Noesorin'i Putin Ny Minisitry Ny Fiarovana Mba Hisondrotan'ny Mpandova azy?

Tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra, vonona hifidy indray an'i Barack Obama ho filoham-pirenena ny Amerikana,  nanapaka ny finamanany efa ela tamin'i Anatoly Serdyukov i Vladimir Putin, minisitry ny Fiarovana tao Rosia nanomboka tamin'ny taona 2007 i Anatoly Serdyukov. Sergei Shoigu, Governoran'i Moskoa sy lehiben'ny Minisitera Misahana ny Toe-draharaha Maika (MChS) no notendrena hisolo ny toerany.

Misy antony lehibe no mahamaika tamin'ny fanesorana an'i Serdyukov. Ny tena hita mazava, dia nohadihadiana izy vao haingana noho ny fivarotany ireo fananan'ny miaramila ho amin'ny tombotsoany manokana. Izany tranga izany no antony ofisialy nahatonga ny fanalàna an'i Serdyukov izay nosoloina an'i Shoigu, mbola maro anefa ireo antony mety  mahatonga izany, satria latsa-paka tanteraka ao anatin'ny kolikoly ny miaramila ao Rosia, na dia teo aza ny fanentanana manohitra ny kolikoly natao nandritra ny taona maro.

Nametraka [ru] kosa ilay mpanao gazety sady bilaogera Oleg Kashin fa nomen'i Putin toerana ambony tahaka ny mpandova i Shoigu, tahaka an'i Yeltsin nampiakatra vetivety an'i Putin ihany koa tamin'ny taona 1990. Nanamafy i Kashin fa  midika ho fanatsarana an'i Shoigu ny fampisondrotan-toerana azy, mba ahafahan'i Putin misotro ronono amin'izay:

За Сергея Шойгу как за «будущего президента России» в МЧС поднимали тосты еще при президенте Ельцине. Сейчас по этому поводу если и можно спорить, то только о способе прихода к власти: либо Путин назначит его преемником, либо Шойгу назначит себя сам.

Tao amin'ny MChS, nankalaza an'i Sergei Shoigu ho “filoham-pirenena rahampitson'i Rosia” izy ireo, tahaka ny tamin'ny andron'i Yeltsin. Ny hany fanontaniana tokana tokana sisa dia ny hahatongavany eo amin'ny fitondrana: na hotendren'i Putin ho mpandimby azy izy, na i Shoigu ihany no hanendry ny tenany.

Niarahaba ny Minisitry ny Fiarovana Rosiana Serdyukov (ankavanana) tonga soa tao amin'ny Hopitaly Fort Belvoir, Virginie, Etazonia tamin'ny 16 septambra 2010 ny mpiara-miasa ao amin'ny USACE. Sary avy amin'ny tafika Injeniera Amerikana, CC 2.0.

 Indrindra mofa fa tsy hihatanora i Vladimir Putin, ary tao anatin'ny taona vitsy lasa, nanamarika hatrany ireo mpanara-baovao Rosiana fa nitombo ny fitakiana amin'ny fametrahana mendrika sy tsaratsara kokoa ny demokrasia ao amin'ny firenena. Ny tsy fananan'ny firenena olo-manga sy mendrika no toa hita fa mahatonga ny fahatezeram-bahoaka amin'izao fotoana noho ny resaka vao haingana momba ny fanjakazakan'i Putin eo amin'ny politika Rosiana. Ny “tandem” nisy teo amin'i Putin sy ilay efa nisy fotoanany efa lehibeny dia i Dmitri Medvedev no mampihena ny fahefana sy ny herimpanintonany hampahomby ny fitantanana rehefa tsy eo intsony i Putin. Shoigu kosa etsy andaniny, tsy dia malaza. Tamin'ny fitsapa-kevitra notontosain'ny Ivon- toerana Mpitsapa ny Hevi-bahoaka, ny faneken'ny 78%  an'i Shoigu no mametraka azy ho minisitra malaza indrindra ao amin'ny governemanta federaly atsy ho atsy. (Ny manaraka azy kosa dia mbola manenjika isa roapolo mahery!)

Maro amin'ireo mpanohitra politika no nahatsapa fa nisy ny fahakiviana itadiavana fanomezana aina vaovao indray ny mpitantana ambony. Mpanohitra mpikatroka Sergei Udaltsov no niahiahy indrindra [ru]:

Шойгу то на Московскую область был брошен, теперь на Министерство обороны. Это очень тревожный сигнал, говорит о том, что кадровый запас просто скудный до невозможности у властей.

Nalefa namita iraka tany Moskoa i Shoigu, ary ankehitriny lasa Minisitry ny Fiarovana. Saina mena efa mitsangana izany; milaza izany fa efa vitsy sisa ireo mpiasa ambony fiandry ao amin'ny fitantanam-panjakana.

Tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny facebook [ru] tamin'ny 16 Novambra, nanely tsaho ilay mpikatroka Solidarnost Pavel Shelkov [ru] fa nodimandry noho ny homamiadan'ny hazon-damosina (colonne vertebrale) i Putin ka izany indrindra no antony fanomanana an'i Shoigu mba hisolo azy ho filoha. Nanambara i Shelkov, izay tsy mpitsabo, fa telo volana sisa ny andro iveloman'i Putin. “Namaly ny vavak'ireo tovovavy i Maria Virjiny,” hoy ny nambarany, milaza momba ny fangatahana mahamenatra nataon'ny Pussy Riot  teny amin'ny alitaran'ny Katedralin'i Kristy Mpamonjy fa efa “nandroaka an'i Putin” i Maria.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.