firenena iray izay tsy nifampiraharaha afa-tsy tamin'i Shina tato anatin'ny folo taona farany. Myo Set miresaka[my] an'io fomba fijery io :

Mba tsy hitarazohana amin'ny olan'ny Kachin [ady an-trano], andrasana betsaka i Obama mba hiresaka matomatotra kokoa mikasika ny korontana “Rohingya” rehefa tonga. Amin'ny anaran'ny fanampiana noho ny maha-olona, hiezaka izy handranitra an'i Shina momba ny fantsona goavana Kyaut Phyu. […] Te-hanosoka hevitra fotsiny aho ho an'ireo fikambanana Rakhine mba hanolorany ny porofo sy ny tantaran'ny fizotran'ny zava-nisy  (manodidina ny olana Rohingya). Ankoatra io, antenaiko mba hiresaka ry zareo (miaraka amin'i Obama) mikasika ny toerana ara-jeografika misy an'i Myanmar sy ny tatitra momba ny fivangongoan'ny mponina ao Bangladesh, miaraka amin'ny Kaomisiona Momba ny Zon'Olombelona aty Myanmar. […] Tsy miankina amin'izay ho resahan'i Obama any, ny tanjony dia ny hanaisorana fotsiny an'i Myanmar amin'i Shina. Heveriko fa ho amin'izany ihany koa no tena tanjona amin'ny fanesorana ireo famaizana. […] Ekeko fa tsy maintsy atrehantsika mialoha lavitra ny tokony ho izy ny fifampiandaniana tsy misy ilàna azy eo amin'i Etazonia-Shina.

Talohan'ny nahatongavan'ny Filoha Obama fotsiny, gadra politika 49[my] no nafahan'ny governemanta.

Fiara nitandahatra no nentina nitsena an'i Obama ary vahoaka sesehena  no teny rehetra teny. Taona vitsy lasa izao, tsy nisy olona nihevitra ny hahita saina Amerikanateny an-dalamben'i Myanmar izany. Saingy izay tena mba ankafizin'ny vahoka indrindra dia ny oroka nomen'i Obama an'i Daw Aung San Suu Ky, mpitarika ny mpanohitra. Na dia mijanona ho firenena mpandala ny nentin-drazana aza i Myanmar, saika ny tsirairay mihitsy tety anaty aterineto no tsy mihevitra azy iny ho tsy tamin'ny fotoany ary tonga hatramin'ny fiderana azy iny ho toy ny “oroka mpanjaka“. Thin Thin Tun mamaritra [my] azy ity ho fihetsika fanehoam-pirahalahiana eo amin'ny firenena roa tonta :

Na dia tsy mampahazo aina loatra aza no fijery azy ity amin'ny “Mason'i Myanmar”, (Mino aho) taratry ny fifankatiavana sy firahalahiana mivaivay io (eo amin'i Etazonia sy Myanmar)

Olona an'arivony nivangongo teny amin'ireo arabe tao Yangon hiarahaba an'i Obama. Sary avy amin'i CJMyanmar.

Ireo izay  nanam-bintana nanatrika ny kabarin'i Obama tao amin'ny Anjerimanontolo dia niaina ny fampitàna izany mivantana avy amin'ireo fantsom-pahitalavitra tao an-toerana ary ny sasany nandeha tany amin'ireny trano fisotroana dite ireny mba hijery azy io niaraka tamin'ny mpiray vodirindrina. Nay Myo Zin, anaty fanamarihana iray hafa, nanoratra [my] mikasika ny fahatapahana herinaratra ho an'ny faritra sasany tao Yangon nandritra ny fotoana nanaovan'i Obama ny kabariny :

Fotoana vitsy taorian'ny nandefasana ilay kabary, tapaka ny jiro tao Yangon. Hatramin'ny 5:15 hariva, niaina tao anaty haizina izahay. Fohy ny andro mazava satria efa manakaiky ny vaninandro ririnina. Tam-pahanginana no niarahabako tongasoa ny filoha Amerikana avy ao amin'ny tany maizin'i Myanmar. Nihevitra aho fa mba ho am-piadanana no hodiako mandry raha manam-bintana hiaina anaty herinaratra sy rano tsy tapatapaka isika eo am-pihainoana ny kabarin'ny Filoha. Ankehitriny, miha-maizina satria tsy misy jiro ny tanàna atsimon'i Dagona. Amin'ny fanakopakopahana ny fitsofana rivotra, fanantenako ny hoe mba tsy hisy moka hanaikitra an'i Obama ao anaty haizina ao.

Mijanona ho ny kabarin'i Obama no olana resahana betsaka indrindra momba an'i Myanmar. Nanakiana an'i Obama ireo mpanohana an'i Rohingya amin'ny tsy nanamelohany mafy ny korontana tany andrefan'i Myanmar, raha ny hafa indray midera fatratra ilay kabariny. Mandritra izany, Tom Bergreen nanamafy fa tsy tokony ho arahana ny fahasamihafana amin'ny fomba itondran'i Etazonia azy :

Amin'ny lafiny maro dia tiako ilay kabariny, saingy misy sehatra roa ifanalaviran'ny fomba fijerintsika

Voalohany, ary ity aza no tena izy amin'ny ankapoben-javatra no sady kiana ho an'ny politikan'i Etazonia sy ireo firenena tandrefana, nefa heveriko hoe nametraka fanindrahindrana olona manodidina azy, mihoatra lavitry ny maha-olona azy noho ny hoe fandraisana ny heviny sy ny fahaizany mitarika.

Faharoa, na dia tsy hisy zava-miavaka aza ny amin'ny resaka fanajàna zon'olombelona sy ny fampitiavana miandàlana ny olon-dREHETRA hiaina anaty fahamendrehana… (nefa) ny maha-olom-pirenena dia tokony hifototra aminà lalàna napetraka, izay ampiharina tsy mitanila amin'izay rehetra miaina ao anatin'ny sisintanin'i Myanmar. Raha mbola fomba fijery diso hatrany no entin'ireo mpampahalala vaovao sy governemanta vahiny mijery ny fifandirana (IMHO) ho toy ny adim-paritra iray, dia tahaka ny ho sarotra ihany ny hahita vahaolana. Tokony ho tahaka ny olana ara-lalampanorenana no hiatrehana azy io ary tsy maintsy tapahana avy aminà Fehezan-Dalàna.

Mazava loatra fa ny sasany amin'ireo mpikirakira aterineto dia nihanihany any anatin'ny fanehoan-keviny mikasika ny fitsidihan'i Obama. Ny hafa indray liana kokoa amin'ny fampiasana ny finoana nentin-drazany mampiasa ny astra mba hamaritana ny andro nahaterahan'i Obama. Ohatra, miaraka aminà maribolana, dia nizara  sarin'i Obama nandraraka rano tao amin'ny kiho Zoma tao amin'ny Pagode ShwedagTon i Win Min Ko:

Teraka Zoma i Obama.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.