Filipina: Ny Fomba Nivadihan'ny “I’m a Liar?” Ho Lasa Tenifototra #amalayer

“Lazainao izany fa mpandainga aho? Mpandainga ve aho? Mpandainga ve aho? Valio aho e!

Hoy i Paula Jamie Salvosa, mpianatra eny amin'ny Kolejy, nitrerona ilay vehivavy iray mpiambina tao amin'ny tobim-piarandalamby ao Manila sady niampanga ity farany ho nivatravatra nandritra ny fisavany. Ny tsy fantany dia nandrakitra ho anaty lahatsary ny hatezerany i  Gregory Paulo Llamoso ary nampakatra izany tao amin'ny aterineto.

Ireo Filipiana mpikirakira aterineto nahita ilay lahatsary dia samy nanatsiny ilay mpianatra avokoa ho be dehaka sy tsy ampy fanajàna. Nampiasain-dry zareo ny tenifototra #amalayer ho enti-manondro ny fomba fanonon'ilay mpianatra ny teny hoe ‘I'm a liar’. Lasa noresahana be tao Philippines sy eran-tany ilay tenifototra.

Niteraka resaka mafana momba ny fiainan'ny tena manokana,  ny fahaiza-miaina ary ny fanindriana aloka ilay olana tety anaty media sosialy. Ao amin'ny Facebook, Miles Aguilar malahelo amin'ny fanehoan-kevitra maherihery avy amin'ny olona mikasika ilay tranga, nefa tsy mba nihaino akory izay feon-dakolosy avy any amin'ilay mpianatra :

Mampahonena ny fomba fanehoan-kevitry ny olona amin'ny olana tahaka itony… tsy mba misy fandanjalanjana akory izay tena zavatra nitranga, mety ho nisy anie ny hoe ilay vehivavy mpiambina no nikiakiaka taminy ka nitarika ny fiharatsian'ny raharaha e, ary dia namaly toy izay mety ho nataontsika rehetra ihany izy.

Mel Sta Maria mihevitra fa nanao hadisoana ilay mpampiasa Facebook nampakatra iny lahatsary iny :

Azo ahitsy aminà hadalana iray hafa ny hadisoana iray. Ilay olona nampakatra iny lahatsary iny mety handroso antony vitsivitsy “azo hamarinina” nanosika azy hanao iny zavatra iny, saingy ny fahamatorana, ny fahamarinana ary ny vokatry ny zava-nataony dia tsy maintsy tsaraina kosa  amin'izay faran'ny kely indrindra amin'ny fenitra ara-tsosialy, ny fitandremana, ny tsy fitanilàna ary ny fanajàna ny zon'ny hafa.

Fitongilànana tanteraka manimba an'ilay ankizivavy ny nampakarana an'ilay lahatsary. Ary izay fitongilanana izay dia mety hiteraka ary azo heverina mihitsy fa angamba aza efa nitondra ahiahy goavana sy henatra mihoatra noho izay fetra azo leferina ho azy.

Joseph Solis Alcayde mangataka ny olona mba hahatsiaro ireo lesona avy amin'ilay zava-nitranga :

Ny lesona azo avy amin'io zava-nitranga io dia ny filàntsika mifehy ny fihetseham-po tsy hitroatra ka mety hanimba ny lazantsika eo anoloan'olona marobe, indrindra fa hoe misy olona mandrakitra anaty lahatsary ary avy eo mampakatra an'izany aty anaty aterineto, ary ho an'ireo olona tia maka lahatsary mandritra ny tranga iray tahaka ilay niseho tao amin'ny toby LRT Santolan dia tokony mba hitandrina tsara sy hahatsiaro tena fa izy (na lahy, na vavy) dia tsy afaka manimba ny lazan'olona izay mety manana fotoana tsara mihitsy hanarenany ny tsy nety.

Nitondra tena toa an'ilay sipakely #amalayer isika amin'ny fomba fijery ny fiainantsika, araka ny fomba iainantsika ny fiainana :

Raha ny fanènony dia sahala amin'ny hoe miaro an'ilay Sipakely Amalayer aho, saingy raha ny marina dia tsy izany satria manaiky aho fa misy hadisoana ihany nataony; somary mahatsikaiky ihany,  saingy ity lahatsoratra ity dia mampahatsiahy ny tsirairay (anisany aho) hoe “hey, moa tsy mitovy aminy ihany va re isika amin'ny teboka sasany eo amin'ny fiainatsika e? Afa-tsy ny hoe, isika tsy voarakitra anaty lahatsary fotsiny? Mora ny miteny fa hoe raha isika no teo amin'ny toeran'i Sipakely AMALAYER dia tsy ho nanao zavatra tahaka ireny, saingy hey, ry  akamako, tsy ho fantatrao velively izany an!”.

roxyisferox miantso ireo mpiambina mba haneho fanajàna kokoa :

Hiverenana ry zareo mpiambina. Tsy hoe ilaina dia ho feno fahamendrehana sy fanajàna toy inona ry zareo, kanefa kosa tsy ilain-dry zareo ny handeha mihoatra ny fetra ka hisintona ny tananao na ny entanao, na hampiaka-peo rehefa misy tsikariny ho ‘tsy mazavazava’ Tokony ho mpanelanelana ry zareo eo amin'ny tranombarotra sy ny olona, fa tsy hanao fombanà Nazi.

Manana mpanohana sy mpanakiana ihany ko ilay mpianatra ‏#amalayer ao amin'ny twitter:

@glennachristina Ilay lahatsary #Amalayer dia mampianatra antsika fotsiny fa na aiza na aiza isika, ataovy mendrika foana ny fihetsika. Na heverinao fa manana ny marina aza ianao, aza manao tantara be.

@PnoyBookOfLove Tsy mametraka anao ho nahita fahalàlana ny fitenenanao Anglisy eny imasom-bahoaka&tsy manone zo anao tsy hahay miaina ny naha-nahita fianarana anao. # AMALAYER

@jedseverino Mivavaka ho an'ilay vehivavy mpiambina sy ilay mpianatra aho. Mba hianatra hahay hamela anie ity tontolo tsy misy antra ity. #AMALAYER

@tjdimacali Ny henatra imasom-bahoaka avy amin'ilay #AMALAYER dia fitaratry ny hamaivanan'ny kolontsaintsika, fahatsapàna diso ny atao hoe fananana ny rariny manoloana ny mpisolo vaika  ny ankàlana tratra mora ary ambara ho tsy misy ilàna azy

@evilkyumond Mamiratra amin'ny Anglisy fa mahantra amin'ny resaka maha-olona. #AMALAYER

Inday Varona mibanjina ireo ‘ady’ atrehantsika ety anaty media sosialy:

Tsy hojerentsika izay maha-mpiondana media sosialy any, ny ankamaroan'ny olona no azo tarafina ety anaty Tranonkala ity ny fomba aman-toetrany, na izy mamoaka ny tena anarany marina sy ny tarehiny, na irony kisary irony. Ny hatezerana tsapan'ny olona dia nanana ny fàkany avy amin'ny zavatra tena niainany. Afaka mikiakiaka araka izay tiantsika isika mba hisian'ny tontolonà media niomerika iray malefaka — nefa ny endrika farany amin'ity habaka ity dia hiankina amin'izay fomba fifampitondrantsika samy isika eny an-kianja ihany.

Any, eny anatin'ny sehatra rehetra eny izay latsa-drà sy latsak'aina ny olona, ary noana, ary mivandravandra ny fisian'ireo infirmiera sy ireo ratra tsy fahita — any no toerana tokony hamahantsika ny olantsika ara-tsosialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.