Mpisolovava Iraniana Nasrin Sotoudeh Mitokona Tsy Mihinan-kanina ao Am-ponja

Efa nihoatra ny efatra herinandro izao ilay Iraniana mpiaro ny zon'olombelona, mpisolovava ary efa nahazo ny Loka Sakharov antsoina hoe Nasrin Sotoudeh no nitokona tsy nihinan-kanina ho setrin'ny faneriterena atao amin'ny fianakaviany sy ny tsy firaharahian'ny manampahefana Iraniana ny gadra politika.

Ny vadin'i Nasrin, Reza Khandan no namoaka [fa] ity fanavaozam-baovao ity tao amin'ny Facebook ny takarivan'ny 12 Novambra 2012, milaza fa sambany ny zanany no afa-nitsidika azy tao anatin'ny efa-bolana.

Manoratra toy izao Atoa Khandan:

Niantso ahy ry zareo avy ao amin'ny fonjan'i Evin ka niteny ahy hitondra ny zaza ho any am-ponja anio. Nihaona tamin'ny reniny nandritra ny minitra vitsivitsy teo ivelan'ny toeram-pamangiana sy teo anatrehan'ny mpiambina ny fonja ny zaza. Indrisy fa tsy namela ahy na olon-kafa hitondra ny zaza eo amin'ny toerana ihaonana ry zareo.

Araka ny lahatsoratr'Atoa Khandan, “nolazain'i Mehraveh, zanany vavy, fa niha-nahia ny reniny ary mandeha any amin'ny tobim-pahasalamana ao am-ponja indraindray.”

Notobahan'ny Iraniana fanohanana ilay mpisolovava migadra ny aterineto.

Voninkazo ho an'i Nasrin

Nampiseho ny fanohanana azy tamin'ny alalan'ny Facebook, Twitter ary Google+ ny Iraniana. Mohammad Reza Jalaeipour, mpianatra sy mpikatroka monina ao London amin'izao fotoana izao, no nanolo-kevitra ny hanovàn'ny mpanohana ny sarintavan'izy ireo amin'ny tambajotra an-tserasera ho sarim-boninkazo (Nasrin amin'ny teny Persiana) ho fanohanana azy ao anatin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina.

Nasrin manoratra ny fiarovany amin'ny “lamba famaohana”

Indro ny lahatsary milaz fa i Nasrin Stoudeh izay miaro gadra politika maro, dia tsy manan-jo ny hanoratra ny fiarovany amin'ny taratasy. Soratany amin'ny lamba famaohana (serviette) avokoa ny zava-drehetra.

Tsy ny aterineto ihany no toera-tokana ilazan'ny Iraniana ilay mpisolovava nogadraina, maro ny fihetsiketsehana notontosaina ivelan'i Iran ho fanoherana ny fitazonana an'i Stoudeh.

Hetsi-panoherana eo anoloan'ny masoivoho Iraniana any Dublin, Ireland

Fanohanana an'i Sotoudeh any New York

Sy Norvezy

Hajia ho an'i Nasrin

Nisy Iraniana sasantsasany monina any Holandy no nanonta printy hajia ho an'i Nasrin Sotoudeh ahitana ny sarintavany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.