Takon'ny Fifandonana Ny Alina Ny Fitokonana Faobe Am-pilaminana Tao Portiogaly

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay ny Eoropa Anaty Olana

Nitondra indray mandeha indray ny vahoaka ho eny an-dalambe nanerana ny firenena ilay fitokonana faobe tao Portiogaly ny 14 Novambra 2012, hijoroany hanohitra ny fisongan'ny politikam-pitsitsiana. Ny tena hery manosika ny vahoaka hanao fihetsiketsehana na izany aza, dia tsy takatr'ireo fampahalalam-baovao mahazatra loatra noho ny fisian'ireo hetsika mahonena “mahasarika kokoa ny maso”: tamin'ny fiafaràn'ny andro iray nafotaka nanaovana hetsika am-pilaminana sy fitorevahana, ny fifanandrinana nivadika ho herisetra teo amin'ny polisy sy ireo mpanao hetsi-panoherana no zary lasa lohatenim-baovao mirantiranty.

Io no fitokonana faobe faha efatra nisy teo amin'ny firenena tato anatin'ny roa taona farany, fa tamin'ity indray mitoraka ity, ny fampiatoana, nantsoin'ny [pt] iray tamin'ireo sendikàn'ny mpiasa (CGTP), no isan'ny nanao ny antso nanerana ny firenena ho an'ireo firenena any atsimon'i Eoraopa – ilay antsoina amin'ny hoe PIGS (Portiogaly, Italia, Gresy ary eSpaina) – izay ahitàna ireo vahoaka iharan'ny fepetra henjana amin'ilay fitsitsiana tsy maintsy ampiharina ary ny olana ara-bola.

Demonstrators walking towards the Assembleia da Republica in Sao Bento, Lisbon. Photo by Francois Bota copyright Demotix (14/11/2012)

Mpanao fihetsiketsehana nitanjozotra ho any amin'ny Assembleia da Republica ao Sao Bento, Lisbon. Sary avy amin'i Francois Bota Fizakà-manana Demotix (14/11/2012)

Ao amin'ny bilaoginy ny Profesora Henrique Borralho, Breziliana monina ao Lisbon, dia mitantara [pt] ny fomba nisarika azy hanatevin-daharana ilay hetsika fanehoana firaisankina.

Nitanjozotra namakivaky ny renivohitra, nanan fotoana tsara izy niresahana tamin'ireo mpitokona izay naneho ny ahiahin-dry zareo mikasika ny ampitso. Ny roa tamin'izy ireny (avy any Italia sy Espaina) dia nizara tantara izay iraisan'ny rehetra any amin'ireo firenena Eoropeana Tatsimo: ny fanomezana ho an'ny tsy miankina ny fitantanana ny sehatra fitsaboana, fandroahana faobe, fampihenana ny fiahiana ara-tsosialy, fampidinana karama.

Essa crise revela a face mais sangrenta da crise capitalista européia. As conquistas históricas da classe trabalhadora foram e estão sendo suprimidas, o cognominado bem-estar social já não existe mais, a condição minima de igualdade social começa a ruir.

Existe um paradoxo nessa crise: o consumo de luxo aumentou, consequentemente, o foço entre ricos e pobres também. A taxa de desemprego em Portugal bateu a casa dos 15,8% . A taxa de pobreza já está em 19%. O governo já aprovou, falta ser votado no Congresso, o aumento de impostos para 2013, a votação será no dia 27 de novembro, além da aprovação de uma lei de incentivo fiscal para captação de empresas que queiram investir no país pagando apenas 10% de impostos.

Ity krizy ity dia maneho ny endrika feno ràn'ny olan'ny kapitalista Eoropeana. Ny zava-bita ara-tantara nataon'ny sarangan'ny mpiasa dia nofoanana sy mbola foanana, tsy misy intsony izany atao hoe fiahiana ara-tsosialy izany, manomboka tsy hita ireo fepetra faran'izay kely indrindra hisian'ny fitoviana ara-tsosialy.

Misy zava-mifanohitra ao anatin'ity krizy ity: mitombo ny fanjifàna rendrarendra ary vokany dia mitombo toy izany ny hantsana manasaraka ny mpanana sy ny mahantra. Ny tahan'ny tsy fananana asa ao Portiogaly dia nahatratra ny 15.8%. Ny tahan'ny fahantrana dia efa 19% sahady. Efa nankatoavin'ny governemanta sahady, ary dia mbola mijanona holanian'ny Parlemanta ilay izy, ny fampiakarana ny hetra amin'ny 2013, hatao ny 27 Novambra izao ny fifidianana, ho fanampin'ny fankatoavana lalàna iray famporisihana ny fandoavan-ketra mba hisarihana ireo mpandraharaha mikasa ny hampiasa vola ao amin'ny firenena amin'ny fandoavana hetra 10% monja.

