Bilaogy Mampifandray An'i Afganistana Sy Pakistana: ‘Fifankahazoan'ny Mpifanolo-bodirindrina’

Tsy afaka manova ny mpifanolo-bodirindrina amintsika isika fa tsy maintsy  manova ny fihetsika sy ny fifandraisantsika amin'ny mpifanolo-bodirindrina amintsika. Io no lohahevitra fototra amin'ny tetikasa voafintina anaty fehezanteny roa nataon'ny Fondation ara-politika iray avy any Alemana, Friedrich-Ebert-Stiftung (FES) tany Pakistana sy Afghanistan. Mitondra ny lohahevitra hoe Af-Pak fandaharan'asa  fifanakalozana  eo amin'ny mpanao gazety : ‘ Fifankahazoan'ny mpifanolo-bodirindrina’ io fandaharan'asa io.

Amin'io fandaharan'asa fanomezana vatsim-pianarana io, indroa niatrika fihaonambe ireo mpanao gazety 22 avy any Afghanistan sy Pakistana, ny iray tany  Islamabad ary ny faharoa tany Kabola. Ireo tanora mpanao gazety no mamorona lafy roa amin'ny Tsipik'i Durand amin'ny andaniny sy ankilany, nanomboka nanao bilaogy taorian'ny fivoriana natao voalohany tany Bara Gali, havoana akaikin'i Islamabad. Ny sokajy fampahafantarana an'io bilaogy mitondra ny lohateny hoe  Fifankahazoan'ny mpifanolo-bodirindrina dia miteny hoe:

Ezaka iray iarahanay rehetra mba hifandraisana tsy tapaka sy hahafantarana bebe kokoa ny mpifanolo-bodirindrina aminay ity bilaogy ity…Hiaraka manentsina ny banga izahay  rehetra ary ho amboarinay ny sakana rehetra izay mampifanalavitra anay.

af-pak journalists

Mpanao gazety 22 avy any  Pakistana sy Afganistana tamin'ny  ‘Fandaharan'asa fifankahazoan'ny mpifanolo-bodirindrina’. Sary avy amin'ny mpamorona.

Beenish Mohsin, solontena diplomatika ao amin'ny fantson-tseraseram-baovao ARY, dia mizara izay antenainy avy amin'io atrik'asa io.

Ny fehezanteny voalohany tamin'io atrikasa io dia ” Herinandro fandravana ny fitsaratsaram-poana” ka nahitan'ireo mpandray anjara maro fahombiazana. Nizara ny traikefany Ayesha Hasan, mpanao gazety avy amin'ny Express Tribune, Pakistan:

Izahay mpanao gazety avy amin'ny lafiny efatra amin'ireo firenena roa, dia nody niaraka taminà sary mahafinaritra, fijery vaovao, fahatsiarovana tsy hay kosehina ary ny lehibe indrindra amin'ireny  : namana vaovao. Nanana tantara manokana hotantaraina ny tsirairay, fomba manokana mampiavaka ny fiainany sy fanazavana mahasarika ary fandraisan-javatra ny rehetra, fa ny sasany dia namela fahatsiarovana ao an-tsaiko.

Nahagaga ny traikefan'ilay mpanao gazety Afgana  Faisal Moonzejar. Dradrainy ny ahiahiny nikasika ny mpifanolo-bodirindrina aminy, Pakistana :

Reraky ny dia lavitra tamin'ny fiaramanidina ireo namako Afgana ka dia niala sasatra. Fa izaho kosa niresaka tamin'ireo Pakistane namako. Nanasa ahy hiaraka aminy ry zareo handeha hanao ‘zahavoary an-tongotra – randonnée’. Tamin'ny voalohany tsy nahataitra ahy io resaka io, fa rehefa hitako ny hafanàna sy ny fifandraisana amin'ny maha-mpinamana, izay nampahatsiahy ahy ny fitsangatsanganana fahiny niaraka tamin'ny namako tany an-tsekoly, dia nekeko tsy nisalasalàna ilay fangatahana.

