Afrika: Fihazana Tsy Ara-dalàna Ireo Elefanta ao Mozambika

Nitantara momba ny fihazana tsy ara-dalàna ireo elefanta ao amin'ny valan-javaboaharin'i Mareja [anglisy], ao Cabo Delgado, avaratr'i Mozambika ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny gazety @Verdade. Araka ny voalaza ao amin'ny lahatsoratra, andiana mpihaza an-tsokosoko miaraka amin'ny «fitaovam-piadiana arifomba» no « mamono ireo elefanta» ary «maka ampahany goavambe amin'izany» :

Isan-kerinandro, biby roa farafahakeliny no vonoina, mba ahafahana manala ny vangin'ny elefanta, izay amidy an-tsokosoko avy eo. Eo ambanin'ny mason'ireo manampahefan'ny governemanta no miseho izany toe-javatra izany, ary tsy mba mirotsaka an-tsehatra akory izy ireo noho ny hakamoana na noho ny firaisana tsikombakomba

Matetika mahare poa-basy, arahina feona angidimby na fiaramanidina misidina ao amin'ny valan-javaboahary. Ampiasaina izany mba hitaterana ireo vangy nangalarina tamin'ireo biby andalam-paharinganana, ka mampaharitra ny fivarotana an-tsokosoko ny vokatra izay “amidy lafo dia lafo eny amin'ny varo-maizina”. Any amin'ireo firenena Aziatika sasany tahaka an'i Shina, Korea Avaratra, Thaïlandy sy Filipina no ahondrana ny vokatra.

Elefante na Reserva Natural de Maputo. Foto de Leandro's World Tour no Flickr (CC BY 2.0)

Elefanta ao amin'ny valan-javaboaharin'i Maputo. Sary: Leandro, Word Tour tao amin'ny Flickr

Mpamaky iray, Conor Christie, nandefa fanehoan-kevitra natao lahatsoratra tao amin'ny Facebook :

Placa de sinalização de reserva de elefantes em Maputo. Foto de Leandro's World Tour no Flickr (CC BY 2.0)

Takelaka mpanoro lalana ao amin'ny valan-javaboaharin'ny elefanta ao Maputo. Sary: Leandro, World Tour tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Niasa kely tamina coutade 4 aho (faritra izay voaràra ny fihazana) tao amin'ny faritanin'i Manica ary nampahafantarina mialoha izahay fa avy ao amin'ny faritry ny tanànan'i Beira ireo  mpihaza an-tsokosoko ary miaraka amin'ny FITAOVAM-PIADIANA MAHERY VAIKA. Mitovy isa amin'ireo mpiambina ny valan-javaboaharin'i Quirimbas ny isan'ny mpanao fisafoana ao aminay saingy nampitandremana izahay mba tsy hifanandrina amin'ireo olona (mpihaza an-tsokosoko) ireo. Tsy mba tambanivohitra ireo olona afaka [manana] fitaovam-piadiana arifomba tahaka izany. Fantatray fa mampanofa basy AK47 (AKM) ho an'ireo mpangalatra mpihaza ny toby miaramilan'i Save. Fanampin'izany, mividy bala amin'ny vidiny $ 33 USD izahay, izay midika fa mora kokoa ny [fahazoana] basy. Araka ny hevitro, olona akaikin'ny fitondrana ireo olona tompon'andraikitra amin'ny fahafatesan'ireo elefanta ao Quirimbas ireo.

Mpamaky iray hafa, Kita Chilaule, naneho ny fahatezerany:

Tsy mino aho hoe tsy misy fomba ahafahana misambotra ireo mpihaza an-tsokosoko. Mino fa tsy dia betsaka noho ireo mpiambina izy ireo, kanefa dia tohanan'ny governemanta ao an-toerana, porofon'ny firaisana tsikombakomba sy ny kolikoly izany. Mampahonena ny fahasimban'ny fananam-pirenena sy ny tontolon'ny fizahantany ao amin'ity faritra ity.