Avy eo izy dia mamariparitra ny fomba niainana ilay “vanim-potoana ratsin” ny herisetra sy famoretana nisy tamin'ny fiafaràn'iny andro iny. Ny Global Voices kosa nitatitra fohifohy an'izany ao anaty lahatsoratra iray hafa.

In Porto thousands of people marched in a protest in the centre of the city. Photo by Pedro Ferreira copyright Demotix (14/11/2012)

Tao Porto an'arivony ireo nano diabe ho fanoherana tao afovoan-tanàna. Sary avy amin'i Pedro Ferreira fizakà-manana Demotix (14/11/2012)

Ny ambadiky  ny herisetra

Taorian'ny famoretana an-jambany nataon'ny polisy teo anoloan'ny Parlemanta, ho setrin'ny vato nalefan'ny andianà mpanao hetsi-panoherana, taoriana kely, ny alin'iny dia ampolony ny fisamborana tamin'ny faritra samihafa no nahazoana tatitra [pt]. Ao amin'ny bilaogy 5 Dias,  betsaka ireo fijoroana vavolombelona mikasika “fitànana tsy ara-dalàna”, habibiana nataon'ny polisy, tsy fisian'ny fiampangana, ary fandàvana tsy hanome zo hahazo mpisolovava, tsy ho afaka miantso ny any ivelany, ary tsy ho afaka mampiasa efitrano fidiovana.

Police barrier in front of the Portuguese parlament at the chashes during the Portuguese general strike on November, 14 against the austerity measures. Photo by Pedro Nunes copyright Demotix (14/11/2012)

Sakan'ny polisy teo anoloan'ny Parlemanta Portioge nandritra ny fifandonana tamin'ny fitokonana faobe ny 14 Novambra hanoherana ny fepetram-pitsitsiana. Sary avy amin'i Pedro Nunes , fizakà-manana Demotix (14/11/2012).

Ny Filoha Cavaco Silva dia nanameloka ” ny fanimbàna izay nateraky ny hetsik'andian'olona” sady “nidera ny maha-matihanina ireo polisy portioge nanao ny asany niantohana ny filaminam-bahoaka sy niady tamin'ny herisetra ato anatin'ny demaokrasiantsika”. Marobe ireo mikirakira aterineto ary hatramin'ny mpampahalala vaovao mahazatra no nanaraka ity kabary ity. Kanefa, ny tatitra voalohany teny anivon'ny tontolon'ny bilaogy dia mampiseho fomab fijery samihafa. Amnesty International manameloka [pt] ny fomba fampiasan-kery tsy voahevitra sy tafahoatra natao tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana izay nanao hetsi-panoherana am-pilaminana tao Lisbon ary nitaky amin'ny governemanta mba hanokatra fanadihadiana.

Police men point batons while a woman is bleeding from the nose during the chashes. Photo by Pedro Nunes copyright Demotix (14/11/2012)

Polisy manondro kibay raha toa kosa efa mivoa-drà ny oron'ilay iray io nandritra ny fifanandrinana. Sary avy amin'i Pedro Nunes Fizakà-manana Demotix (14/11/2012).

“Ny herisetra atao miaraka amin'ny fepetra an-jambany no miteraka rivotra iainana feno hadisoam-panantenana”, hoy ilay mpanao gazety Sarah Adamopoulos, iray amin'ireo mpitokona am-pilaminana izay nangataka ireo mpanao hetsi-panoherana mba ho tony ary taoriana kely dia tsy maintsy “nihazakazaka, niezaka ny tsy hianjera sy ho voahitsak'ireo vahoaka be nisavoritaka”. Ny niafarany dia voadaroky ny “polisy tezitra” ihany koa, araka ny ambarany [pt] ao amin'ny bilaoginy, Um Redondo Vocábulo :

As mulheres choravam, chocadas com a violência dos rapazes da PSP. Também chorei, também me chocou a violência indiscriminada sobre as pessoas, as bastonadas ao calhas, preferencialmente nas pernas para fazer cair as pessoas e bater-lhes mais, mas chocou-me sobretudo a visão da força repressiva que este Governo está disposto a usar para tentar calar o povo – para fazer com que aceite sem espernear as suas políticas inaceitáveis.

