Lasa Tanàna Maty i Mumbai Taorian'ny Nahafaty An'i Bal Thackeray

Nodimandry ny tolakandron'ny 17 Novambra 2012 teo amin'ny faha-86 taonany tany amin'ny toeram-ponenany ao Mumbai i Balasaheb Keshav Thackeray, mpanangana ny antoko elatra havanana Hindu Shiv Sena. Ireo mpanaraka azy dia niantso azy hoe ‘ny Hindu Hriday Samraat’ (“Emperoran'ny Fo Hindu”).

I Dilip D'Souza, bilaogera sady mpanoratra anaty gazety dia malahelo mahatsiaro ny fianana ara-politikan'i Thackeray :

Thackeray no nanangana ny Shiv Sena (“Tafika Shivaji,”  ilay mpanjaka-mpiady mahery fo tao Maharashtra) tany amin'ny taona 1960, momba foto-kevitra tsara lahatry ny  “Maharashtra ho an'ny Maharashtrians.” Nandritra ny taona maro, nanatsinjaràna an'io foto-kevitra io, nikendry lasibatra samihafa ry zareo: Indiana Tatsimo, olona avy any amin'ny fanjakan'i Gujarat, Silamo,  Indana Tavaratra.

Bal Thackeray. Sary avy amin'ny  BollywoodHungama. CC BY

Roa andro lasa izay dia nipoaka  ny vaovao fa hoe niha-ratsy ny toe-pahasalaman'i Bal Thackeray, nisy ireo tatitra mikasika fanafihan'ny mpomba an'i Thackeray hoe nidaroka mpanao gazety sy mpaka sary izay tonga mba hanangom-baovao tany amin'ny toeram-ponenany, sy nisintontsintona mpitsidika manana ny toerany toa an'i  Amitabh Bachchan.

Dilip D'Souza nanontany hoe :

Dia marina, inona izao no ho fiantraikan'ny fahafatesan'ity jeneraly bekotro maroholatra ity amin'ny fanaon'ireo olona nanompo azy?

Taorian'ny nahafatesany ny tolakandron'iny, niparitaka haingana be ny vaovao ary nihazakazaka nanmonjy fodiana sy nihidy aman-trano ny vahoaka. Nikatom-baravarana daholo ireo trano fivarotana sy trano lehibe, trano fisakafoanana ary hatramin'ireo ambony latabatra kely, nofoanana na nahemotra daholo ireo asam-panjakana, na an'ny tsy miankina lehibebe rehetra. Ny alina, tahaka ny foana tsy nisy olona ireo lalam-be satria tsy hitahita akory dia nanjavona ireo fitateram-bahoaka. Nisy ireo tatitra nilaza fa noteren'ireo mpomba an'i Shiv Sena hanakatom-baravarana ireo mpivarotra ary ny sasany moa dia efa nanakatona ny azy noho ny tahotra rahateo. Natatatata tamin'ny fanamafisam-peo ny antso ho an'ireo mpikamban'ny Shiv Sena mba hijanona ho tony hatrany.  Nanampy trotraka ny efa fihenjanana dia nanoro hevitra ny vahoaka mba tsy hivoaka ny trano ny Polisy ao Mumbai taorian'ny nahafatesan'i Bal Thackeray.

Satria nikatona tsy nisy fampilazana ireo toeram-pivarotana, dia nisy ny tatitra hoe sarotra notadiavina ny rano, sakafo sy ireo filàna fototra hafa. Nitsahatra ireo Taxis sy “autorickshaws” avy any amin'ny seranam-piaramanidin'ny zotra anatiny ao Santacruz sy iraisam-pirenena ao Sahar any Andheri ho mariky n y fanajàna an'i Thackeray. Ny trano fandefasana sarimihetsika dia hitohy hikatona ny Sabotsy 17 sy Alahady 18.

Indreto ny fanehoan-kevitra vitsivitsy tao amin'ny Twitter :

‏@NishreenIce (Nishreen Icewala): Fikatonana eto Mumbai – Tahotra sa Fanajàna?

@SnaZiness: Ny Fanajàna ateraky ny fitiavana ary fanajàna atosiky ny tahotra dia zavatra roa samy hafa. Fantatsika rehetra fa nifehy i Thackeray. Noho izany, atsaharo ny fanandratana azy.

‏@vbubber (Varun Bubber): Raha ny fahitàna azy, nisehoseho tany amin'ny club CCI ireo lehilahy mihaja avy amin'ny  #shivsena niaraka taminà tehina sy vato ka nanakatona azy io. #lookhowtheymourn

‏@ams_des (ams_desae): Zava-mahatahotra izany miezaka mody an-trano avy any amin'ny birao amin'ny 12 antoandro izany 12 am ..tsy misy fiara, tsy misy taxi..mandeha an-tongotra irery 3 km ..mpahatahotra #Mumbai

@Envyas: @nixxin: Nobahanan'ny mpanome tolotra ‘cable’ ahy daholo ireo sarimihetsika & sy fantsona fialamboly rehetra noho ny fahafatesan'i Bal Thackeray. Hiverina rehefa vita ny fandevenana rahampitso. Aza mifananihany.

@nickkstar10: Vao avy nahazo ity fandaharana ity, tian'ny Shiv Sena hakatona mandritra ny 3 andro ny tanàna, azafady mba misy afaka manamafy ve handehanako mivoaka & handaminako ny faran'ny herinandroko #ShivSena #RIP #BalThackrey

‏@winningalways (Jayapriya): Na inona na inona lazaina momba ny toeran'ny  ShivSena, toerana azo antoka kokoa i Mumbai miohatra amin'i Delhi, ary tokony hisaotra azy ireo isika amin'izany. Mandria am-piadanana ry Bal Thackeray

‏@iKabirBedi (KABIR BEDI): Na tia azy, na mankahala azy, dia ho andro manan-tantara ao Mumbai ny fandevenana an'i Balasaheb, tanàna nomeny anarana, ary sambany mba voafehy. Fiafaranà vanim-potoana iray.

Amardeep Singh manoratra ao amin'ny bilaoginy:

Ny Indiana sasany dia hahatsiaro azyfotsiny ho toy ny “lehilahy goavana” iray, izay nanangana sy nitarika antokom-paritra iray. Mampalahelo izany, satria mihosona ràn'olona maherin'ny 100 ny tànany — Miozolmana ny ankamaroany. Tsy tokony hisaonana izy, tsy tokony homem-boninahitra.

Ny vahoaka ao Mumbai dia mibanjina ihany koa izay mety hitranga amin'ny fandovàna an'i Thackeray aorian'ny fahafatesany. Ny fandevenana azy dia natao ny 18 Novambra tao amin'ny Kianja Shivaji

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.