Hoy izy nanohy :

Vahiny avokoa ny ankamaroan'ireo mpihaza izay tsy manana fahefana feno omen'ny lalàna noho ny mponina eto. Mitaky aho, ho an'ny rehetra, ny hanafoanana izao fanao mandringana ny biby izao

Mifefy ao anatin'ny Valan-javaboaharim-pirenena Quirimbas, manana velarana eo ho eo amin'ny 7506 kilometatra toradroa eo, vondrona  mpiambina 10 no miambina ny valan-javaboaharin'i Mareja izay tsy manam-pitaovana firy hoentina mifanandrina amin'ny fihazana tsy ara-dalàna. Ao amin'ny tranonkalan'ny Fikambanan'ny Tambanivohitr'i Mareja, eo andalam-panatontosana fanentanana sy fanangonam-bola ny fikambanana mba hanamafisana ny fepetram-piarovana ireo elefanta.

[Avy amin'i Dominik Beissel ity lahatsary eto ambony ity; lahatsary hafa momban'ny elefanta ao amin'ny fonenany voajanahary azo jerena eto.]

Taorian'ny famoahan'ny gazety @Verdade ny vaovao, nisy ny fitakiana nalefa tao amin'ny tranokala Avaa z:

Manaitra ny sain'izao tontolo izay mampitombo lanja ny faharetan'ny tontolo iainana sy ny fiainam-biby mirenireny izahay, manaitra ihany koa ny governemanta ao Mozambika, mba handray fepetra hanafoanana ny famonoana ireo elefanta ao Mozambika.

“Ady olona-elefanta”

Nanomboka tamin'ny taona 2006, nitantara momba ny ady mifandraika amin'ny biby mirenireny, indrindra ny elefanta ao amin'ity faritra ity ny mpanoratra ao amin'ny bilaogy Forever Pemba:

Troféu ao extermínio dos elefantes e animais silvestres exposto em hotel da cidade de Pemba - Cabo Delgado. Foto do blog Forever Pemba

Sombin'ireo vokatra azo tamin'ny vangin'elefanta sy biby nohazaina atao fampiratiana ao amin'ny lapan'ny tanàna  Pemba – Cabo Delgado. Sary: blog Forever Pemba

Tato ato, namono olona ireo biby, indrindra ny elefanta, ka niteraka tahotra tao amin'ny tanàna kely. Fanampin'izany, nohampangaina ho nahatonga ny mosary ireo biby, tahaka ny rajako sy ny lambo, satria manimba manontolo na amin'ny ampahany ny fambolena.

Tamin'ny tsikerany momba ny fepetra noraisin’ ny manampahefana tao an-toerana mba hisorohana ny « fahasimbana » aterak'ireo biby, toy ny fampiofanana ireo mpihaza zava-manta, nanamarika lahatsoratra nivoaka tao amin'ny gazety Notícias tamin'ny taona 2007 ny bilaogy blog Forever Pemba:

Raha bangoina amin'ny teny tokana, raha namaky ny lahatsoratra, fantatra fa rehefa avy niampanga ireo elefanta sy biby hafa ho toy ny fahavalo mampidi-doza ho an'ny olombelona ny manampahefana ao Cabo Delgado, dia nandray fepetra, araka ny filazany, amin'ny feo malefaka, saiky be famindram-po, mba tsy hilazana hoe mihatsaravelatsihy.

 Nanambara ny tranokalan'ny WWF-Mozambika fa tamin'ny taona 1999, namoaka Paikady Nasionaly momba ny fitantanana ireo elefanta ao Mozambika ny Tale Nasionalin'ny Ala sy ny Biby (DNFFB) ao amin'ny minisiteran'ny Fambolena sy ny Fampandrosoana ny any Ambanivohitra, ny tanjona tamin'izany dia ny fiarovana ireo elefanta 18 000 ao Afrika, izay voaisa tao amin'ny firenena. Kanefa, niharihary mazava fa tsy nahafa-po ny fampiharana ny Fifanekena, araka ny fanadihadiana tamin'ny septambra 2012, .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.