Nitomany ny vehivavy, tohina tamin'ilay herisetra nataon'ireo bandy avy amin'ny PSP [Public Security Police]. Mba nitomany koa aho, tohina koa tamin'ity herisetra tsy am-piheverana atao amin'ny vahoaka ity, ny fivelivelesana an-jambany, indrindra fa ny fikendrena tongotra mba hampidaraboka azy ireny sy hamelezana azy misimisy kokoa, saingy ny tena nahatohina ahy bebe kokoa dia ny fahitàna ny herim-pamoretana sahin'ity governemanta ity ampiasaina mba  ho ezaka fampanginana ny vahoaka – mba hahatonga ny politikany tsy azo ekena ho ekena tsy misy gidragidra.

Sara Figueiredo Costa, mpanao gazety miasa tena sady bilaogera ao amin'ny Cadeirão Voltaire, dia manoritsoritra ihany koa ireo hetsika ho lohalaharana, navoaka voalohany tao amin'ny Facebook, ary avy eo nozaraina [pt] tao amin'ny bilaogy 5 Dias. Ho azy “tsy azo ekena mihitsy ny hisaina hoe ireo vato no hanamarinan'ireo polisy mpandrava korontana ny fandiovana an-jambany an'i Largo de São Bento, hihazany ny olona eraky  ny arabe sy handehandeha eraky ny tanàna hamono lolo ireo mpanao fihetsiketsehana tao Cais do Sodre” :

nunca serão, coisas toleráveis numa democracia, sendo, pelo contrário, coisas que ajudam a definir a ausência de democracia.

[ireny] zavatra tsy ho azo ekena velively ao anatinà demaokrasia iray, fa ny mifanohitra amin'izany, zavatra iray manampy hamaritana fa tsy misy ny demaokrasia.

Tsindriany tsara fa rehefa “ny polisy no manaiky hanatanteraka baiko, dia tsy manapa-kevitra ho an'ny tenany samirery fa dia hanositosika ny olon-drehetra izy, antitra sy tanora, izay mibahana ny làlan-dry zareo”. Ny baiko dia miainga avy any amin'ny Ministry ny Fitantanana ny Atitany, Miguel Macedo, izay ny fanambaràny taorian'ireo hetsika dia naha-be fanontaniana [pt] an'ilay mpanao gazety Daniel Oliveira :

Quando a polícia espancou gente pacifica em vários locais da cidade, estava a garantir a ordem pública ou a contribuir para a desordem? Estava a garantir a integridade física dos cidadãos ou a pô-la em causa? Estava a garantir o cumprimento da lei ou a violá-la? Estava a reprimir os “profissionais da desordem” ou a espalhar a desordem pela cidade? O comportamento inaceitável de meia dúzia pode justificar um comportamento arbitrário das forças de segurança, que não poupa ninguém a quilómetros de distância da própria manifestação?

Rehefa mamely mpanao hetsi-panoherana am-pilaminana amin'ny toerana maro eran'ny tanàna ny polisy, niantoka ny filaminam-bahoaka ve izany sa nandray anjara kosa tamin'ny fisian'ny korontana? Niaro ny isam-batan'olona tsy ho voantohintohina ve sa vao maika nametraka azy ho tandindonin-doza kosa? Niantoka ny fampiharana ny didy ve sa nanitsakitsaka an'izany? Namoritra ireo “matihanina amin'ny famafazana korontana” ve sa namafy korontana nanerana ny tanàna? Azo atao ve hoe ny fitondran-tenana tsy azo ekena nataon'olona azo isaina amin'ny rantsan-tànana, entina hanamarina ny fitondran-tena tsy manjary avy amin'ny mpitandro filaminana, izay tsy nanavaka na iza na iza, na dia ireo tany amin'ny kilaometatra niala ny toerana nisian'ilay fihetsiketsehana aza?

Ary farany milaza fa “ny fitokonana faobe omaly dia iray amin'ireo goavana indrindra teo amin'ny tantaran'ny firenentsika. (…) Ary tsy ny herisetra an-jambany izay baiko avy amin'ny Ministeran'ny Fitantanana ny Atitany haparitaka manerana ny antsasaky ny tanànan'i Lisbon no ho afaka hamafa izy ity. Tany amin'ireo fahitalavitra, rehefa tsy ny herisetra ataon'ny andaniny dia ny an'ny ankilany no nandresy. Saingy miavaka kokoa amin'izany ny andron'ny omaly : porofon'ny fahasahiana.”

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay ny Eoropa Anaty Olana

Debora Baldelli collaborated in the post.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.