Fandoroana Boliviana Mpanao Gazety Miasa Aminà Radio Tao Yacuiba

Ny Alatsinainy 29 Oktobra 2012 notafihan’olona efatra nisaron-tava ireo Boliviana mpanao gazety, Fernando Vidal sy ny teknisian'ny fampielezam-peo Karen Arce avy amin'ny Radio Popular ao Yacuiba, tanàna iray ao amin'ny sisintany iraizan'i Boliviana amin'i Arzantina. Notsipazan'ireto olona ireto tavoahangy misy solika tao an-trano ary notondrahan-dry zareo gazoil i Vidal ary narehitr'izy ireo avy eo. Naratra tamin'ilay fanafihana ihany koa i Arce.

Vidal, mpitantana ilay trano fampielezam-peo sady tompony, ary Arce dia samy notsaboina noho ny fahamaizany avokoa raha mbola mandeha kosa ny fanadihadiana mikasika ilay fanafihana fandoroana fananan'olona. Ny tsoa-kevitra voalohany dia manondro fa mety misy ifandraisany amin'ny ampamoaka fanakianana ny resaka kolikoly sy varo-maizina nataon'i Vidal ilay fanafihana.

Ny vinanton'i Vidal, Esteban Farfán Romero izay mpanao gazety, dia niezaka foana nanome tatitra momba ny toe-pahasalaman'ireto mpanao gazety sy ny fivoaran'ny raharaha. Ny Alatsinainy 29 Oktobra, nitatitra i Farfán tao amin'ny Facebook [es] hoe :

DENUNCIA GRAVE: Radio Popular de Yacuiba ha sufrido un atentado terrorista. 4 personas con barbijos ingresaron al estudio de la Radio y rociaron gasolina al rostro del periodista Fernando Vidal. Don Fernando Vidal esta siendo atendido en el Hospital. ya esta estable.

TATITRA MAMPIVARAHONTSANA: Niharan'ny fanafihana mpampihorohoro ny Radio Popular ao Yacuiba. Olona 4 nisaron-tava no niditra amboletra tao amin'ny efitrano fitenenanan'ny Radio ary nandraraka gazoil teny amin'ny tavan'ny mpanao gazety Fernando Vidal. Efa tsaboina any amin'ny hopitaly  Atoa. Fernando Vidal. Efa tsy misy atahorana ny aminy.

Nizara ihany koa izy sary avy ao amin'ilay efitrano fitenenan'ny Radio taorian'ny fanafihana, tao amin'ny Twitter [es] sy Facebook [es]:

Radio station after attack. Image shared by Esteban Farfán Romero via Twitter.

Ilay foiben'ny fampielezam-peo taorian'ny fanafihana. Sary nozarain'i  Esteban Farfán Romero tao amin'ny Twitter.

Image of radio station after attack. Shared by Esteban Farfán Romero on Facebook

Ilay foiben'ny fampielezam-peo taorian'ny fanafihana. Sary nozarain'i  Esteban Farfán Romero tao amin'ny Twitter.

Estamos trabajando para reconstruir la Radio. En este momento estamos sacando todo lo quemado para volver al aire como nos dijo don Fernando Vidal antes de partir a Santa Cruz. Asi quedo la Radio después del atentado

Miasa mamerina manangana ny Foibe Fampielezampeo izahay izao. Amin'izao fotoana izao manilika ireo zavatra may rehetra izahay mba hahafahana mamerina ny onjam-peo araka izay nolazain'i Fernando Vidal taminay talohan'ny nandaozany an'i Santa Cruz [hitsabo tena]. Ity ny Radio taorian'ny fanafihana.

Ny 31 Oktobra, nibitsika ny tati-baovao farany momba ny fisamborana i Farfan (@EstebanFarfanR) [es] tao amin'ny Twiter::

@EstebanFarfanR: LO ULTIMO: La Policia acaba de detener al cuarto implicado en al atentado a Radio Popular.

@EstebanFarfanR: VAOVAO FARANY : Voasambotry ny polisy ny olona faha efatra voarohirohy tamin'nilay fanafihana ny foiben'ny Radio Popular.

Reporters Without Borders dia “nanaraka akaiky ny fizotry ny fanadihadiana izay efa miainga raha ny fahitàna azy” mikasika ilay fanafihana narahana fandoroana fananan'olona. Mitatitra ihany koa ry zareo fa hoe niresaka tamin'i Farfán, izay nilaza tamin'izy ireo fa

Mino i Vidal fa roa amin'ireo manampahefana ao departemantan'ny governemanta Tarija no ao an-damosin'ilay fanafihana. Ny minisitry ny Atitany, Carlos Romero, dia manohana izay eritreriny izay. Mazava be fa ilay fanafihana dia nikendrena ny hampitsaharana ny fandaharan'i Vidal, izay natokany tamin'io andro io hiresahana ireo tranganà varo-maizina ao an-toerana.

Farfán nanamafy [es] fa n y fianakaviana dia mizara ihany koa an'izay fomba fijery izay ao amin'ny kaontiny Facebook.

Ny lahatsoratry ny Reporters sans frontières manampy hoe :

Ilay ben'ny tanàna fahiny sady filankevitry ny tanàna, Vidal, dia tsy nihambahamba velively niresaka momba ny kolikoly ao amin'ny departemanta Tarija ary nanakiana hatrany ny fomba fitantanana ny volam-bahoaka, na amin'ny sehatra nasioanaly , na isam-paritra, izay nitombe be tokoa ankehitriny hatramin'ny nandraisan'ny faritr'i Chaco maherin'ny 100 tapitrisa dolara isan-taona avy amin'ny famarotany ny entona voajanahariny.

Ny governemanta Boliviana, ny Firenena Mikamabana, ary ireo fikambanana samihafa momba ny asa fnaovan-gazety dia samy nanameloka daholo ilay fanafihana. Ankoatra izany, mitatitra i  Farfán fa ireo olom-pirenena ao Yacuiba dia nanao diabe hitaky ny rariny. Mizara sary avy amin'ilay diabe izy ao amin'ny Twitter:

March in Yacuiba

Diabe tao Yacuíba, 30 Oktobra 2012. Sary nozarain'i Esteban Farfán Romero on Twitter.

"No to delinquency", march in Yacuiba, October 30, 2012. Photo shared by Esteban Farfán Romero on Twitter.

“Tsy mila asan-jiolahy”, Diabe tao Yacuíba, 30 Oktobra 2012. Sary nozarain'i Esteban Farfán Romero on Twitter.

March in Yacuíba, October 30, 2012. Photo shared by Esteban Farfán Romero on Twitter.

Diabe tao Yacuíba, 30 Oktobra 2012. Sary nozarain'i Esteban Farfán Romero on Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.