Manoratra izay zavatra tsy ampy taminy sy ireo Afgana namany mpanao gazety i Faisal Moonzejar, ao amin'ny lahatsoratra iray hafa ‘tsy misy olona azontsika omena tsiny’ :

“Tsapako fa tsy Pakistana no olana. Ny fototry ny olana dia ny fanamelohanay mandrakariva an'i Pakistana amin'ny krizy anatiny aty aminay- ny resaka ara-poko. Fony zaza aho, nolazaina tamiko fa ny Shiite (Ahle Tashee) no ‘maloto indrindra’ ary dia noraràna izahay tsy ho any an-tranon-dry zareo na hisotro ny rano avy any aminy na hihinana izay avy any aminy ary ny minàmana aminy ihany koa.”

Ireo mpandray anjara tany Kabola. Sary avy amin'ny mpamorona.

Miara-miasa amin'ny fanadihadiana, amin'ny fidirana lalina amin'ireo tantara  momba ny fahamaizinan'ny vaovao avy amin'ireo firenena roa tonta ireo ny mpandray anjara avy amin'ny andaniny sy ny ankilany.

Anatin'ny iray tamin'ireo tatitra, mamintina mpanao gazety :

Mitohy miatrika fanamby ireo mpanao gazety avy any Afganistana sy Pakistana hatramin'izao. Ny hany làlan-tokana hivoahana dia ny famelàn'ny governemantan'ny firenena tsirairay ny fifanakalozam-baovao sy ny fandefasan'ny fahitalavitra any aminy avy ho afaka hihoatra ny sisin-taniny.

Nanandrana nitrandraka ny tantaran'ny fiaraha-miasa sy ny fifamatorana ara-barotra izay mety hitera-bokatsoa ho an'ny mponina ao amin'ny firenena roa tonta ry zareo. Mpivory anankiray no nahita fa Dobai vaovao ho an'ny Pakistane i Kabola.

Ny asan'i Sher Badshah dia nandrisika ny rahalahiny Sardar Badshah ho any Afganistana hitady asa. Mandray karama 500 dolara amerikana amin'ny maha-mpahandro azy izy amin'izao fotoana izao.

Variana tamin'ny fahitana ireo vehivavy parlemantera, mpikatroka mafàna fo ara-tsosialy sy diplomaty any Kabola i Ayesha Hasan. Manoratra izy hoe :

Tsy mampaninona ny hasarotan'ny fandresena ny fomba amam-panao tranainin'ny Afgana, manomboka miseho tsikelikely eo amin'ny sehatra politika ny vehivavy. Famantarana iray amin'izany ny fahanginan'ny Talibana amin'ny fisian'ny vehivavy ao amin'ny fitantanan'ny Mpanolo-tsaina Avo ho an'ny Fandriampahalemana izay voatendry hitarika fanelanelanana miaraka amin-dry zareo.

Sarin'i Kabola nalain'ny mpamorona.

Nanoratra tamin'izay bilaogy izay aho:

Ataon-dry zareo izay hahalalan'izao tontolo izao ny fifandraisana Af-Pak miaraka amin'ny hevi-baovao entiny. Vonona hanao fanamby ry zareo hanohitra ireo fitantaràna am-polo taona voapetraka mikasika ireo mpifanolo-bodirindrina aminy – ireo fitantaràna tsy hita amin'ny sehatra ho an'ny daholobe. Tena faly aho eo am-panoratana ity fa tsy hoe mpifanolo-bodirindrina intsony ireo mpanao gazety ireo, mifampiantso amin-kafaliana hoe namana izy ireo izao. Iraka tontosa soa!

Raha sitrakao vakio ny tatitra nataonay tany aloha mikasika ny fandaharan'asa mitovy amin'ity.

Miasa ao amin'ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES) ny mpanoratra ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.