Kanadiana Miandry Fanamelohana Ho Faty Any Iran Hatramin'ny 2008

Raha Nitsidika ny reniny tany Iran tamin'ny May 2008 dia nanjavona ilay teratany Kanadiana Hamid Ghassemi. Taty aoriana kely, hita fa samy voasambotra i Hamid sy ny rahalahiny, Alborz Ghassemi. Nampangaina ho nanao asa fitsikilovana izy ireo, raha ny filazana dia hoe avy amin'ny mailaka nifanakalozany, ary dia nohelohana ho faty. Maty tany am-ponja tamin'ny fomba mampiahiahy i Alborz. Mbola tavela any am-ponja kosa i Hamid miaraka amin'ny fandrahonana famonoana ho faty tsy misy fiarovan-tena araka ny lalàna. Antonella Mega, vadin'i Hamid any Toronto, dia nanao fanentanana ny mba hamerenana azy hody..

Ilay fanentanana ety anaty aterineto mba hanafahana an'i Hamid dia ao amin'ny Freehamid.org. Manana bilaogy mavitrika ao i Antonella, saingy ny ankamaroan'ireo hetsika hafanam-po ety anaty aterinety amin'izao fotoana dia ao amin'ny pejy Facebook iray antsoina hoe Tahirin'ny Rakitsarin'ny Dian'i Hamid Ghassemi-Shall. Ny 12 Oktobra, ireo mpanohana an'i Hamid ao Kanada dia nampakatra hafatra fiarahabana azy nahatratra ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany. Tamin'ny Septambra, notapahan'i Kanada ny fifandraisany ara-diplaomatika rehetra amin'i Iran, namafa izay rehetra fanantenana ny amin'ny mety ho fahafahan'ny governemanta Kanadiana mirotsaka an-tsehatra.

Ireo mpiray vodirindrina amin'i Hamid any Toronto dia namokatra lahatsary iray ety anaty aterineto ihany koa mba ho fanampiana amin'ny fisarihana ny saina amin'ny tolona atrehany

Miangavy, Jereo avy amin'ny Visuav ao amin'ny Vimeo.

Mpianatra iray antsoina hoe Hailey Benedict no namorona ity lahatsary ity ho fanohanana azy.

Ny 30 Novambra, tanàna maherin'ny 1.200 manerana izao tontolo izao nandray anjara tamin'ilay “Cities for Life” (Tanàna ho Fiainana) no hijoro hanohitra ny sazy fanamelohana ho faty. Ireo mpikatroka mafàna fo avy amin'ny Amnesty International ao Toronto dia nisafidy ny hanamarika io fotoana io amin'ny fanasàna an'i Antonella Mega hiteny mandritra ny hetsika karakarain-dry zareo amin'io andro io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.