Nahomby ny Fitokonan'ny Mpiasan'ny Metro tao Kairo

Tafaverina indray ny metro ao Ejipta – taorian'ny fitokonana naharitra efatra ora. Tao amin'ny sampan-draharahan-damasinina, izay afaka mitondra olona 2 tapitrisa isan'andro manerana an'i Kairo, niato tamin'ny asany ireo saoferan-dalamby noho ny hetsi-panoherana ny filohan'ny filankevi-pitatanana ny metro, izay voampanga ho nanao kolikoly. Nitaky karama tsaratsara sy fepetra mendrika momba ny asa ihany koa ireo mpiasa.

Tao amin'ny Twitter, nankasitraka ny fitokonana ny mpiserasera, ary nitondra ny fanohanany amin'ilay faritana hoe fitakiana ara-drarin'ireo mpiasa.

Salma El Tarzi niarahaba ireo mpiasan'ny metro noho ny fahombiazan'ny fitokonana. Hoy izy nanoratra [ar]:

تحية لاضراب المترو! والمواطنين المتضررين مشكلتكم مع الحكومة مش مع العمال اللي مضربين عشان حقوقهم

@Salma_El_Tarzi: Arahabaina ireo mpitokona ao amin'ny Metro! Mety manana olana amin'ny governemanta ireo olona voakasiky ny fitokonana fa tsy amin'ireo mpiasa mitokona mba hitaky ny zony:

اللي متضرر من اضراب المترو يشوف طريقة تساعد في تحقيق مطالبهم فيرجعوا يشتغلوا.عيب يا بني ادمين يبقى طلبكو الناس تتقهر في صمت عشان تكمل خدمتكو

@Monasosh: Tokony hijery fomba ahatafita ny fitakiany ireo olona tsy faly amin'ny fitokonan'ny mpiasa ao amin'ny metro mba ahafahan'ireo mpiasa miverina miasa. Mahamenatra  ho an'ny olona izany hoe miandry ny hafa fotsiny sy misafoaka mangingina kanefa manohy miasa ho anao foana izy ireo .

Ola Shahba niantso ho amin'ny fanohanana hatrany ireo mpiasan'ny metro

#اضراب_المترو نموذج لعمال عارفين منين يوجعوا الحكومه ويجبروها تتفاوض.لادركهم ان الخدمه ال بيقدموها مينفعش تتوقف كثيرا,لازم ندعمهم ضد الضغط

@OlaShahba: Ohatra ho an'ireo mpiasa mahafantatra ny fomba famelezana ny governemanta ny fitokonana ao amin'ny metro mba hanerena azy hifampiraharaha satria fantany tsara fa tsy azo ajanona maharitra ela io asa io. Tokony hanohana ireo mpiasa isika mba tsy hatahotra izay mety ho teritery izy ireo

Dina Samak nampitaha ny fahombiazan'ny fitokonan'ny mpiasa ao amin'ny metro amin'ny fanaovana tsirambina ny fitokonana ataon'ny mpitsabo ao Ejipta. Hoy izy nisioka:

اضراب المترو نجح بسرعة لان تعطيل النقل بيوجع الرأسمالية واضراب الاطباء مستمر لسه لان الحاكم مش فارق معاه الغلابة.. الحل تضامن الكل مع الكل

@dinasamak: Fahombiazana avy hatrany ny fitokonana tao amin'ny metro satria miantraika amin'ny Kapitalisma ny fijanonan'ny fitaterana. Mitohy kosa ny fitokonan'ny mpitsabo satria mbola manao tsinotsinona ny mahantra ny mpitondra. Eo amin'ny firaisankinan'ny tsirairay ny vahaolana.

Fitokonana tapak'andro ihany no ataon'ny mpitsabo Ejipsiana nanomboka tamin'ny 1 Oktobra. Anisan'ny fitakian'izy ireo ny fampitomboana ho 5 isan-jato hatramin'ny 15 isan-jato ny anjara volan'izy ireo amin'ny vola miditra amin'ny fitsaboana ao amin'ny teti-bolan'ny governemanta, sy ny fampitomboana ny karaman'izy ireo ary koa ny fandriampahalemana eny amin'ny toeram-pitsaboana

Nermeen Bedair nanampy hoe:

اصحابي الأطباء على فيسبوك (سواء مع او ضد اضراب الأطباء) بيقترحو الأطباء يطلبو من عمال المترو يضمو مطالب الأطباء لمطالبهم وينصصو ف الكادر :))

@Nermbed: Manoro hevitra ireo dokotera namako ao amin'ny Facebook (ireo izay manohana sy manohitra ny fitokonana) fa tokony hangataka amin'ireo mpiasan'ny metro ny mpitsabo mba hakambana miaraka amin'ny fitakiany ihany koa ny fitakian'ny mpitsabo

Mohammed Shawkuy nanamarika hoe:

سواقين المترو عملوا اضراب و البلد وقفت وبعدها بـ 4 ساعات الوزارة بتتغير! الأطباء بقالهم 45 يوم عاملين اضراب وعشان محدش مات محدش معبر أهلهم!

@shawkination: Nanatontosa fitokonana ireo saoferan'ny metro izay nahatonga ny firenena nisedra olana. Efatra ora taty aoriana, niova hevitra ny minisitra. Fitokonana tapak'andro no nataon'ny mpitsabo nandritra ny 45 andro ary mbola tsy nisy olona nijery akaiky izany satria tsy nisy aina nafoy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.